
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena faharoa ny faran’ny herinandro teo. Taksiborosy iray avy any Ambatondrazaka no saika nivarina tany anaty hatsana…
Nieren-doza ireo mpandeha rehetra tao anatin’ilay taksiborosy. Araka ny loharanom-baovao voaray, teo amin’ny PK 37 tsy hidirana an’i Toamasina no nitrangan’ny loza io asabotsy maraina io. Voalaza fa taksiborosy an’ny kaoperativa iray mampitohy an’Ambatondrazaka sy Toamasina ity namoa-doza ity. Namantana avy hatrany tamin’ny vodihazo lehibe iray ao anaty fiolahahana mampidi-doza ilay taksiborosy raha iny nandeha mafy iny. Soa fa nisy ilay vodihazo fa raha tsy izany nivarina tany anaty hantsana ny fiara, raha ny filazan’ireo mpandeha.
Raha ny fanazavan’ny mpamilin’ny fiara, noho ny torimaso efa tsy zakany intsony no nahatonga ny loza satria tratry ny torimaso fotsy tampoka izy teny ambony familiana. “Efa efatra andro sy alina izahay no nanala iny RN 44 iny. Tsy nisy natoriana mihitsy. Tsy namela hatory rahateo ireo mpandeha nony nahazo ny godorao fa maika ny te ho tonga, kanjo tratry ny tsy nampoizina”, hoy ilay mpamily.
Avotra avokoa ireo mpandeha ary tsy nisy ny aina nafoy na naratra. Ilay taksiborosy no nahitana fahasimbana noho ny dona mafy nahazo azy. Niparitaka ihany koa ny entan’ny mpandeha.
Avy amin’ny torimaso tampoka eny ambony familiana, matetika, no mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ka tokony hitandrina ny mpamily na eo aza hamehana satria tandrevaka kely dia mety hamoizana aina.
Sajo sy J.C
Cet article Resin-tory ny mpamily : nitsoraka tany anaty ala ilay taksiborosy est apparu en premier sur NewsMada.