Fatim-behivavy iray manodidina ny 40 taona eo no hitan’ny olona tany akaikin’ny fasam-bazaha, tany Antanimasaja Ambohimandamina, Mahajanga, ny asabotsy maraina teo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy io. Notapahina roa ny vatany, ary natsipy tany anaty hantsana avy eo. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny dokotera nizaha ny razana. Mandeha ny fanadihadiana.
Taxi-be iray tapaka hisatra teny Andoharanofotsy omaly ka nandona bisikileta. Tery teo amin’ny vodirindrina ilay bisikileta fa mba afaka kosa ilay mpitondra azy. Na izany aza, naratra ihany ilay rangahy nitondra bisikileta. Difi-janahary no tsy nahafaty ilay rangahy. Ilay fiara kosa tsy nahetsika. Vokatry ny tsy fanaraha-maso ny olana ara-teknika alohan’ny hiasa ny anton’ny loza. Ny tranga toy izao no mety amoizana ain’olona maro.
Taolam-paty marobe no hitan’ny zandary tany amin’ny faritra Analanjirifo ny herinandro teo. Taolam-paty efa anjatony sarona tamin’izany. Taolan-dava avokoa ireo, izay tsy fantatra na saika hoentina aiza. Efa nisy sarona ny olona nitondra izany, mandeha kosa ny famotorana manodidina izay mety hilana ireo taolam-paty marobe.
Olona telo voasambotra noho ny fanaovana “visa” hosoka. Vehivavy iray 45 taona saika ho any La Réunion no tratra tamin’izany. Teratany kaomorianina roa lahy ihany koa sarona, izay mpanamboatra “visa” hosoka ihany koa. Vehivavy iray hafa 55 taona koa mbola voasambotra tamin’izany.