Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642

Ambodibolava Tsiafahy : taksiborosy tapaka frein, olona telo maty, 15 naratra mafy

$
0
0
Accident 1508

 Olona telo maty, 15 naratra mafy. Izany no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga teny amin’ny fokontany Ambodibolava, kaominina ambanivohitr’i Tsiafahy, ny alarobia lasa teo. Taksiborosy iray tapaka frein ity namoa-doza ity…

 

Fiara taksiborosy iray Mercedes Benz, mampitohy ny renivohitra amin’iny faritra Atsimondrano iny ity tratran’ny lozam-piarakodia ity. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa vokatry ny fahatapahan’ny frein no nahatonga ny loza. Somary nahazo fidinana ny lalan’ilay fiara ka tamin’izany indrindra no nahatapaka tampoka ny frein-n’ilay fiara. Vokany, nivadika avy hatrany ny fiara. Olona telo maty tsy tra-drano, raha 15 kosa, ireo naratra mafy. « Somary efa hafahafa ny fandehan’ilay fiara tany am-piaingana. Samy tsy nanampo na inona na inona rahateo ny mpandeha rehetra ka samy nikoropaka raha vantany vao nivadika ny fiara », hoy ny fanazavan’ny raim-pianakaviana iray (mpandeha tamin’ilay fiara) teny amin’ny hopitaly.

Matetika vokatry ny tsy fahatomombanana ara-teknika hatrany no mahatonga ny loza amin’ireny taxi-be sy taksiborosy sasany ireny. Tsy misy ny fanaraha-maso fa teren’ny fitadiavana, hany ka fiara tsy tokony hiasa mbola terena hiasa hatrany. Manginy fotsiny ny hadalana ataon’ny mpamily sy ny resevera manao fanenjika manenjika « clients ». Tsy misy intsony ny fanajana ny mpandeha. Ny tolotra omena ny mpanjifa anefa tsy manaraka ny fenitra takin’ny fitaterana. Ny sezan’ny fiara maloto sady rovitra. Ny mpamily sy ny resevera voretra sady tsy mahalala fomba.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642