
Lavon’ny zandary nandritra ny fifampitifirana ny jiolahy raindahiny iray, ny talata teo tany Andranomamy Ambato Boeny. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa jiolahy miisa fito nitondra zava-maranitra no nanafika mpivarotra iray sy tompona trano fivarotam-panafody iray. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny lelavola 1 200 000 Ar tao amin’ilay mpivarotra ary 590 000 Ar tao amin’ilay trano fivarotam-panafody. Niditra an-keriny tao amin’ireo niharam-boina avy hatrany ireo jiolahy sady nandrahona hamono raha tsy manome vola izy ireo. Lasa nitsoaka kosa ry zalahy rehefa nahazo ny volabe. Nahazo loharanom-baovao ny zandary taorian’izay ka nanao fanaran-dia. Tsy lasa lavitra anefa ireo olon-dratsy ka nifanehatra tamin’ny zandary. Vokany, raikitra ny fifandonana ka nahalavo ny jiolahy iray. Mbola hita teny aminy ny kiririoka iray sy mohara roa ary fehiloha mena. Afa-nitsoaka kosa ny naman’ity jiolahy ity.
Manao ny ataony hatrany ny jiolahy mitam-piadiana any amin’ny faritra. Fotoana izao tokony hampisehoan’ny fanjakana ny fanamby rehetra amin’ny hamongorana ny asan-jiolahy. Zary mitaintaina andro aman’alina ny mponina manoloana izany.
J.C