Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

« Dzama Mihisa 2015 » : nafana na nisy orana aza

$
0
0
DZAMA

Nanalefaka ny fitaintainan’ny mponina noho ny rano niakatra nateraky ny orana nijojo tao Toliara ny « Dzama Mihisa 2015 ». Hetsika maimaimpoana, nentina nampifaliana ny mponina, nandritra ny faran’ny herinandro teo io. Tamin’ny ankapobeny, tratra ihany ny tanjona na nosembanin’ny andro ratsy aza ny hetsika. Tao anatin’ny orambe tanteraka, izay tsy nahazatra an’i Toliara mantsy, ny hetsika nandritra iny faran’ny herinandro iny. Mbola afaka nanatontosa ny seho araka ny tokony ho izy i Big Mj ny zoma, ary tonga maro nitsinjaka ny mponina teny amin’ny Jardin de la Mer. Tsy nisy nahafanana nilanonana intsony kosa ny asabotsy, satria tsy niato mihitsy ny rotsak’orana. Voatery najanona ny fampisehoana saika hataon’i Lôla. Tsy nofoanana anefa, fa natambatra ny alahady, niaraka tamin’i Stéphanie izany. « Naroso tamin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana ny alahady, amin’zay afaka nisehatra i Lôla sy Stéphanie. Isaorana ny mpanakanto nanaiky ny fandaminana, fa tena isaorana koa ny mponin’i Toliara nifety, na dia teo aza izany rehetra izany », hoy ny nampitain’i Rado Romeo, anisan’ireo mpanentana ny « Dzama Mihisa » niaraka tamin’i Rado Djo. Any amin’ny faritra hafa indray ny fotoana manaraka, tsy ho ela.

Zo ny Aina

Cet article « Dzama Mihisa 2015 » : nafana na nisy orana aza est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles