Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trafikam-biby : «Hippocampes» 19.000 avy aty Madagasikara sarona tany Roissy

$
0
0
trafika

Karazam-biby an-dranomasina antsoina hoe « Hippocampes » no sarona tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Roissy Paris, ny alakamisy lasa teo, araka ny fanambaran’ny mpiasan’ny ladoany any an-toerana, omaly. Mahatratra 19.000 ny isan’ireo bibikely ireo, izay biby voaaro, izao tratra nokasaina aondrana izao. Voalaza fa avy aty Madagasikara ireo biby ireo, ary saika hoentina any Hong Kong. Efa maina tsy misy rano intsony ireo karazam-bibin-dranomasina ireo, natao tao anaty entana. Mitentina 200.000 Euros, anjatony tapitrisa amin’ny volantsika ny vidin’izy ireo. Vao ny 15 janoary teo no nahatratra “Hippocampes” 112 efa maty tany Paris ihany. Mpivady sinoa avy any Shanghai no nitondra izany. Voalaza fa anaovan’ny Sinoa fanafody nentin-drazana ireo bibikely ireo. Vidiany lafo mihitsy ary amidy lafo ihany koa noho izy io entina itsaboana sy anomezana hery. Mandeha ny fanadihadiana ireo olona tratra nitondra ireo “Hippocampes”.

Yves S.

Cet article Trafikam-biby : «Hippocampes» 19.000 avy aty Madagasikara sarona tany Roissy est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles