
Raha tany Ambatolampy no hoe malaza amin’ny fanamboarana basy vita gasy, teto an-drenivohitra kosa, saron’ny polisy ny orinasa kely mpamokatra izany, teny Anosipatrana. Basy poleta sy bala marobe, miampy ireo fitaovana samihafa no noraisi-potsiny tamin’izany.
Tsy nampoizina! Ari-fomba tanteraka ary efa mitovy amin’ny basy vita avy any ivelany no vitan’ireto mpanamboatra basy sarona teny Anosipatrana, ny talata lasa teo. Efa orinasa kely mihitsy ary arifomba ny fitaovana nampiasaina nanamboarana ireo basy vita gasy sy bala anjatony maro. Basy P.A vao vita miisa dimy, bala 235 isa, ka 7 mm ny 162 ary 9 mm ny 73 tamin’ireo. “Vita tanana avokoa na ny basy na ny bala, fitaovana tsotra hita eto an-toerana no nanamboarana ireo”, hoy ny lehiben’ny Sut, ny kaomisera Ralaimongo, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly. Tamin’ny alalan’ny toro nataon’ny olon-tsotra nahalalana ny fisian’ity fanamboarana basy ity, ary efa elaela ihany nanaovana ny fanadihadiana tamin’izany vao izao nahitam-bokany izao. “Niara-nilatsaka teny an-toerana ny Uir sy ny Sut nisambotra ireo mpanamboatra basy ka olona efatra, tratra tamin’izany. Fanamboarana basy tsy ara-dalàna, fitazonana basy tsy ara-dalàna, fikambanan-jiolahy no anenjehana azy ireo”, hoy ny fanazavana.
Araka ny naseho tamin’ny mpanao gazety omaly teny amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna, efa mitovy amin’ireo vita vahiny mihitsy ireo vita gasy. Akora eto an-toerana avokoa no nanamborana azy ireo. Vy vidiana eny amin’ny mpivaro-by no anamboarana basy. Bala efa nipoaka kosa, amboarina indray, ary misy amin’ireo vanja vidina amin’ny basy kilalao eny amin’ny Sinoa no angonin’ireo mpamboatra izany. “”Misy mpamatsy ireo bala na vodina bala ireo? Mandeha ny famotorana manodidina izany”, hoy ny polisy.
Mpanamboatra basy simba
Araka ny fanazavana avy amin’ny polisy, mpanamboatra basin’ny mpitandro filaminana simba, taloha ilay rangahy iray tena atidoha amin’ny fanamboarana basy. Manana ny fahaiza-manao amin’izany ilay rangahy io, ary izay no nentiny nanitaran-kevitra. Amidy 500.000 Ar ka hatramin’ny 1 tapitrisa Ar ny basy iray, ary any Bongolava sy Matsiatra ambony no tena manjifa ireo basy. “Milaza ireto mpanamboatra basy fa tsy mbola nivarotra tamin’ny jiolahy ary tsy mbola nanao asan-jiolahy. Manambara fa tsy mahafantatra izay hanaovan’ny mpividy ilay basy ireto tratra”, hoy ny fanazavana ihany. Raha ireto basy tratra farany, tsy mbola nipoaka ireo, ary efa voamarin’ny polisy siantifika fa tena basy tokoa fa izay fipoahany no tsy fantatra.
Basy Mac 36 iray sarona tao amin’ireto olona ireto, izay voalaza fa basy very tamin’ny krizy 2009. “Mampiseho ny fiparitahan’ny basy eto amintsika izao tranga izao. Misy ny basy very, eo ihany koa ny mpanamboatra basy. Manao ny ezaka rehetra tandrify izany ny polisy ary mitohy izany”, hoy kosa ny lehiben’ny kaomisaria foibe, ny kaomisera Tsirombahina Germain.
Yves S.