Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Tselatra

$
0
0

Taolan’olona mampiahiahy no hitan’ny olona tao amin’ny fokontanin’Ankorondrano, kaominina Tsiafahy, ny asabotsy teo. Taolam-paty miisa 25 eo ho eo ireto hitan’ny olona ireto, raha ny fanazavana voaray. Tsy nisy vaky fasana anefa teny amin’ny manodidina ny toerana nahitana ireo taolana marobe ireo. Tonga teny an-toerana nanao fizahana ireo taolana marobe ny zandary sy ny dokotera. Nalevin’ny fokonolona avy hatrany ireo taolana ireo.

 Nanao atrikasa eto Antananarivo, nanomboka ny 9 febroary ka hatramin’ny zoma 13 febroary izao ao amin’ny Cercle Mess Soanierana ny Center for Civil-Military Relations na CCMR (Foibe mandalina ny fifandraisana eo amin’ny sivily sy miaramila) eo ambany fiahian’ny Masoivoho Amerikanina. Lohahevitra lehibe dinihina mandritra ny herinandro ny fanalefahana ny loza mety hitranga, ny fifandraisana eo amin’ny sivily sy miaramila, ny raharaham-bahoaka, ny  filaminana eny an-dranomasina sy ny anjara asan’ny mpitandro filaminana ary ny fiandraiketana ny loza mitranga. Manam-pahefana avy amin’ny fitondram-panjakana, sivily sy miaramila ary ny fiarahamonim-pirenena no mandray anjara amin’izao atrikasa izao.

Cet article Tselatra est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles