
Tsy nitazam-pontsiny ! Nitsinjo manokana ny traboina tratry ny rivodoza Chedza ao amin’ny distrikan’Avaradrano ny fikambanan’ny Vovonana india-Madagasikara (Cima) sy ny Fifankatiavana zanatany indianina eto Madagasikara (Azoi). Nozaraina ny asabotsy teo, ny ampahany voalohany teny amin’ny biraon’ny distrika Avaradrano eny Alasora. Manodidina ny 1.400 ny fianakaviana traboina ao amin’ny distrikan’Avaradrano, ary tena anisan’ny voa mafy ny ao amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy, Ambohimanga-Rova, Manandriana-Avaradrano ary Alasora.
Vary 5 t, karazan-tsakafo ilaina andavanandro samihafa toy ny paty no natolotry ny Cima sy ny Azoi, tamin’izao voin-kava-mahatratra izao. Nanatrika ny fanolorana ireo fanampiana ireo ny filohan’ny Cima, Bipine Veljee, ny filohan’ny Azoi, Mamod Zahid, ny mpiandraiki-draharaha ao amin’ny masoivohon’i India eto Madagasikara, Madan Lal Raigar. Teo koa ny avy amin’ny sampandraharaham-panjakana samihafa sy ny BNGRC.
Njaka A.
Cet article Avaradrano : nanampy ny traboina ny Cima sy Azoi est apparu en premier sur NewsMada.