
Hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny faritra Boeny ny Bianco, sampana Mahajanga, hisakanana ny fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko ireo harena sarobidy samihafa avy ao anatin’ny faritra. Nisy fivoriana niarahan’ny roa tonta nanao ny fiandohan’ny herinandro teo nandinihana manokana momba izany.
Nantsoina nandray anjara tamin’ny fivoriana, ny 10 sy 11 aogositra teo, ny sampandraharaha teknika samihafa any amin’ny kaominina ambanivohitra, fikambanana isan-karazany any amin’ireny toerana ireny. Nifampizarana nandritra ny fivoriana ny sary misy ireo toerana tsy mazava, fanondranana an-tsokosoko ireo harena sarobidy ireo sy fampahafantarana ny endrika isehoan’ny kolikoly any amin’ireny toerana ireny. Nofaritana, araka izany, ny drafitrasa atao hiadiana amin’ireo karazana fitrandrahana sy famoahana an-tsokosoko ireo harena sarobidy samihafa ireo, anisan’izany ny vatosoa sy ny zavaboary any amin’iny faritra iny. Notendrena koa ireo olona mpiantso vonjitaitra 22 aparitaka any amin’ireny toerana ireny sy hampita vaovao tsy tapaka any amin’ny Bianco.
Nosoritan’ny lehiben’ny faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar, tamin’io fotoana io, fa na eo aza ny lalàna isan-karazany natao hiarovana ireny harena sarobidy ireny, tsy ahitana fahombiazana izany raha tsy misy olona azo antoka miasa any am-potony. Nisaotra ny Bianco manokana sy ny tetikasa Page/Giz ny lehiben’ny faritra amin’ny finiavana miara-miasa amin’ny faritra. Antenaina, manomboka izao, ny tsy hisian’ny famoahana an-tsokosoko ireny harena ireny, ahitan’ny olom-bitsy tombontsoa nefa manapotika ny ho avin’ny taranaka any aoriana.
R.Mathieu