
Saron’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina tao Ambalamanasy Toamasina, ny alin’ny alahady teo, ny raim-pianakaviana iray 30 taona, voarohirohy ho nitondra rongony 55 kg. Araka ny fanazavan’ny polisy, avy any amin’ny kaominin’Ifito ary novidiana 700 000 Ar ilay rongony. Notsinjaraina tanaty sakaosy telo lehibe kosa taorian’izay. Nanamafy ny polisy fa indroa niverina nanao ny fisavana ny tranon’ity raim-pianakaviana mpanaparitaka zava-mahadomelina ao Toamasina ity. Niala maina ny polisy tany am-piandohana fa tsy nahita na inona na inona. Niverina fanindroany ary nahisaka ny fandriana ka hita tao ambanin’ny tany ambany fandriana no nilevina ireto sakaosy feno rongony ireto.
Mitohy hatrany ny hetsika famongorana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao Toamasina, araka ny baikon’ny lehiben’ny fampanoavana ambaratonga voalohany ao amin’ny fitsarana Toamasina ny mpitandro filaminana. Voalaza fa ireo ankizy mpianatra no tena mifoka ireo karazana zava-mahadomelina ao Toamasina. Nanamafy ny polisy fa tsy handefitra fa tsy maintsy hamongotra ifotony manoloana ny fiparitahan’ny rongony ao an-toerana.
Jean Claude sy Sajo