Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Traboina : nanolotra 15 tapitrisa Ar ny Star

$
0
0
Star 15 - Copie

Nandray anjara amin’ny tolo-tanana ho an’ny traboina koa ny Vondrona orinasa ao anatin’ny Star, ny faran’ny herinanadro teo teny Anosy. Nitentina 15 tapitrisa Ar ny sora-bola natokana hanampiana ny traboina eto Analamanga, Manakara ary Vohipeno. Natolotry ny talen’ny mpiasa ao amin’ny orinasa, Ramonjavelo Valéry, tamin’ny mpandrindra ny BNGRC, Lomotsy Ludovic ny fanampiana. Vary 3 t, siramamy 500 kg, menaka 400 litatra, legioma maina 1 t. Mbola hitohy anio ny hetsika ho an’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Hanolotra vary 2 t, siramamy 500 kg, menaka 400 litatra, voamaina 500 kg ho an’ny mpiandraikitra ny BNGRC any an-toerana ny mpitantana ny orinasa Star hozaraina amin’ireo traboina vokatry ny rivodoza Chedza farany teo.

Ho mariky ny fiaraha-mientana amin’ny traboina ny hetsika izay manaporofo fa orinasa tomponandraikitra izy ireo. Manana tetibola manokana ho an’ny lafiny sosialy ny orinasa, indrindra ho an’ny fahasalamana sy ny fanabeazana, araka ny fanazavana azo.

Vonjy     

Cet article Traboina : nanolotra 15 tapitrisa Ar ny Star est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles