Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70329 articles
Browse latest View live

Nosy Be : hamafisina ny fanaraha-maso ny aro loza an-dranomasina

$
0
0
nosybe

 Hanomboka amin’ity herinandro ity ny Festival Donia any Nosy Be. Betsaka ny fifamoivoizana an-dranomasina mampitohy an’Ankify sy Nosy Be. Manoloana izany, mandray fepetra henjana ny APMF ( Agence portuaire maritime et fluviale ) manara-maso ny fitaterana an-dranomasina.

Tanjona ny tsy hisian’ny loza an-dranomasina. Zahana manokana ny aro loza rehetra, toy ny salotr’aina (gilet de sauvetage) ho an’ny mpandeha, famonoana afo, fanafody ho an’izay marary tampoka, taratasin’ny sambo, lanja vofetra azo entina.

Ankify, seranan-tsambo iray 18 km miala eo Ambanja, mankany Nosy Be. Tao anatin’ny tetikasa PIC (Pôle intégrée de croissance) tany Nosy Be, nanamboarana io seranan-tsambo io, nampisarahana azy tamin’ny tsena sy nanavaozana ny fotodrafitrasa manodidina, vita tamin’ny oktobra 2014. Manana ny biraony manokana ny seranan-tsambo handraisana feno ny anaran’ireo mpandeha mialoha ny hiondranana mankany Nosy Be. Mifameno ihany koa ny asan’ny APMF sy ny mpitandro filaminana, misava ireo entana rehetra aondrana ao anaty sambo.

Marihina anefa fa tsy miavaka amin’ny asa fanaraha-maso fanao isan’andro ny asa atao mandritra ny Festival Donia, fa vao mainka hamafisina noho ny fahamaroan’ny mpandeha”, hoy ny maître de quaie eo Ankify, Nicomed, avy amin’ny APMF. Eo amin’io seranan-tsambo io, maro ny karazan-tsambo mpitatitra, 200 mahery ireo sambo madinika (vedettes), miampy baka lehibe telo, mitondra mpandeha 150 sy mahazaka fiara, anisan’izany ireo kamiao mpitatitra entana.

Miara-miasa ny PAF sy ny APMF

Toy izany koa ny asa atao momba ny fanaraha-maso amin’ny fitaterana an-dranomasina eo Nosy Be, miara-miasa amin’ny PAF (Police de l’air et des frontiers) ny APMF. Miasa mandritra 24 ora ny PAF ao Nosy Be, misava taratasy sy entan’ireo mpandeha, vahiny na malagasy. “Sady enjehinay ny asa eny amin’ny seranam-piaramanidina sy amin’ny seranan-tsambo. Tamin’ny Festival Donia 2014, mpandeha 2050 ny avy any Ankify fotsiny niditra teto Nosy Be, ka hitanareo amin’izany fa tsy mora ny fanaraha-maso. ”, hoy ny lehiben’ny PAF ao Nosy Be, Tovolahy Odin, nisaotra ny APMF amin’ny fiaraha-miasa, indrindra ny hitohizan’izany, tsy amin’ny vanim-potoan’ny fety ihany fa mandavantaona.

R.Mathieu


MinFop : hisy zaikabem-paritra

$
0
0
fop

Rariny ary tena ilaina ny hisian’ny zaikabe manoloana ireo mpampianatra iray alina isa horaisina mpiasam-panjakana. Mbola zavontany koa ireo mbola mandray tambin-karama fotsiny. Ao ireo mbola tena zakain’ny Fram ny karamany.

Fanirian’ireto sokajy roa farany ny mba hosahanin’ny MinFop toa iretsy voalohany. Miparitaka be sy marolafy ny mpiasam-panjakana. Araka ny fantatra, hisy ny zaikabem-paritra. Hitrotro ny zaikabem-pirenena izany aoriana araka ny fanazavana.

Ao Ambatondrazaka, efa ny talem-paritra vaovao, Andriantahina Solofomalala, no miasa amin’izao fotoana. “Tsy mipetraka tsara ny fifaneraseram-baovao ato amin’ity departemanta ity nefa ihaonan’ny minisitera rehetra izy. Misy mpiasam-panjakana avokoa any amin’ireny toeram-piasana ireny”, hoy ity tompon’andraikitra ao Alaotra-Mangoro ity.

Miteraka fahavoazana lehibe izay tsy fifaneraseran’ny vaovao izay. Niasa tany ambanivohitr’Ikongo ny manoratra ity lahatsoaratra ity ary vavolombelona nahita fa telopolo taona niasana ny mpampianatra iray mbola mpiana-draharaha(stagiaire) …

Nisy koa ireo nanary ireo didim-pitondrrana sasany niakarany zanatohatra (echelon) nefa handeha hisotro ronono. ..

Làlana tsy maintsy omban’ireo antontan-taratasy fotsiny izy ity, raha ny fiheveran’ny sasany azy. Malaza ny minisiteran’ny Vola: ao ny hozatry ny fiainana. Nefa anie mitovy sata aminy io ny MinFop, ho an’ny mpiasam-panjakana. Ny fikirakirana ny antontan-taratasin’ny mpiasam-panjakana raikitra sy fatorana fifanekena araka asa ( contractuels) dia ahitana lafiny roa. Ao ny lafiny ara-pitondrana. Ny antsasak’io dia ao amin’ny MinFop avokoa. Eo koa ny lafiny ara-bola. Ireo efa mpiasam-panjakana raikitra dia efa eo ny lalàna 2003/011. Fa eo koa ireo tsy sahanin’io lalàna io mihitsy.

 Rarivo

CCesca : niavaka ny antsan’ny AAMA Gospel

$
0
0

Taorian’ny seho nataon’ny AAMA tany Parisy, Soiso, La Réunion, ary Afrika Atsimo, nitohy teto an-drenivohitra, nitohy tetsy amin’ny Cc Esca izany ny faran’ny herinandro lasa teo. Niavaka ny seho hita, satria nanakoako ny feon’ny ara-pilazantsara. Nientana ny iray trano, naheno ny feomangan’ireo tanora marobe.

 

Anatin’ny herinandro, in-droa amin’ny ankapobeny no miaka-tsehatra ny Akon’ny Antsivan’ny Maritiora Ambodiafontsy na ny (AAMA). Feno ny fandaharam-potoana. Azo lazaina fa hanjakan’izy ireo amin’izao fotoana izao ny tontolon’ny fitoriana Filazantsara an-kira eto amintsika sy any ivelany, raha tsy hilaza ny fivoahan-dry zareo tany Parisy, Soiso, La Réunion, ary Afrika atsimo… Niantsa tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Esca Antanimena ny AAMA ny sabotsy tolakandro teo, izay notahirin’Atoa Rajoelison Hery rehefa nahazo Fanasana avy amin’ny Antoko Mpihira Antsan’ny Fanantenana na ny (AMAF), avy ao amin’ny Fjkm kristy Fanantenana Antohomadinika. Mankalaza ny faha-15 taonany mantsy ireto farany, ka isan’ny hetsika goavana tafiditra anatin’ny fankalazany izy io. Nihazo an’Antsirabe indray izy ireo omaly, araka ny fanasan’ny fiangonana Fjkm Miarinarivo Betafo Filadelfia. Ao amin’ny Fjkm Ambatolampy ny tarika hanohy ny fitetezam-paritra ny herin’andro manaraka. Nambaran’Atoa Faly, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Antoko AAMA Gospel fa « misokatra amin’ny fiangonanana rehetra, ary mitory ny filazantsaran’i Kristy izy ireo. Ny seho tanterahanay dia maimaipoana avokoa , amin’ny endrika hafa no hanampianay ny Fiangonanana manao ezaka », hoy izy.

Faran’ny herinandro an-tsary

$
0
0
HIRAGASY

Notanterahin’ny tarika Dadalora niaraka tamin’i Fredy Kely sy Rasoalalao Kavia tokoa ny fanamby napetrany. Nafana ny hiragasy tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Samy niaro ny laza sy ny voninahitra efa ananany ny tsirairay. Kabary, zanakira, renihira, samy nankasitrahan’ny mpijery avokoa. « Raha ireny no santatra azo lazaina fa nahomby satria tonga maro ihany ny olona. Isaorana ny mpanohana sy mpankafy hiragasy », hoy i Dadafara. Miandry ny andiany manaraka indray ny rehetra !

Kanto hafakely ! Ankoatra ny fahaizany maka sary, nampatsiahy sy nampitamberina zavatra maro tamin’ireo tonga nanatrika ny seho teny amin’ny AFT ny faran’ny herinandro teo i Hugues Vassal. Sarin’ireo mpanakanto fahiny toa an-dr’i Edith Piaf, Georges Branssens, sns. Narahiny fanazavana avokoa ireo sary rehetra nalainy tamin’izany fotoana izany. Tantara fonosin’ny sary sy ny zava-nitranga. Ny antony nakany ny sary, sns. Narahiny hira teny antsefantsefan’ny fandefasana ny sary pika nalain’i Vassal, hany ka liana tanteraka ireo tonga teny an-toerana.

Nanatontosa : Hervé Chris – HaRy – Tiana

Transport terrestre : les prix révisés à la baisse au Fasan’ny Karana

$
0
0
TAXI-BROUSSE

 Bien que l’on soit en belle période du trafic terrestre, de la praticabilité des routes et le moment où les usagers commencent à effectuer leurs périples, les tarifs du transport sont bradés par les coopératives du stationnement du Fasan’ny Karana. La rareté des clients en est la principale cause citée. « Remplir les taxis brousses devient une tâche hasardeuse, et il m’est difficile actuellement de joindre les deux bouts », nous a affirmé samedi dernier un rabatteur.

Suivant donc la loi de l’offre et de la demande, les coopératives sont obligées de rabaisser leurs tarifs allant jusqu’à plus de 40 %, et cela à l’exemple des lignes qui rallient la capitale vers Toliara. Si le prix normal est de 52.000 Ar., une coopérative descend jusqu’à 30.000 Ar., compétitivité aussi oblige. Il en est de même pour celles qui desservent Antsirabe avec une offre descendant à 5.000 Ar. au lieu de 8.000 Ar. comme d’habitude. Ce phénomène n’est pas étonnant avec l’existence de plus de trentaine de coopératives desservant l’axe Tana-Antsirabe, ainsi que les deux cent voitures y circulant quotidiennement, sans parler des gens opérant dans le secteur informel.

Seules les coopératives de transport qui officient du côté de la RN1 ont maintenu leurs frais de 9.000 Ar. pour Tsiroanomandidy, 5.000 Ar. pour Analavory, 4.000 Ar. pour Miarinarivo et 1.500 Ar. pour Arivonimamo. Selon ces dernières, la dernière hausse enregistrée remonte en 2009.

 Sera R.

Brèves

$
0
0

  Aérodrome d’Antsirabe

 De source auprès du ministère du Tourisme, des transports et de la météorologie, les travaux de réhabilitation de l’aérodrome d’Antsirabe avancent à grand pas. La piste, d’une longueur de 1.200 mètres pour 25 mètres de largeur, est entièrement couverte de bitume. Il reste à faire le branchement de l’électricité venant de la Jirama ainsi que l’installation des infrastructures d’assainissement.

 Enseignement

 De source auprès du ministère de l’Education nationale, la rentrée administrative pour la prochaine année scolaire (2015/2016) est prévue pour le 21 septembre si le début des cours est prévu pour le 5 octobre. Quant aux grandes vacances, elles commenceront le vendredi 17 juillet pour cette année scolaire 2014/2015.

Conseil des ministres de la COI 

 Les ministres des Affaires étrangères des Etats membres de la Commission de l’océan Indien (COI) dont les Comores, l’île Maurice, les Seychelles, La Réunion et Madagascar observeront le Conseil des ministres de la COI à partir de ce jour jusqu’au 20 mai prochain à l’hôtel Carlton Anosy.

Tim : un congrès sur fond de propagande

$
0
0

 Les membres du Tim seront en congrès national le 22 mai prochain à Tanjombato. Parmi les points importants à discuter durant cet événement figure le renouvelement du bureau national du parti. Mais quoi qu’il en soit, ce congrès sera une nouvelle occasion pour le parti de Marc Ravalomanana d’occuper le terrain médiatique.

Une suite logique de la démarche initée par son fondateur depuis qu’il a retrouvé une liberté de mouvement, accepté par le président de la République. L’ancien chef d’Etat a su faire parler de lui à partir de ce moment-là pour ne citer que sa présence dans un spectacle musical dernièrement.

Cette fois-ci, ce sera le parti proprement dit qui sera mis sur le devant de la scène avec la présence de plus de 3.000 membres venus des quatre coins de l’île. Et, cérise sur le gateau, la présence de tous les candidats du parti aux communales.

Avec les nouvelles dispositions sur le bulletin unique, le nom du parti politique est la seul identification valable. Ainsi, la présence de milliers de personnes arborant la couleur du Tim dans un événement qui sera relayé par les médias, ne sera autre qu’une stratégie à visée électoral.

Le HVM, autre concurrent du Tim aux communales, a déjà effectué son congrès national d’une manière precipitée, ainsi que le Mapar encore en conflit interne, n’auront pas l’opportunité comme telle d’attirer l’attention.

Outre l’approche propagandiste de ce congrès du Tim, le possible retour de Marc Ravalomanana aux affaires retient l’attention. En laissant aux autres la responsabilité de diriger son parti, il est resté impuissant devant le conflit en interne. En vue de la présidentielle et pour cimenter la base, sa reconquête de la présidence du Tim n’est pas à écarter.

 Naisa

Politique de proximité : ouverture du MFB au public

$
0
0
DSC_0538

 Le ministère des Finances et du budget (MFB) s’ouvre au public et crée son propre forum. Cette décision a été prise dans le cadre de la politique de proximité prônée actuellement par le nouveau grand argentier du pays. Par ailleurs, une telle initiative va permettre à ce ministère d’être en phase avec l’environnement technologique d’aujourd’hui. Ce forum est déjà opérationnel et accessible à tout public.

En suivant le lien www.mfb.gov.mg/forums, les usagers atterriront sur une page qui servira d’interface, de trait d’union avec le ministère, dans laquelle ils pourront s’exprimer librement. Ainsi, ces usagers pourront partager des avis, communiquer des requêtes et/ou doléances. Les doléances doivent toutefois être appuyées par des preuves à l’appui. Ce nouveau forum a créé un réel travail de communication d’autant plus que ce ministère tient à rassurer le public quant à l’authenticité des informations fournies. Au sein de ce département ministériel, « la transparence » est dorénavant le mot d’ordre et les requêtes seront traitées comme il se doit.

Ce forum est également un nouveau domaine qui permet aux usagers de s’informer sur les actualités du MFB. Ce système de communication nouvellement mis en place entre dans le cadre de la politique de transparence et de bonne gouvernance, l’un des premiers objectifs de ce ministère.

 Dimisoa


Wikwio : quand les Tic rencontrent le monde rural

$
0
0
Wikwio

 De nombreux éléments extérieurs ravagent les champs de cultures et menacent souvent la productivité agricole. L’enherbement des parcelles en est l’un des plus devastateurs. Or, peu de personnes parviennent à identifier les adventices, plus communément connues comme « les mauvaises herbes ».

Une poignée de techniciens du Centre national de recherche appliquée au développement rural (Fofifa) et du Centre de coopération internationale en recherche agronomique pour le développement (Cirad) ont développé récemment une application mobile permettant d’identifier en quelques minutes une adventice. Cette application ne serait encore disponible que vers mi-juillet. Cependant, les initiateurs du projet l’ont présentée officiellement au public samedi dernier dans le cadre de l’atelier mensuel « Rencontre avec un chercheur » qu’organise l’Institut français de Madagascar (IFM).

« Les nouvelles technologies à la rencontre du monde rural ». C’est sur ce thème qu’Alain Paul Andrianaivo, chercheur du Fofifa et coordinateur national du projet européen « Wikwio » à Madagascar a tenu à faire connaître le produit au public. Ce technicien a expliqué que « Il s’agit d’un outil facile à utiliser et qui ne nécessite pas de connaissance approfondie en botanique. Il suffit d’identifier les caractères discriminatoires d’une plante (la couleur de la fleur, la taille, la disposition des feuilles, le port de la plante, etc.). Rien qu’avec deux ou trois caractères, on peut l’identifier tout de suite, contrairement à la méthode d’identification classique, qui consiste à déterminer les plantes suivant une suite logique. Et cela necessite une grande connaissance en botanique et beaucoup de patience ».

Certes, c’est un projet un peu ambitieux pour Madagascar actuellement. Peu d’agriculteurs pourraient encore l’utiliser étant donné que leurs moyens de se procurer un smartphone restent limités, et encore moins de l’utiliser. Mais pour le moment, les initiateurs du projet proposent son application aux organismes de développement et à tous les agents de vulgarisation agricole. Et comme l’a expliqué Alain Paul Andrianaivo, « Le plus grand avantage de cet outil est de pouvoir identifier les plantes à toutes les étapes de leur croissance. On peut l’utiliser aussi bien sur terrain, dans les champs qu’à n’importe quel endroit, au bureau par exemple. Il s’agit d’un outil d’enseignement et de formation régulièrement mis à jour ».

Le projet date des années 90 lorsque deux chercheurs passionnés de botanique et d’informatique avaient développé un logiciel d’indetification des adventices. Le développement de cette application mobile a commencé avec Adventrop, Adventoi, et bien d’autres logiciels sur une suite logique des travaux de ces deux chercheurs.

 Arh.

7.150 dossiers de candidatures dans toute l’île

$
0
0

 Les 114 Ovec répartis sur l’ensemble du territoire ont enregistré 7.150 dossiers de candidatures pour les prochaines communales. Chacun des 1.695 communes ont au moins un candidat. Le district de Mandritsara est celui qui a reçu le plus grand nombre de dossiers avec 167 dépositaires.

Huit communes n’ont par contre pu avoir qu’un seul candidat dans la course, à savoir Mahajeby (Fenoarivobe), Morarano Soafiraisana (Andramasina), Andranomisa (Anjozorobe), Andriambilany (Ambatolampy), Ambodinerana (Anosibe Anala), Andekaleka (Brickaville), Mikaikarivo (Bekily) et Sakoamadinika (Tsaratanàna). En moyenne, chaque commune compte quatre candidats.

Joint par téléphone hier, le rapporteur général de la Cenit, Fano Rakotondrazaka a affirmé que la liste officielle et définitive des candidats retenus pour la course à la mairie ne pourrait être publiée que vers la fin de ce mois. Et pour cause, plusieurs vérifications doivent encore être effectuées, en partant des Ovec jusqu’au bureau central de la Cenit, avant que cette entité chargée de l’organisation des élections puisse trancher sur le sujet.

 Arh.

Exploitation de terres rares : obtention d’un contrat de vente sur dix ans par Tantalus

$
0
0
TERRES RARES

 La compagnie allemande Tantalus Rare Earths, celle qui exploite les terres rares d’Ampasindava à Antsiranana, vient de signer la semaine dernière un contrat de vente s’étalant sur dix ans avec la société Thyssen Krupp Metallurgical Products GmbH, d’après le rapport de cette compagnie.

Selon les clauses, Thyssen Krupp achètera chaque année 30 % de la production d’oxydes de terres rares du projet, soit environ 3 000 tonnes, lorsque la production atteindra la vitesse de croisière. Par ce contrat, Thyssen Krupp acquiert le statut de distributeur exclusif en Allemagne et devient aussi un des distributeurs de l’Europe pour Tantalus Rare Earths.

8 % du marché mondial

 

D’après toujours Tantalus, Madagascar pourrait occuper 8 % du marché mondial des terres rares. En effet, cette compagnie affirme en fournir jusqu’à 15 000 tonnes annuellement, extraites de sa concession de 300 km2 située dans la région d’Ampasindava. Les réserves, d’une concentration de 0,08 %, seraient estimées à 130 millions de tonnes d’argile latéritique, si la demande mondiale pourrait doubler à 125 000 tonnes par an à partir de cette année.

Un enjeu stratégique

 

Au cours d’une interview, le mois de mars dernier, le jeune enseignant-chercheur, Faly Ramakavelo, a rappelé l’importance de l’enjeu géostratégique qu’apporte l’exploitation de terres rares à Madagascar. Du fait que la Chine est réputée pour en être la première exportatrice, environ 95 % de métaux y sont extraits. Ainsi, ce pays a réduit ses quotas d’exportation. Donc, si Madagascar effectue une alliance stratégique avec la Chine, on détient pratiquement avec elle le monopole de terres rares.

Madagascar pourra garder son indépendance dans la fourniture de ces matières. Par conséquent, le pays pourra profiter de la situation en défendant au maximum ses prix de vente et les variations s’y afférentes. Toutefois, il s’agit d’un cas très difficile à envisager avec les moyens qu’on a à notre disposition.

Une autre solution est de concéder directement l’exploitation à des tiers. Il suffit de défendre à fond nos éventuels avantages lors du contrat. Tout dépend donc de la stratégie à adopter.

 Sera R.

 Les terres rares sont utilisées pour des usages liées à l’industrie de pointe comme le matériel audio, voitures électriques, disques durs d’ordinateurs, lecteurs MP3 et bien d’autres encore.

Circoncision : la méthode à l’américaine est très en vogue

$
0
0
DSC_5436

 La circoncision « à l’américaine » est de plus en plus optée par les parents d’un jeune garçon qui doit être circoncis. Cette méthode est moins douloureuse et plus hygiénique pour l’enfant par rapport à la méthode traditionnelle qui se fait directement via une lame. Comme la circoncision est une tradition ancestrale à Madagascar, tous les jeunes garçons doivent y passer.

Le coût de l’opération varie entre 60.000 et 100.000 ariary selon le traitement. Or, tout le monde ne peut pas se permettre d’opter pour cette pratique en raison du manque de moyens financiers. C’est pour cette raison que chaque année, des associations prennent en charge les frais en effectuant une circoncision de masse. Ce sont surtout les familles démunies qui en sont les bénéficiaires dans ce cas. Par ailleurs, la commune urbaine d’Antananarivo (CUA) entame également depuis plusieurs années une circoncision collective au sein des Centres de santé de base (CSB II) de la capitale et du Bureau municipal d’hygiène (BMH) à Isotry. Pour cette année, la date de l’opération n’est pas encore communiquée. Quoiqu’il en soit, nombreux attendent ce grand évènement.

Généralement, l’opération peut se faire dès que l’enfant atteint l’âge de deux ans et demi. Elle doit être faite avant sa scolarisation. D’après le docteur Rahaja Rafalimanana, « La méthode « à l’américaine » réduit le risque de complication. Le prépuce est retiré à l’aide d’un appareil spécial doté d’une technique moderne à la capsule et au bistouri. C’est plus facile à soigner en cas de problème ».

Circoncision traditionnelle

Certaines familles préfèrent s’en tenir à la circoncision traditionnelle malgré l’existence de cette nouvelle méthode, notamment celles qui n’habitent pas en ville. Une grande festivité et une rituelle sont ainsi organisées à cet effet en rassemblant toute la famille. Tous les hommes doivent aller chercher les cannes à sucre, l’eau sacrée « Rano Mahery » et la banane. La circoncision est effectuée par un « rain-jaza » qui doit couper le prépuce à l’aide d’une lame. Le prépuce doit être avalé par le grand-père de l’enfant avec une banane. La cérémonie de circoncision se passe tôt le matin si les festivités commencent la veille. Selon la tradition, c’est durant l’hiver que doit se passer la circoncision.

Dimisoa

Maîtrise du droit de travail : formation des contrôleurs

$
0
0
CNAPS1-300x225

 Un bon contrôleur de travail qui se respecte doit maîtriser tous les textes de loi régissant le monde de travail. C’est la raison pour laquelle les contrôleurs de travail de la Caisse nationale de prévoyance sociale (Cnaps) ont suivi une formation de 10 jours dans le cadre du renforcement de leur capacité. Cette formation s’est déroulée à Antsirabe et a pris fin samedi dernier. Les participants ont été également formés sur la psychologie de contrôle du fait que ce métier leur met toujours en relation avec différents types d’employeurs.

Comme certains patrons font exprès de pas verser les cotisations sociales de leurs travailleurs, c’est là que les contrôleurs de travail interviennent en constatant cet acte illégal. Lors d’une descente auprès de chaque entreprise qui enfreint la loi, ces derniers devaient être très convaincants pour inciter l’employeur mis en cause à s’acquitter de ses obligations.  Ce sont surtout les familles du travailleur et lui-même qui sont les principaux bénéficiaires d’une protection sociale.

Ce n’est pas la première fois que les contrôleurs de la Cnaps bénéficient d’une formation. Pour le chef d’antenne de la Cnaps à Maroantsetra, Serge Florent Rainiasy, cette formation lui a permis de connaître le nouveau Code général des impôts (CGI) 2015 qu’il peut mettre en concordance avec la mission du contrôleur de travail.  L’atelier a été également une occasion de mettre sur le même pied d’égalité tous les caissiers qu’ils soient issus de la capitale ou des antennes et délégations régionales.

 Dimisoa

 

Dépôt de candidature : la négligence de l’Ovec

$
0
0
Dépôt de candidature

 Le dépôt de candidature pour les communales a été clôturé le 15 mai dernier. Selon les informations émanant de l’Organe de vérification et d’enregistrement des candidatures (Ovec), du moins pour Antananarivo, la liste des candidats retenus sera connue demain, mardi. Dans certains Ovec, cela pourrait se faire dès ce jour. Or, pas plus tard qu’hier, la Cenit a déclaré que la liste officielle et définitve des candidats ne pourrait sortir que vers la fin de ce mois.

Or, la loi relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes, précise dans son article 278 que « L’Organe de vérification et d’enregistrement des candidatures doit statuer sur toutes les candidatures qui lui sont présentées dans les soixante – douze heures de la date de réception de chaque dossier ».

Ainsi, ceux qui ont déposé leur dossier de candidature avant la date butoir devraient obtenir leur certificat d’enregistrement, s’ils sont retenus, avant ceux ayant l’effectué le 15 mai dernier qui devront attendre demain pour connaitre leur sort. Or, dans la majorité des cas, cette disposition n’est pas respectée. Tous les prétendants devront attendre les 72 heures à partir du 15 mai pour connaitre leur sort.

Certes, le non-respect de ce point n’aura pas d’impact pour les candidats d’une manière concrète, mais il l’est pour l’Ovec. En violant cette disposition, il ouvre une brèche pour remettre en doute sa fiabilité. Il tombe en plus au moment où l’Ovec doit statuer sur les candidatures, que cette négligence soit un motif évident pour les futurs recalés de le remettre en cause.

 Naisa

 

Fiaraha-miasa Malagasy-alemana : feno 20 taona ny foibem-piofanana Soltec

$
0
0
DSC_5461

 Nosokafana tamina hetsika fampahafantarana ny asany ny fanamarihana ny tsingerintaona faha-20, nisian’ny foibe fanofanana araka asa Soltec eny Mandrosoa-Ivato.

Fiaraha-miasan’ny fikambanana alemana DMV sy ny fikambanana Malagasy Avana Regenbogen, ho fitsinjovana ny tanora avy amin’ny fianakaviana sahirana sy ny kamboty, no nananganana azy ka mpiofana 2.000 no efa nandalo tao, hatramin’izao. Notsipihin’ny masoivoho alemà, Herald Gehrig, tonga nanokatra ny lanonana fa firenena manana ny ho aviny eo amin’ny ara-toekarena i Madagasikara ary làlana hahatafavoahany ny fanofanana tanora ho teknisiana toy izao. Fanehoana ny fahatsaran’ny fiaraha-miasa teo amin’ny tany roa tonta ny nahatsanganana foibe toy izao, hoy izy.

Làlam-piofanana ara-teknika valo no azon’ny mpianatra arahina ao amin’ny foibe SOLTEC, arakaraka ny masontsivana nahatafidirany tao. Misy fifaninanana ny fidirana ao amin’ny foibem-piofanana noho ny hamaroan’ny mpisoratra anarana vokatry ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreny mampiana-janaka intsony noho ny fahasahiranana, hoy ny tompon’andraikitra. Mahazo marimpahaizana ankatoavin’ny fanjakana ary tafiditra miasa amin’ny orinasa izarany (stage) miasa avokoa ny 70%-n’ny mpiofana, araka ny antontan’isan’ny foibe.

Vinan’ny foibe amin’ny ho avy ny hanitatra ny asany any amin’ny toerana hafa eto amin’ny nosy.

 Manou


Fifanampiana amin’ny mpiara-belona : hetsika fampandrosoana an’Ivato

$
0
0

 Tapa-kevitra hiroso lalindalina amin’ny fampandrosoana ny kaominina Ivato, misy ny foibeny, ny Fikambanan’ny Betsileo avy any Amoron’Imania sy Matsiatra Ambony (Fibeami), amin’izao fitsingerenan’ny taona voalohany niforonany izao.

Tarigetra voafaritra hatrany am-boalohany ny hanasoa maimaim-poana ny mpiara-monina, hoy ny filoham-boninahitra, Randrianasolo Jean-Paul, ka hisy, manomboka izao ny hetsika ara-tsosialy hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpiray firenena. Nanatanteraka didiam-poitra faobe ny fikambanana tamin’ny faran’ny herinandro teo, nikarakarana ny zazalahy teo amin’ny kaominina sy ny manodidina. Fisantarana ihany iny vita iny, hoy ny filoham-boninahitry ny Fibeami, satria hitohy ny asa ka hitety faritra ny fanaovana ity didiam-poitra faobe miaraka amin’ny mpitsabo ao anatin’ny fikambanana ity.

Nisy ihany koa ny fampitana traikefa mikasika ny fomba famoran-jaza tamin’ny mpianatra ho mpitsabo mpanampy tao amin’ny oniversite tsy miankina iray tao Ivato, nandritra io hetsika io, ho fanamafisana ny fanampiana mpiara-belona ijoroan’ny fikambanana.

 Manou

Pr Ratrema William : mametraka ny fanabeazana ho « andraikitra masina »

$
0
0
Ratrema-William1

 Any amin’ny fanabeazana ny olona no fototry ny fampandrosoana. Resy lahatra ny amin’izany hatrany ny mpanabe Ratrema William. Hanao famelabelaran-kevitra ao amin’ny ENS, Ampefiloha, momba ny maha asa masina ny fanabeazana ny tenany ny alakamisy ho avy izao.

« Ny maha andraikitra masina ny asa fanabeazana amin’ny famolavolana ny maha-olombelona feno » no hoentin’ity mpanabe sady filohan’ny vondrom-panabeazana Aceem ity amin’io fotoana io. « Misy Andriamanitra ary ny olombelona no zava-manan’aina noforoniny mba hanana atidoha tsy feno eo am-pahaterahana », hoy izy tamin’ny faran’ny herinandro teo, nanazava ny tian-koresahina. Araka ny fahitany azy, nifampizaran’ny Mpahary andraikitra ny olombelona ka nomeny fahefana hanabe sy hamolavola ny zanany mba hahafeno ny atidohany, araka izay safidiny.

Afaka manitatra ny sainy hivelatra sy mikaroka ny olombelona noho ny fanabeazana omena azy, na misy fetrany aza izany. Efa nanaovany famelabelarana sy niadian-kevitra tao amin’ny Akademia Malagasy tamin’ny febroary 2014 ity hevitra hoentiny hazavaina ao amin’ny ENS Ampefiloha ity. Efa nitantana izany sady nanofana olona ho mpampianatra sady mpanabe tao rahateo ny tenany.

 Zo. Ra.

Firotsahana ho ben’ny tanàna : 7 150 ny antontan-taratasy voaray manerana ny Nosy

$
0
0
Cenit Fano

 Tsy ho tafavoaka raha tsy amin’ny faramparan’ity volana mey ity ny tena lisitr’ireo kandidà afaka hirotsaka ho ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsainy avy. Araka ny fanazavana nentin’ny mpampaka-tenin’ny Cenit, Rakotondrazaka Fano, omaly, maromaro ny dingana lalovan’ireo antontan-taratasy firotsahana nahatratra 7 150 tany amin’ny Ovec 114.

Naharaisana firotsahana daholo ny kaominina 1 695 manerana ny Nosy. Valo tamin’ireo no tsy nisy afa-tsy kandidà tokana : Mahajeby (Fenoarivobe), Morarano Soafiraisana (Andramasina), Andranomisa (Anjozorobe), Andriambilany ( Ambatolampy), Ambodinerana (Anosibe Anala), Andekaleka (Brickaville), Mikaikarivo (Bekily) ary Sakoamadinika (Tsaratanàna).

Distrikan’i Mandritsara kosa no nahitana antontan-taratasy nirotsaka be indrindra, izay nisy 167. Amin’ny ankapobeny, efatra eo ho eo ny mpirotsaka hofidiana ben’ny tanàna isaky ny kaominina, raha natao ny salanisa.

Amin’ny faran’ny volana ny lisitra

Feno telo andro rahampitso ny fotoana ahafahan’ny Ovec mamoaka fanapahan-kevitra ny amin’ireo antontan-taratasy firotsahana azo raisina. Tsy mbola ho rahampitso anefa no hivoaka ny lisitry ny kandidà afaka mirotsaka, araka ny fanazavana avy amin’ny mpampaka-tenin’ny Cenit. Amin’ny faran’ity volana mey ity vao azo antoka ny hivoahan’ny lisitr’ireo tena ho kandidà. Hisy ny antontan-taratasy tsy azo raisina noho ny tsy fahafenoany na antony hafa, araka ny fanazavana ihany.

Nahazo taratasy manamarina naharaisana ny antontan-taratasy firotsahana avokoa ireo te ho kandidà, taorian’ny fametrahana nataon’izy ireo. Aorian’izay vao hisy ny taratasy fankatoavana ny firotsahan-kofidina. « Mbola afaka mitaraina any amin’ny Cenit foibe ireo kandidà nolavina, raha misy. Raha hita ny tsy maha-mety ireo antontan-taratasy, afaka mandà izany ny Cenit », hoy ihany Rakotondrazaka Fano. Raha tsy afa-po amin’izany ny kandidà dia mampakatra ny raharaha amin’ny Fitsarana momba ny ady amin’ny fanjakana any amin’ny renivohi-paritany enina.

Fahasarotana

Anisan’ny mety ho antony handavana ny firotsahan-kofidina ho an’ireo kandidà ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy firotsahana. Pitsopitsony amin’izany, ohatra, ny tsy fanamarinana ny sonian’ireo kandidà ao anaty lisitra na fifamadihan’ny « casier judiciaire », indrindra ny olana eo amin’ilay taratasy manamarina ny fandoavan-ketra. Tsy nazava tamin’ireo kandidà ny amin’io. Nisy ireo efa nandoa hetra hatramin’ny taona 2012 saingy nasaina nandoa fanindroany indray.

Niovaova teny antenantenam-potoana rahateo ny fepetra navoakan’ny minisiteran’ny Atitany amin’ity firotsahana ity. Na tsy ampy koa ny fanazavana nentin’izy ireo ka tsy tafita tamin’ireo kandidà. Lesoka eo amin’ny minisitera rahateo izay tsy fahampiam-baovao ho an’ny kandidà izay. Nahazo vahana, noho izany, ny antokon’ny mpitondra, izay akaiky vilany. Very ireo kandidà tsy miankina na tsy an’ny fitondrana lavitra ny Renivohitra. Marihina anefa fa mbola tsy fantatra loatra izay antoko be mpirotsaka indrindra manerana ny Nosy.

Zo. Ra.

Ambatolampy Antehiroka : tezitra amin’ny mpanao làlana ny mponina

$
0
0

 Atao sa tsy atao ? Nolavahan’ny orinasa iray mpanao làlana ny arabe any Ambatolampy, Antehiroka, roa volana lasa izay. Lalina ny lavaka natao, izay niteraka fikorontanan’ny fifamoivoizana nandritra ny andro maromaro.

Tsy niteny ireo mponina mampiasa ny làlana fa fanamboarana no hatao. Nandrasana herinandro, tsy nety vita ny làlana. Niala teny an-toerana ny orinasa nampandraiketina izany, ankehitriny. Tsy nitohy intsony ny fanamboarana rehefa nanjary lavaka be ny làlana. Tsy norakofana poti-bato akory fa navela nihanjahanja teo. Tezitra ny mponina. « Tsy matotra ny orinasa nampanaovina ny asa », hoy izy ireo. Lasa fanariam-pako vaovao ireo lavadavaka sasany. Aiza ny fanjakana nampanao ny asa ?

 Zo. Ra.

Ben’ny tanànan’Antananarivo : manohana an-dRafalimanana ny “Impact”

$
0
0
DSC_0628

 « Ho amin’ny fitoniana sy ny fampandrosoana, manohana ny kandidàm-pisokafana, Rafalimanana Hery ny fikambanana Impact ». Fanambarana nataon’ny fikambanana « Initiative malgache de propositions d’actions » tao amin’ny foiben’ny Iarivo Mitambatra, Antsakaviro, omaly, io. Nambaran’ny filohan’izy ireo, Andriamanamisata Lala fa resy lahatra amin’ny fandaharan’asan’ity kandidà ity izy ireo. Tanjona ny hisian’ny fitoniana pôlitika sy hanovana ny fomba fanaovana pôlitika. Himasoana bebe kokoa ny lafiny fihariana.

Nambaran’ny kandidà Rafalimanana Hery fa tsy natolotry ny antoko HVM akory ny tenany. « Amin’ny maha kandidàm-pisokafana anay ato amin’ny Iarivo Mitambatra, manohana anay izy ireo. Misy ato na Leader Fanilo na tanora Tim, Tgv, MTS sy ny maro hafa », hoy ihany izy. Aminy, tsy tokony hatao « ringa pôlitika » intsony Antananarivo ka ampandeferina ny hambom-po pôlitika. Tsy mamafa ny anaran’ny antoko niaviana anefa izany. Marihina fa nihaona tamin’ireo mpanohana azy tao Tsiadana ny tenany, ny faran’ny herinandro teo.

 Zo. Ra.

Viewing all 70329 articles
Browse latest View live