
Nilaza ny filoha nasionalin’ny Sendikàn’ny Mpiasa eto Madagasikara (Semm) ao amin’ny Jirama, Andriamihaja Christor, fa misy ankehitriny ny fanerena ny mpiasa miasa hitokona. Ny alarobia teo, anisan’ny niharana izany ny mpamily iray, noterena hivoaka tao anaty fiara. Misy koa fandrahonana samihafa toy ny amin’ny alalan’ny finday, ohatra. “Tsy manao teritery sy tsy miteny mihitsy anefa izahay miasa”, hoy ihany ny filohan’ny Semm Jirama.
Ankoatra izany, niala tsiny amin’ny birao nasionaly sy ny mpikambana ny tenany amin’ny tsy fahampian’ny serasera. Na izany aza, mandeha ny ezaka hanarenana izany.
Misy ny kolikoly avo lenta tamin’ny Wartsila
Manampy ireo, fantatra fa misy ny kolikoly avo lenta tao amin’ny Jirama, mikasika ny famatsiana fitaovana fanoloana tao anatin’ilay tetikasa Fanamby. Voalaza fa hividy kojakoja amin’ny faritra ambony amin’ireo milina roa (20 Mw) eny Mandroseza ny Jirama ary ny mpiasa ihany no hametaka azy.
Sarona ny kolikoly mikasika azy ity, ka noroahina ny tale jeneralin’ny Wartsila, Pietro Zanini. Misy koa ny antontan-taratasy fangataham-bola nolazaina fa hatao tambin-karama ho an’ny mpiasan’ny Jirama, nefa tsy nomena akory.
Hitantana ny rano koa ny Jirama
Manoloana ireo, nanamafy Andriamihaja Christor, fa “aoka tsy fitahina ny mpiasa 6.000 ao amin’ny Jirama fa tsy ho tombontsoan’ny olom-bitsy « . Matoky koa ny tenany fa hisy fiantraikany tsara amin’ny fari-piainan’ny mpiasa.
Ankoatra ireo, mitohy ny fanelanelanana eo amin’ny mpiasa sy ny mpitantana ary ny fanjakana foibe. Nilaza ny filohan’ny Sat Jirama, Haja Maminirina fa nahazo ny fankatoavana hitantana ny lafiny rano, mandritra ny 20 taona koa ny Jirama. Tokony hivoaka amin’ny herinandro ambony amin’ny filakevitry ny minisitra ny fankatoavana azy. Raha fintinina, nilaza ireo sendikà tsy mitokona fa efa voavaha ny singa 17 notakian’ny mpiasan’ny Jirama.
Randria
Tsy vitan’ireo mpiasan’ny Jirama mitokona ny nanapaka ny famatsiana herinaratra ny minisitera. Ho an’ireo manohy miasa, nambaran’izy ireo fa tsy manana fahefana hanao izany ny mpiasa.