Efa ho dimy andro aty aoriana, tsy mbola votsotra eny am-pelatanan’ny jiolahy ilay Karana tompon’ny Conforama Tsaralalana. Voalazan’ny mpitandro filaminana izay nanontaniana, tsy mbola nanome vaovao azy ireo ny fianakaviana raha misy ny takalom-bola notakian’ireo jiolahy. “Manao ny fanadihadiana rehetra manodidina ny fakana an-keriny ny mpitandro filaminana. Olana ny tsy fanomezan’ny fianakaviana vaovao momba ireo olon-dratsy”, hoy ny fanazavana. Mateti-pitranga ihany izany amin’ireo karana, izay feran’ireo jiolahy tsy ampilaza ny mpitandro filaminana. Vitain’izy ireo mangingina any ny fifanakalozana ka rehefa vita izany vao fantatry ny mpitandro filaminana. Na izany aza, tsy mitsahatra ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy, ary vonona hatrany izy ireo raha misy ny vaovao azon’izy ireo amin’ny fidirana an-tsehatra. Mbola anaty tsiambaratelo kosa, ny momba ny fanadihadiana ilay zandary mpiambina manokana an’ilay Karana io.
Yves S.