Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Indray mijery

$
0
0

 Voafidy ho filoha lefitry ny fikambanan’ny Croix rouge aty amin’ny tany mampiasa ampahany na manontolo amin’ny teny frantsay ny filohan’ny Croix rouge malagasy, Rakotondranja Claude. Mandritra ny fivoriana any Gabon, nanomboka ny alatsinainy teo no nanapahana izany. Maharitra efa-taona ny ipetrahany eo amin’io toerana io. Tompbony ho an’i Madagasikara ny hahafantaran’ny sehatra iraisam-pirenena ny Croix rouge malagasy. Marihina fa manampy amin’ny fitadiavana mpamatsy vola ity fikambanan’ny Croix rouge ity.

 Hivoaka amin’ny volana marsa izao ny lisitr’ireo mpampianatra Fram hampidirina ho mpiasam-panjakana raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miisa 10.000 ireo mpampianatra horaisina amin’ity taona 2015 ity. Ho mpiasam-panjakana ara-dalàna izy ireo mialoha ny taom-pianarana 2015-2016. Tsiahivina fa efa nisy mpampianatra 10.000 noraisina ho mpiasam-panjakana tamin’ny taon-dasa. Mikasa ny handray mpampianatra vaovao isan-taona ny fanjakana, raha ny fampanantenana hatrany.

Cet article Indray mijery est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles