
Ho raikitra ihany ny savoritaka isan-karazany, raha ny fizotran’ny toe-draharaha tao ho ao. Miaina fikorontanan-tsaina ny rehetra, na an-tsaha na an-tanàna ary na mpitondra na vahoaka.
Ripaky ny dahalo ny olona sy ny fananany any ambanivohitra. Tsy amelan’ny tontakely koa anefa ireo nandositra an-tanàn-dehibe. Mitaintain-dava amin’ny hateraky ny fitokonana mifandimby mipoitra isaky ny sehatr’asa ny vahoaka. Tsy te hieritreritra izay hiafaran’ny fanjakany intsony ny ao anaty fitondrana. Mikorontan-tsaina i Madagasikara iray vohitra saingy samy manana izay sokajiny mamely azy.
Misy fifampiraharahana mandeha ihany, hono, any amin’ny takontakona any nefa tsy tafapaka aty amin’ny fototr’olana ny vokany ka miaritra ny dridran’Ingilo ny firenena. Ankalazain’ny tompom-pahefana aza fa miroso amin’ny famahana olana ny fitondrana na hita ho tsy toa teny amin’ny entiny intsony ny tompon’andraikitra maro. Tsipahin’ny ampahany amin’ny mpampianatra mpitokona ny fifanarahan’ny fanjakana sy ny mpitarika azy, hampiatoana ny fitokonana. Mipetraka ho baraingo, noho izany, ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana bakalorea amin’ny faritra sasany. Samy manana ny heviny mikasika ny ho tombontsoan’ny orinasa ivelomany amin’ny ho avy ny mpiasan’ny Jirama. Tsy mampiova ny fahatapahan’ny herinaratra matetika any an-tokantrano aloha, hatreto, izay fironan’ireo vondrona mpiasa tsirairay ireo.
Miaina olana goavana ny firenena. Tsy miraika fa variana mitety tany sy mifaly fotsiny ny mpitondra azy, hoy ny vahoaka. Mangina, tsy nisy sahy niteny koa ny mpanao politika taorian’ny savorovoron’ny fifidianana. “Manaiky matoa tsy miteny” ary nandray tombontsoa tany mihitsy no iheveran’ny olon-tsotra azy ireo. Ho lalao ratsy mantsy ity politikantsika eto ity ka samy manaram-po,mandrovi-tsihy, ny mpilalao azy mialohan’ny farany.
Manou