
Tsy ahita-mitsinjo fa misavorovo tanteraka amin’ny lafiny rehetra ny fiainam-pirenena. Tsy politika ihany fa na sosialy na toekarena, hatramin’ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana. Sarona aloha izany io ny atidohan’ny mpanamboatra basy vita gasy…
Ary ny basy vita vazaha na avy any ivelany ahoana ? Tokony ho eny an-tanan’ny mpitandro filaminana ireny, saingy ampiasain’ny jiolahy isaky ny miseho ny fandrobana na vonoan’olona… Tsy mbola nandre isika hatramin’ny taona maro ka nampahafantrina fa avy amin’ny toby na vondron-tafika na mpitandro filaminana tahaka izao ireny basy mahery vaika sarona ireny. Mijanona eo amin’ny hoe mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana.
Mampisavorovoro saina ny tahaka izany amin’ny tsy fisian’ny mangarahara ary mampahazo vahana ny asan-jiolahy sy ny firaisana tsikombakomba.
Eo amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana, tsy mitovy ny hevitra ary manondro ny mpitarika azy ho naharay vola mihitsy ny Seces… Hamonoana afo ? Ankisesy sy nifandimbiasana ny fanambarana momba ny fanadinana bakalorea hatao ny alatsinainy izao.
Mety ho raikitra ihany. Tsy ho raikitra indray… Zary lasa sorona ny tanora hiatrika fanadinana. Tsy fantatra intsony ny marina… Misavovorovo ny sain’ny ray amandreny sy ny mpianatra. Fanadinana handeha amboletra sa am-pitoniana ? Nilaza tsy ho tompon’antoka ireo mpitokona eo anivon’ny Seces Antananarivo… Eto amintsika ihany no misy an’izany hoe andro vitsy mialoha ny fanadinana, tsy mbola fantatra na hatao na tsia izany !
Etsy andaniny, mandrangaranga hanapaka ny jiron’ny minisitera telo ireo sendikan’ny Jirama, mitokona amin’ny alatsinainy izao. Roa miliara Ar ny trosan’ ireo minisitera ireo hatramin’ny volana mey noho mankaty. Vahaolana mitondra olana ? Fa angaha ireo ihany no tokony hotapahina ?
Mba ahoana anefa ireo kolikoly avo lenta sy halatra herinaratra ary koa ireo fomba fiasa sy ny fihetsiky ny mpiasa sasany eo anivon’io orinasam-bahoaka io ?
Tahotry ny hivoahan’ny mangarahara raha tantanin’ny vahiny sa tena fanehoana fa vitantsika ny mitantana io jiro sy rano io na efa an-taonany maro aza ny olana ?
Ampahany ihany ireo… Misavorovoro tanteraka. Sa ny isavorovoroan-kilantoana ?
Synèse R.