![tsymitsinjo.jpg]()
Ho an’ny Sehatra iombonana ho an’ny fananan-tany, tena manome tombontsoa ny Malagasy ny voafaritry ny volavolan-dalàna ny 26 mey teo. Novain’ny fanjakana indray anefa izany, ary nanaiky ny tsindry nataon’ny mpiasan’ny fananan-tany ny 5 aogositra teo.
Tsy mety milamina! Nihaona tamin’ny mpanao gazety, omaly ny Sehatra iombonana amin’ny fananan-tany (Sif). Nanotrona azy ireo koa ny fikambanana fiaraha-monina sivily sy ONG maro, toy ny AVG, ny CNPFDH, ny Fekritama, ny FVTM, ny Fifata, ny FBM-KMF-Cnoe, ny Haona Soa, ny ONG isany, Efa, Fiantso, Lalana, Saha, sns.
Tsy eken’izy ireo ny nanovan’ny fanjakana indray ny Politikan’ny fananan-tany (LPF), efa voarafitra ny 26 mey teo. Antony, nilefitra teo anoloan’ny tsindry nataon’ny mpiasan’ny fananan-tany, tamin’ny alalan’ny fitokonana nandritra ny roa volana ny fanjakana, ka namoaka fanapahan-kevitra indray ity farany ny 5 aogositra teo fa hiara-midinika amin’ny teknisianin’ny fananan-tany ny hanovana azy indray.
Vao vita fifidianana
Manoloana ireo, toherin’ny Sif ny hanovana ity LPF ity, satria efa mitsinjo ny fahafahan’ny Malagasy mitompo ny tany jariany ny lalàna tamin’ny taona 2005, nanombohana nanavaozana ny lalàna, ary notohizan’ilay nivoaka tamin’ny 26 mey 2015.
Nilaza ny mpandrindram-pirenena ny Sif, Raparison Eric, fa anisan’ny zava-dehibe nivoitra tamin’izany ny fanomezana ny kara-tany zarain’ny Birao ifoton’ny fananan-tany teny amin’ny kaominina, manamarina ara-panjakana ny fitompoan’ny Malagasy nanajary ny tanim-panjakana. Nanaiky izy fa nisy ny lesoka nataon’ny ben’ny Tanàna, saingy tsy tokony ho ny lalàna no novaina fa misy ny lalàna ara-pitsarana manasazy ireo meloka. “Etsy ankilany, vao vita fifidianana isika, ary voafidy ho lanim-bahoaka ny ben’ny Tanàna, ka aiza ny tena endriky ny fitsinjaram-pahefana tena izy”, hoy ihany izy.
Amin’ny Sif, miverin-dalana ny fanavaozana ny fananan-tany sady tsy manome tombontsoa ny fahazoan’ny Malagasy ny tany. Antony, mitaky ny tsy maintsy hanovana ny kara-tany ho titra ny mpiasan’ny fananan-tany. Iaraha-mahalala anefa ny dingana lava sy handaniana volabe vao mahazo titra, ary mazava ho azy fa tsy maintsy ny manam-bola sy ny vahiny ihany no hahazo ny tany, fa tsy ny malagasy maro an’isa velively. “Tsy hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena izany satria ny Malagasy no manajary ny tany”, hoy ny filohan’ny Sif, Randrianomenjanahary Haingoharison.
Tsy marina fa tsy noresahina ny teknisianina
Nanitsy koa ny mpandrindra nasionalin’ny Sif, fa diso ny filazan’ny mpiasan’ny fananan-tany hoe tsy noresahana sy tsy nifampidinika tamin’ny famolavolana ilay lalàna ny 26 mey 2015. Nanatrika hatrany izy ireo nandritra ny fifampidinihana rehetra niaraka taminay ao amin’ny fiarahamonina sivily.
Nanamarika koa ny Sif fa anisan’ny niady ny hampitovian-jo ny lentan’ny teknisianin’ny fananan-tany (sokajy 8) amin’ny mpiasam-panjakana ambony hafa. Nahavariana anefa fa nilefitra tamin’ io fitakiana io indray izy ireo.
Nanamafy ny solontenan’ny Sif avy any amin’ny faritra, fa tsy mahazo tombontsoa amin’ity lalàna vao havaozina ity mihitsy ny any amin’izy ireo, toy ny olana amin’ny ady tany any Taolagnaro, ohatra. Tsy mahalala ny tantaran’ny toerana misy olana ny ben’ny tanàna, hany ka izay manam-bola sy ny vahiny ihany no mahazo ny tany.
Randria