Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Temandrota : maneho ny hasin’ny lamba

$
0
0
TEMANDROTA10FEV

 Mibahan-toerana ny lamba sy ny tontolony (famoronana, filatroana, sns), mandritra ity volana febroary ity, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM). Amin’ireo hetsika samihafa ireo, manana ny mampiavaka azy ny fampirantian’i Temandrota ireo kanto araka endrika amam-bika, manomboka androany hatramin’ny 28 febroary izao.

Asongadiny fa tsy afa-misaraka amin’ny olombelona ny lamba ary manana ny hasiny, indrindra, ho antsika Malagasy. “Sady malemy no mafy ny lamba. Malemy izy rehefa tsapaina, mafy kosa satria natao hiaro amin’ny hatsiaka. Na maty aza isika, mbola tsy afa-misaraka amin’ny lamba, izay hifonosana”, hoy ny fanazavan’i Temandrota.

Ankoatra ireo, azo itarafana ny hasin’ny lamba ihany koa ireo ohabolana sy fanoharana malagasy, raha ny fomba fijerin’ity mpanakanto ity. “Ny teny toy ny salaka, izany hoe, lamba… Ny fitiavana toy ny sora-jandina. Lamba ny zandina… Midika ireo fa manan-danja ny lamba”, hoy hatrany i Temandrota.

Raha izay ny ara-kevitra, mihoatra ny “fenitra” apetraky ny maro ity mpikanto araka endrika amam-bika ity amin’ny fampiasana ny lamba. Andaniny, atosany eo ambony lamba ny aingam-panahiny amin’ny fandokoana. Ankilany kosa, etezany na ampiarahiny amin’ny akora hafa ny lamba mba hanome kanto hafa mihitsy. Anisan’izany, ohatra, ny sokitra miaraka amin’ny lamba.

Tsara ny manamarika fa efa nampiasaina avokoa ny akora kirakirain’i Temandrota. “Izany dia hanehoana fa maha kanto ny zavatra anankiray ny fananany tantara, izany hoe, ny zavatra nampiasana na nisy azy teo aloha. Mitohy foana io tantara io na tsy hampiasaiko intsony aza ilay akora”, hoy izy.

Landy R.

Cet article Temandrota : maneho ny hasin’ny lamba est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles