
Tsy nisy lanonana nanamarihana mivantana ny fahatsiarovana ny diaben’ny tolom-bahoaka tamin’ny 10 aogositra 1991 ny andro omaly. Efa an-taona maro rahateo no nanadinoan’ny fitondrana nifandimby io vaninandro io ary nihanangatsiaka koa ny fahatsiarovan’ny mpandray anjara izany, taty aoriana.
Mpitarika hetsika fanamarihana ny 10 aogositra, isan-taona, ny filohan’ny antoko Masters, Ramaroson Alain izay isan’ireo lohany tamin’ny “Hery velona” mpanao fitakiana tamin’izany fotoana izany. “Mitady hiverina ny tantara ankehitriny satria manomboka iainana ny notoherina tamin’ireny fotoana ireny”, hoy izy, omaly. Nosinganiny manokana, nandritra ny resaka nifanaovana taminy, ny fanapenam-bava sy fandrahonana orinasa fanaovan-gazety miseho ankehitriny izay niadiana tamin’izany, ankoatry ny fiahiahiana hala-bato tamin’ny fifidianana.
Niantso ny hambom-pon’ny olom-pirenena tsirairay, hanome hasiny ny fitiavan-tanindrazana, io mpitari-tolona tamin’ny 1991 io. Hahafaha-misoroka ny fiverenan’ny hadisoana nampisy disadisa tamin’ny mpitondra sy ny vahoaka, hoy izy, ny fahatsiarovana ny tantara nisy ka tsy tokony ho kosehina. Notsiahiviny fa vaindohan-draharahan’izay mitondra firenena eto ny hamongotra ny fahatsiarovana ny tolom-bahoaka nisesy toy ny 1 aprily 1971, ny 13 mey 1972, ny 10 aogositra 1991 sy ny sisa.
Nisafidy ny hangina aloha aho ankehitriny, hoy ihany izy, fa tsy maintsy hipoaka ny marina mikasika lafin-javatra maro eto amin’ny firenena ka mety hampitroatra ny vahoaka. Tsy afa-nanamarika ity fotoam-pahatsiarovana ity ny tenany, omaly, satria tsy teto an-drenivohitra.
Manou