Manao tohy vakana ny fametrahana antontan-taratasy filatsahana amin’ny fifidianana kaominaly. Firy andro teo aloha anefa dia nitango lalitra fotsiny sanatria ireo tompon’adidy mpanangona ny taratasy manambara filatsahana, tamin’ny andro farany lasa filaharam-be teny amin’ny toerana sasantsasany. Maro hono no efa ela no vonona tsara rafitra ny pitsopitsony rehetra momba ny taratasy fanamarinana na eo amin’ny maha olom-pirenena madio eo anoloan’ny fitsarana, nanefa adidy eo amin’ny fandoavan-ketra… Dia ny rehetra ve no azon’ny fitavozavozàna sady tsy taitra no tsy maika. Ao kosa angamba raha hafa. Tsy ampy fatokisana ny fanjakana ny maro, tsy vitan’ny leom-boan’anana ka tsy tia hiherika zava-boribory, efa nahita matetika fanafoanana fididianana fara-fotoana, fa ambonin’izany nahatsikarika hetsika sy fepetra mampiahiahy noraisin’ny fitondrana, fomba fanao toa maramara toy ny samy mifono fandrika avokoa.
Misy milaza fa tsy vao izao no nitranga izany tsy fifampitokisana izany rehefa tonga ny fifidianana, fahendrena anie ny fahamalinana rehefa fifaninanana no atrehina, nefa tsapa fa mitombo hatrany izany ny antony angamba dia ny fiitaran’ny hafetsifetsena, ary na samy fetsy aza ny mpitondra izay manana ny fahefana sy fitaovam-panjakana eo am-pelantanany no afaka hanararaotra bebe kokoa. Mbola miverina eo amin’ny lalàna sy ny fampiharana azy ity ihany ny resaka, izany dia lasa resaka miverimberina, tsotra ihany anefa ny valin’izany, na hiholan-kavia na havanana, na ho raisina ambony na avy any ambany, tsy misy afa-tsy ny fahamatoran’ny fampiharana ny lalàna ihany no vahaolana. Rehefa mipetraka mazava ny fepetra rehetra hatrany am-piandohana ka mijoro tsy mitongilana ny sampana mpanara-maso izay tsy miankina ary manam-pahefana amin’ny fiarovana ny fitsipika, no vita rary azo ametrahana toky ny fampitana ny vokatra, dia afaka misosa am-pilaminana ny fifidianana izay azo ametrahana fitokisana fa tena izy ny valiny. Na inona na inona fitongilanana sy fakampanahy hiaro ny andaniny na ny ankilany, dia sarotra ihany no handà fa tsy lavorary ny fanomanana tamin’ity indray mitoraka ity. Ny didy sy ny fepetra rehetra ara-dalàna efa voalaza fa any am-piandohana dia tokony efa napetraka hatramin’ny pitsopitsony rehetra. Aiza ka na ny “prefet” tompom-pahefana mpametra ny isan’ny mpanolotsaina ho fidina isaky ny kaominina ao amin’ny Faritra feheziny aza tsy notendrena raha tsy efa fara-fotoana, ny fisehoan’ny biletà tokana tsy nampahafantarina raha tsy efa ambivitra… Porofon’ny tsy fahaiza-manao daholo izany, na tsy firaharahiana na tetika fanakorontana ny sain’ireo mpifaninana, mamenatraka fisalasalana vao sahy naseho masoandro.
Léo Raz