
Fantatra izao, araka ny fanazavana avy amina tompon’andraikitra iray misahana ny fizahana fiara, fa efa lany “visite technique” tamin’ny volana oktobra 2014 ilay kamiaobe nahavanon-doza teny Faravohitra ny alahady teo. Voalaza fa tsy nisy fikojakojana mihitsy ilay fiara, ka izany no nitarika ny loza afakomaly iny. «Tsy fantatra na lany ihany koa ny fiantohana azy io na tsia fa mandeha ny fanadihadiana momba izany », hoy ny fanazavana.
Voalazan’ny ao amin’ny Samva ihany koa fa tsy misy idiran’izy ireo iny loza iny. Ny tompon’ny fiara no tompon’andraikitra amin’izany satria nambara fa « prestataire de service » ilay kamiao. Fantatra kosa anefa fa nandray anjara amin’ny fitsaboana ireo naratra ihany ny Samva. Maneho ity tranga ity fa maro ireo fiara ampiasain’ireo sampandraraham-panjakana tsy manara-dalàna. Iza tokoa ny mpitandro filaminana hisava ireny fiara mpitaona fako ireny raha ara-dalàna? Eo ihany koa ny fampanarahan-dalàna ireny kamiao tsy ho afa-miasa amin’ny antoandro. Na tsy misy ilay lalàna mandrara izany, na tsy misy miraharaha izany.
Yves S.
Cet article Kamiao nitera-doza teny Faravohitra : «Efa lany visite technique hatramin’ny taon-dasa » est apparu en premier sur NewsMada.