Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70299 articles
Browse latest View live

Basy vava sy vava basy…

$
0
0
indraim-bava

Lainga sy basy… Izany, hono, rey olona, ny politika, araka ny fiheveran’ny maro amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Basy vava amin’ny fampandriana adrisa tsinona ny mpanao politika sy ny mpitondra, manao fampanantenana poakaty… Rehefa mahazo fitondrana ny sasany, mivadika ho vava basy ny hoe basy vava: manakorontana na manongam-panjakana izay mihetsika rehetra, ambenana amin’ny vava basy.

« Hararaotina vidina ny safidin’olom-pirenena noho ny fahatsorany sy ny tsy fahalalany ary ny fahantrany. Ireo mba manana hazondamosina indray, ampihorohoroina sy hamoronana antontan-taratasy tsy marina dia gadraina. Lainga sy fitaka arahina fampanantenana poakaty no andraisan’ny olona ny ataon’ny mpanao politika« , hoy ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara farany teo.

Mbola tsy misy izay fiovana… Tsy marin-toerana hatrany am-piaingana ny fitondrana? Matahotra sy tsy matoky tena, hany ka tsy matoky ny hafa sy mampitahotra izay mihetsika rehetra. Ny mahery tsy maody, tsy ela velona. Fa tsy azo atokisana koa izay tsy matoky tena: ny tenany aza tsy atokisany, ka hatokisan’iza? Raha tena voafidim-bahoaka tokoa, eo ny vahoaka hiaro ny safidiny amin’ny fiarovana azy.

Tsy vitan’izany, raha tena misy ny atao sy zava-bita ho an’ny vahoaka ifotony, saro-piaro ho azy amin’izany ny vahoaka ka hiaro ny mpitondra. Nefa hafa ny zava-mitranga… Nahoana? Mandrahona ny vahoaka tsy hihetsika sy tsy haneho hevitra ny mpitondra. Efa vita tamin’ny fifidianana, hono, ny fanehoan-kevitra. Koa minia mikimpy sy marenina amin’izay atao sy lazain’ny mpitondra izany ny vahoaka?

Tsy mahagaga, raha miseholany ny resaky ny samy marenina, ny jamba mifampitantana: ny mpitondra tsy miraharaha sy mampitahotra vahoaka isaky ny mihetsika; ny vahoaka, tsy matoky mpitondra sy malai-mihetsika amin’izay ataon’ny mpitondra. Hisy fanarenam-pirenena sy fampandrosoana ho vanona amin’izany? Manjaka ny basy vava sy ny vava basy… Lehibe tsy meloka, tsy mba diso. Mandra-pahoviana?

Rafaly Nd.


Oniversiten’Antsiranana : nifandona ny mpianatra avy eto Antananarivo sy Fianarantsoa

$
0
0

 Raikitra ny gidragidra teo amin’ny mpianatry ny Oniversiten’Antsiranana, afakomaly tamin’ny 2 ora maraina. Mpianatra avy aty Antananarivo sy avy any Fianarantsoa ireto nifandona tao amin’ny campus ireto. Vokany, mpianatra roa naratra amin’ireo avy eto Antananarivo raha iray kosa avy any Fianarantsoa. Nentina teny amin’ny Hopitaly manara-penitra ireo naratra ka nalefa nody any amin’ny campus ihany rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Manoloana izany, nifampiraharaha ireo andiana mpianatra roa tonta ireo ary efa nilamina ny toe-draharaha. Niezaka niantso ny lehiben’ny Oniversite ny zandary tonga an-toerana mba hanontaniana ny antony nahatonga ny fifandonana, saingy tsy nahazo azy.

Mbola mitohy ny fanaraha-maso ataon’ny zandary.

J.C

Tselatra

$
0
0

Naiditra am-ponja vonjimaika any Tsiafahy ilay tovolahy namono nahafaty ilay tovovavy vao 18 taona monja, teny Mausolée ny alatsinainy lasa teo. Natolotra ny fampanoavana omaly ilay tovolahy ary nalefan’ny fitsarana any Tsiafahy avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Anio kosa ny fandevenana ilay tovovavy niharan’ny hetraketrak’ilay nahavanon-doza.

Fampindramam-bola nivadika fisolokiana : mpivady mihaja be voasambotry ny polisy

$
0
0
Mpisoloky

Nidoboka eny amin’ny fonjaben’Antanimora, ny talata teo ny mpivady mihaja be izay voarohirohy ho nisoloky volabe mitentina 820 000 000 Ar tamin’ny alalan’ny fampindramam-bola izay nivadika fisolokiana tampoka…

 

Tsy nampoizina ! Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy, nindram-bola indroa tamina mpivady izy mivady voarohirohy ho nisoloky volabe ireto ka nahatratra 820 000 000 Ar ny fitambaran’izany volabe izany. Teo anatrehan’ny notaire no nanaovana’izy ireo ny fifanarahana na ny « contrat de prêt ». Tsy voaloan’izy mivady nindram-bola anefa ny volabe nosamboriny ka namoronan’izy ireo rosia sandoka izay nilaza fa efa voaloan’izy ireo ny vola nindraminy. Izy mivady indray no nitory ireo mpivady nindramany vola ho nanao fandikan-dalàna amin’ny fanjanaham-bola sy fisolokiana tamin’ny alalan’ny rosia sandoka miisa 12.

Nandritra ny famotorana natao tamin’izy mivady tompom-bola no nahafantaran’izy ireo ny fisian’ireo rosia sandoka izay nolavin’izy ireo fa tsy fantany ary tsy avy aminy. Hita tao amin’ireo rosia ireo fa tsy sonian’izy mivady nampindram-bola ireto sonia ireto fa noforonina sy nangalarina.

Nitory azy mivady nindram-bola ireto mpivady tompom-bola ireto noho izao fisandohana miharo fisolokiana ary halatra sonia izao.

Ny polisy ao amin’ny Faritany Ambohidahy no nandray an-tanana ny fanadihadiana ity raharaha ity ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja azy mivady voarohirohy ireto.

Aoka ho mailo hatrany fa tsy anavahana sarangan’olona ny asa fisolokiana satria hatramin’ny olona tsy ampoizina hanao izany indrindra no mahavita manao izao. Fahantrana sa asa ratsy tsotra izao ?

Jean Claude

Jery taratra.. herinandro : fifidianana… isaritahana

$
0
0

Tsy mba misy firy eto ny adihevitra ny amin’izay ho fanarenam-pirenena sy fampandrosoana, indrindra amin’izay hanatsarana ny fiainam-bahoaka? Taorian’ny adihevitra momba ny fehinkevitra tamin’ny fihaonambe momba ny fampihavanam-pirenena, notarihin’ny FFKM: resaka tsy mety ho vita ny amin’ny biletà tokana tsy hasiana sary sy anaran’ny kandidà amin’ny fifidianana kaominaly.

Terena ihany ny raharaha, na mampiaka-peo ny tsy mahamety izany aza ny maro: vondrona sy antoko politika, mpanara-maso fifidianana; eny, na ny olom-pirenena tsotra aza. Midrikina amin’ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana ny mpitondra: ny lalàna dia lalàna, efa nanao ny fifidianana lisitra toy izany isika… Koa tsy hatao amin’ny biletà tokana fara faharatsiny ahay ny sary sy ny anaran’ny lohalisitra?

Vita ny fivoriamben’ny Fivondronamben’ny eveka, namoaka hafatra manoloana ny raharaham-pirenena izy ireo: fototry ny olona eto amin’ny firenena ny fahantram-bahoaka. Tsy mbola ahitam-panafana ny kolikoly. Misy ny fividianana safidim-bahoaka amin’ny fifidianana. Mila finiavana politika ny fitondrana ankapobeny, misongadina ny fanompoam-bola sy fikambanana (?).

Tao anatin’ny teritery ny fahatsiarovana ny faha-43 taon’ny « Raharaha 13 mey 72″ teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely: noferana ny fotoana nahazoana nametraka fehezam-boninkazo. Natao tety ivelany fefy izany, fa tsy azo nidirana ny kianja. Antony, tahotra fanakorontanana. Na tsy fahatokisan-tena fa matahotra ny fanonganam-panjakana amin’izay mihetsika rehetra…

Inona izao no mba azo atao an-kalalahana? Ny fifidianana aza, isaritahana fa atao tian-kano tsy tian-kano ny raharaha: tsy misy sary sy anaran’ny kandidà ny biletà tokana, dia izay. Tapitra ny fe-potoana fanaterana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina. Mbola misy telo andro anamarinan’ny tomponandraikitra izany. Hampilamina ihany sa… ? Tsy mampitovy fijery hatrany, mampisaritaka an-toerana…

R.Nd.

Fitantanana ny tanàna : hamadika pejy R. Harilala

$
0
0

 Tonga nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina, tetsy amin’ny Ovec Nanisana, ny kandidà Ramanantsoa Harilala, omaly. Kandidà tsy miankina avy amin’ny Madavision ny tenany.

« Pejy vaovao ny fitantanana ny tanàna, ankoatra ny fandraharahana nahafantarana ahy », hoy izy. Ny fitsinjovana ny olona, indrindra ny fampananan’asa no laharam-pahamehany mba hahafahan’ny isan-tokantrano manatsara ny fiainany sy ny fiarahamonina.

Niakanjo fotsy avokoa ny ekipany sy ireo mpanolotsainy niaraka taminy. « Porofo izao fa pejy vaovao no hidirana manomboka eto. Henjana ny ady miandry ary mila herin-tsaina izany manoloana ny fandemena », hoy hatray izy.

Tatiana A

Fandravana trano teny Ankadimbahoaka : niraraka ny tora-bato, nirefotra ny grenady lakrimozena

$
0
0

 Tamin’ny 5 ora maraina, raikitra ny tabataba teny Ankadimbahoaka, teny amin’ny Cité Barrière omaly, vokatry ny fandravana trano, ary tsy nilamina ny toe-draharaha raha tsy tamin’ny 7 ora maraina tany ho any. Trano 80 isa no noravan’ny avy amin’ny kaominina sy ny mpamonjy voina. Raikitra vokatr’izany ny savorovoro teo amin’ireo mponina nalana tamin’ny tranony. Niezaka nanohitra ireo olona ireo ka voatery niditra an-tsehatra ny Emmo/Reg nandamina ny toe-draharaha. Nilanja sora-baventy sy nametraka barazy teo amin’ny arabe ireo mponina. Tapaka tanteraka ny lalana vokatr’izany, ka nahatonga fitohanana teny an-toerana. Niroso tamin’ny fandravana ireo mpanao fihetsiketsehana ny Emmo/Reg. Raikitra ny tora-bato vokatr’izay, nidaroka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso sy tifi-danitra kosa, ny mpitandro filaminana. Olona telo voasambotra, saingy navotsotra rehefa avy eo. Niparitaka ireo olona taorian’izay, tsy nahovoka ny vaikan’ny baomba mandatsa-dranomaso. Niverina tamin’ny laoniny ny filaminana teny an-toerana, nisokatra ny lalana. Tsy sahy niverina fa nitabataba teny lavitra teny ny olona sasany. Ny hafa nanangona nanala ny entany.

 Efa nampiomanina mialoha…

Trano hazo ny ankamaroan’ireo trano niorina tamin’ny toerana nanalana azy, izay tsy lavitra ny lalamby mihazo an’Androndra. Mpivarotra sy ireo olona somary sahirana ny ankamaroany. Voalaza fa ilain’ny tompony ny tany, trano miorina tsy ara-dalàna ihany koa ny ankamaroany. Fantatra koa fa hisy ny fotodrafitrasa ataon’ny kaominina eo amin’ny tany. Nisy ihany ny filazana fa hisy ny fanonerana izay trano misy taratasy ara-dalàna. Efa nampiomana mialoha ireo mponina koa ny avy amin’ny vadintany, ary nisy ny taratasy fampilazana mialoha ireo olona esorina amin’ny toerany. Raha ny omaly aloha, niverina tamin’ny laoniny ny filaminana teny Ankadimbahoaka. Rava soa aman-tsara ireo trano 80 teny an-toerana, ary nikisaka mora ihany ireo mponina. Niandry teny an-toerana ihany ny mpitandro filaminana.

Yves S.

Fifidianana ben’ny Tanàna : maro anisa ny kandidà Tim sy ny HVM ary ny tsy miankina

$
0
0
JONAH Sary 3

 Nifarana, omaly ny fanaterana ny antonta-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben’ny Tanàna. Na teo aza ny fanakianana momba ny biletà tokana, tsy misy sary sy anarana, navitrika ihany ireo mpilatsaka hofidiana.

 

Nandrakotra ny ankamaroan’ireo kaominina maherin’ny 1 600 ny kandidàn’ny HVM sy ny Tim ary ny tsy miankina, araka ny antontan-taratasy voaray eny anivon’ny Ovec sy ny Cenit. Raha ny 14 mey teo, 1021 ireo dosie voarain’ny Cenit avy amin’ireo kaominina 874.

     Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana, ahitana kandidà mpanao gazety sy mpandraharaha na koa mpanao politika. Ohatra, Rajaonah Andrianjaka, Rakotondrazafy Lalatiana, Rajerison Nicole Veronique, Andry Concept, Ravolomanana Lalatiana, Ramanantsoa Harilala, Rakotoaritsifa Hasina. Misongadina ny fahavitrihin’ny vehivavy, miisa dimy eto an-drenivohitra. Miroso amin’ny miralenta ?

     Natolotry ny HVM any Mahajanga kosa ny PDS teo aloha,  Solofomanga Heriniaina, raha Ramanantsoa José ny kandidàn’ny Tim. Misongadina ao Toamasina koa ny kandidàn’ny Tim, Rakotomanana Gervais.

     Ho an’ny any Ambatondrazaka indray, kandidàn’ny HVM ny Dr Saonina na Raminoarison Honoré.

Hifampitady ny Tim sy HVM ary Leader Fanilo

54 kosa ireo kandidà any amin’ny distrikan’Andramasina ka mandrakotra ny kaominina 14 ny kandidàn’ny HVM sy ny Leader Fanilo raha kaominina 10 kosa no ahitana ny kandidàn’ny Tim. Eo koa anefa ny Mapar sy ny MMM ary ny mahaleo tena ka misongadina amin’izany ny ao Andramasina renivohitry ny distrika amin’ny alalan’ny ben’ny Tanàna am-perinasa.

Synèse R. sy Njato Hervé


Ambatovy : nahazo ny loka Synrude 2015 ny Sherritt

$
0
0

Anisan’ny mpiara-miombon’antoka, manana petra-bola be indrindra ao anatin’ny Tetikasa Ambatovy ny Sherritt international. Vokatry ny ezaka nataon’Ambatovy, nahazo ny loka iraisam-pirenena Syncrude 2015 ny Sherritt international, noho ny zava-bita am-pahamendrehana sy avo lenta, ny 11 mey teo, tany Montréal Kanada. Nanome ny mari-pankasitrahana ny Ivontoerana kanadianina mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, ny vy ary ny solika (CIM).

Anisan’ny antony nahazoan’ny Sherritt ity fankasitrahana ity ny fananan’Ambatovy fandaharanasa mifantoka amin’ny fitantanana sy fampandrosoana maharitra, nefa koa mikajy ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fiarovana ny tontolo sy ny zavamananaina.

Singanina amin’izany ny fanomezan-danja ny fiharian’ny mponina manodidina ny tetikasa (maherin’ny 18.000), amin’ny fanatsarana ny velon-tenan’izy ireo. Tsy tanteraka izany raha tsy nisy koa ny fiaraha-miombon’antoka amin’iny mpisehatra samihafa, toy ny Croix-rouge, ny Unicef, ny Banky iraisam-pirenena, ny sampandraharaha ambony mpikaroka, sns.

Njaka A.

Vakinankaratra : efa ela ny fiaraha-miasa amin’i Soisa

$
0
0

Nitsidika teto Antsirabe faritra Vakinankaratra ny delegasiona mafonja avy any Soisa, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitarika izany i Claude Heche, filohan’ny Filankevi-panjakana Soisa, notronin’ny ambasadaoro soisa miasa eto amintsika ary solombavambahoaka sy teknisianina avy any Soisa maro.

Mifantoka amin’ny fampandrosoana ankapobeny ny fiaraha-miasa misy eo amin’i Madagasikara sy i Soisa, efa ho 50 taona mahery izao. Manana tombondahiny manokana Vakinankaratra amin’ny alalan’ny fandaharanasa Matoy, vatsian’ny fanjakana Soisa ara-bola. Mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana rehetra miainga any amin’ny mpamokatra hatrany amin’ny mpanjifa ity fandaharanasa ity.

Hahazo vokatra azo tsapain-tanana

Nisy fihaonan’ireto delegasiona ireto tamin’ny filohan’ny faritra Vakinankaratra, Andrianjanaka Mandrindra sy ny lefitra voalohan’ny delegasiona manokana ny tanànan’Antsirabe, Randrianarison Olivier.

Nampahafantarina azy ireo ny tetikasam-pampandrosoana rehetra eto Vakinankaratra. Nahabe fanantenana ny vahiny ny nahafantarana fa filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Vakinankaratra ihany koa ny lehiben’ny faritra.

Antenain’izy ireo fa ho hita tsy ho ela ny vokatra azo tsapain-tanana. « Tombony ho an’i Vakinankaratra koa ny fananana toe-tany sy toetr’andro mety tsara amin’ny famokarana », hoy ny vahiny. Nitsidika ny oniversite katolika Essva koa ny vahiny, miara-miasa amin’ny fanjakana soisa rahateo. Tany amin’ny orinasa mpanamboatra simenitra Holcim ihany koa izy ireo, miampy ny asa sahanin’ny Matoy aty an-toerana.

Jeannot Ratsimbazafy

Nosy-Be – Brickaville : horaisin’ny orinasa Dzama ny fitantanana ny Sirama

$
0
0
sirama

 Anisan’ireo orinasam-panjakana afaka hihodina indray ny Sirama any Nosy Be sy Brickaville. Nanolo-tanana ny orinasa Dzama, hamerenana indray ny lazan’ny Sirama amin’ny famokarana siramamy sy ny vokatra avy amin’ny fary.

Hita ny vahaolana ! Tsy afa-nihodina nandritra ny taona maro ny orinasam-panjakana Sirama any Nosy-Be sy Brickaville. Vokatry ny fametrahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina, afaka hihodina indray ity orinasa ity.

Anisan’ny reharehan’ny indostria malagasy ny Sirama, saingy nitotongana taty aoriana, nibaby trosa sy fantiantoka iray lavaka ary tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa. Izay no nahatonga ny fanjakana hisokatra amin’ny tsy miankina, hanarenana indray ity orinasa ity, nanome ny fitantanana azy amin’ny orinasa Dzama.

Nisehatra tamin’ny fanodinana vokatra avy amin’ny fary hatry ny 30 taona ny kaompania Vidzar, tompon’ny mari-pamantarana Dzama, naorin’i Fohine Lucien. Tena ataony ny fanadiovana ny fary sy mamokatra vokatra manodidina ny toaka.

Fanomezana tolotra sy kalitao ho an’ny mpanjifa

Dikany, tsy vaovao amin’ny Dzama ny fikirakirana, ny fanodinana ny akora fototra fary, koa azo inoana fa tsy maintsy hahomby ny fanarenany ny Sirama, ary ho maro koa ny asa aterany, hahazoan’ny mponina manodidina tombontsoa.

Anisan’ny tombondahiny sy mampiavaka ny Dzama ny fanomezana tolotra samihafa manana kalitao, tsy mena-mitaha amin’ny avy any ivelany.

Tsara marihina fa orinasa malagasy ny Dzama, midika fa mahafantatra tsara ny tontolon’ny fampiroboroboana ny tontolo ara-toekarena eto Madagasikara. Azo antenaina fa hitondra fampiakarana ny fitomboana ara-toekarena ifotony sy ho an’ny firenena ankapobeny ny rivotra vaovao entiny amin’izao fanarenana ny Sirama Nosy Be sy Brickaville izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Ambatolampy Antehiroka : tsy matihanina ny mpanao lalana

$
0
0
lalana

Roa volana lasa izay, nolavahan’ny orinasa iray mpanamboatra lalana ny arabe teny Ambatolampy Antehiroka ao anatin’ny Boriborintany fahaenina.

Lalina ny lavaka natao ary niteraka fikorontanan’ny fifamoivoizana mihitsy nandritra ny andro maromaro.

Nangina anefa ny mponina sy ny mpampiasa iny lalana iny satria fanamboarana no hatao ary miandrandra lalana vita aorian’izany. Nandrasana ny herinandro, tsy nety vita ny lalana. Niala teny an-toerana anefa ny orinasa nampiandraiketina izany.

Efa roa volana aty aoriana, tsy nitohy ny fanamboaran-dalana ao amin’ny tanànan’Ambatolampy Antehiroka. Nosimbaina tamin’ny lavadavaka anefa ny arabe. Tsy norakofana poti-bato akory fara faharatsiny fa navela nihanjahanja teo. Nanome tsiny avy hatrany ny orinasa lasa mpanimba lalana ny mponina teny an-toerana.

Lasa fanariam-pako vaovao eny an-toerana ireo lavadavaka noforonin’ilay orinasa mpanao lalana tsy matotra sy tsy matihanina teny Ambatolampy Antehiroka ankehitriny. Mitaraina ireo mpitondra fiara satria lalina be ny lavaka ary manimba fiara.

Tsiahivina fa anisan’ny mampihena ny fitohanan’ny fiara eny amin’ny fiakaran’Ambohibao ny lalana manivaka mandalo ny tanànan’Ambatolampy. Lasa faralahin’ny tanàna anefa iny toerana iny eo amin’ny fanamboara-dalana.

Tsy matotra ny orinasa nampanaovina ny asa ka ny mponina sy ny mpampiasa lalana no mizaka ny vokany. Miandry ny fandraisana andraikitry ny fanjakana hanasazy ireo orinasa mpanao lalana tsy mahavita hatramin’ny farany ny asa ampanaovina azy toy ireny satria fanaovana tsinontsinona ny vahoaka ny toy izao.

Randria

Mahatratra 489 179 : nitombo 5,13% ny mpiadina CEPE

$
0
0

 Nitombo 5,13 % ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana CEPE eo amin’ny sehatra nasionaly, araka ny antontanisa nomen’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mahatratra 489 179 ny mpianatra hiatrika ny taranja fito mandrafitra ny fanadinana amin’ity taona ity. Nitombo 37 324 ny isa voaray teny anivon’ny foibe mpikarakara ny antontan-taratasy.

Volavolaina eny anivon’ny faritany teo aloha Antananarivo, Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara ary Toamasina ny laza adina rehefa nandalo fisafidianana teny anivon’ny sekoly sy ny Cisco ary ny Dren. Efa nikatona ny 12 mey teo ny fisafidianana ny laza adina ary nodinihina tao anatin’ny iray volana ny taranja tsirairay.

Hanomboka amin’ny alatsinainy ny fijerena farany ny laza adina rehetra voasafidy ho an’ny CEPE 2015. Hatonta amin’ny volana jona kosa izany, tsy afaka miserasera amin’ny olona ivelany ny tomponandraikitra nikarakara ireo laza adina rehetra ireo mandritra ny fotoana famolavolana.

Hisantarana ny CEPE ny taranja opérations, manaraka ny problèmes, science de la vie et de la terre, ary faranana amin’ny Tantara sy fahaiza-miaina ny tapak’andro maraina. Ny hariva miatrika ny taranja malagasy, français ary jeografia ny mpiadina.

Vonjy A.      

SpaM : mitaky ny fampiakarana ny mari-karama

$
0
0

Nanatanteraka ny fihaonambe voalohany amin’ity taona ity ny Sendikàn’ny paramédicaux eto Madagasikara (SpaM) omaly tetsy amin’ny HJRA Anosy. Nisongadina tamin’izany ny adihevitra teo amin’ny fitakiana indray ny fampiakarana ny mari-karama.

Efa nangatahana hatramin’ny taona 2009 izany, saingy odian’ny mpitondra nifandimby tsy fantatra. Efa nisy ihany ny fihaonana tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny vaomiera natsangana hijery manokana io mari-karama io teo aloha.

Tsy nahitam-bokany izany hatramin’izao. Aorian’izao fihaonambe izao, hisy indray ny fihaonana amin’ny minisitera tompon’andraikitra handinihina ny tohin’ny fampiharana io fampiakarana ny mari-karama io.

Mahatoky ny fivoaran’ny toe-draharaha ho amin’ny tsara hatrany ny paramédicaux ka mbola manohy ny asany hatrany aloha hatramin’izao.

Efa nisy ny hetsika nivaivay nataon’ny paramédicaux tany aloha ary nampikatso tanteraka ny asa tany amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana maro teto Madagasikara. Tsy tokony hiandry io famaizana io ny fanjakana vao handray andraikitra amin’ny famaliana ny fitakiana mba tsy hampiitatra ny hetsik’izy ireo.

Anisan’ny mandray anjara betsaka eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ny paramédicaux. Betsaka ireo CSBI manerana ny Nosy miankina tanteraka amin’izy ireny. Ny paramédicaux ihany koa no tena mifanerasera akaiky amin’ny marary sy ny mpanaraka ny marary ka tsy tokony hatao ankilabao.

Tatiana A

“Rallye Total FMMSAM” : nanao fampisehoana i Zaza Maditra

$
0
0
Rallye 1605

 Efa nampoizin’ny rehetra ny vokatra teo amin’ny andro voalohany, amin’ny “Rallye Total”, karakarain’ny klioba FMMSAM. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Nisantarana izany ny “ES1”, natao omaly alina, tetsy Andohatapenaka.

Nitarika ny ekipazin’ny Asacm, nisy an’i Mathieu (Zaza Maditra) sy Tsiresy, nitondra ny fiara Mitsubishi Evo IX. Izy ireo no nanana ny fe-potoana tsara indrindra, tamin’ny fihodinana ny kianja mirefy 2 km. Tontosan’izy mirahalahy tao anatin’ny 2 mn 32 s izany.

Naneho ny tena fahaizany sy ny ditrany amin’ny fitondrana fiara i Mathieu. Tsy nahatohitra azy i Boom sy Berthin, sy ny fiara Mitsubishi Evo X, izay noheverin’ny rehetra fa mety hifampitady aminy. Tsy nahavita afa-tsy 3 mn 39 s izy mirahalahy ireo. Faharoa, tamin’ity “ES 1” ity, i Tanjona sy Dina, nitondra ny P.205, izay nahatontosa izany tao anatin’ny 2 mn 44 s ary fahatelo i Rado sy Arilaza, amin’ny fiara R.Clio, izay nahavita ny 2 km tao anatin’ny 2 mn 46 s. Hitohy anio ny fifaninanana ary ny alahady vao hifarana ity “Rallye Total” ity.

 Tompondaka


Rugby – «Gold Top 8 Mada» : hiady izay ho tompondaka ny 3FB sy ny Cosfa

$
0
0
rugby1605

 Hanamarika ny faran’ity herinandro ity, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby «Gold Top 8 Mada», taranja rugby. Hanakatona izany, ho an’ity taom-pilalaovana 2015 ity, ny 3FB sy ny Cosfa.

 

Adin’ny ekipa samy boaty ny famaranana, hiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny baolina lavalava “Gold Top 8 Mada”, rahampitso alahady, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Hifampitana amin’izany ny 3FB sy ny Cosfa. Lalao miverina ny fihaonan’ny roa tonta satria efa niray vondrona nandritra ny fifanintsanana teo amin’ity fifaninanam-pirenena ity.

Hanala vela amin’ity ny Cosfa (Bebaoty), satria tamin’ny moka fohy, 26 noho 24, nandavoan’ny Zef’Be azy ireo, tamin’izany. Tsy maintsy hiady mafy, araka izany, ny miaramila hanao izay handavoana ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana, amin’ity. Mitovitovy habe ny roa tonta, saingy eo amin’ny fomba filalao maha samy hafa azy ireo. Ny 3FB araka izay ahalalana azy hatramin’izay dia manafangaro ny lalao amin’ny alalan’ny “3/4 aile” sy ny “avant”. Saika miantehitra amin’ny “jeu d’avant” kosa, ry Bebaoty.

Ho an’ny miaramila, tsy afaka hilalao i Chabal, noho ny karatra mena azony, nandritra ny lalao manasa-dalana farany teo. Tsy fantatra kosa na hiakatra kianja i Dolph Be, izay tsy nanao io ankatoky ny famaranana io.

Ho an’ny 3FB, mbola baraingo koa ny mety hilalaovan’i Biby, rahampitso. Na izany na tsy izany, samy naneho fahavononana hampiseho lalao mendrika sy tsara ny roa tonta, ary samy manam-paniriana handrombaka ny amboara.

Hiady ny laharana fahatelo kosa ny FTM Manjakaray sy ny IRC. Hanala ny velany koa amin’ity ry zareo Manjakaray.

Hiara-dalana, amin’ity ny famaranana eo amin’ny D1 Elite 2, hifandonan’i Vakinankaratra sy ny XV Family Analamanga. Lalao izay hotanterahina any Antsirabe.

 Miary Narindra

Havatsa-Upem : omena vahana ny poezia

$
0
0
HAVATSA

Hanamarika ny Iray volan’ny teny malagasy ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havatsa-Upem. Hiompana amin’ny tontolon’ny fahaiza-mifehy ny poezia ny sehatrasan’izy ireo amin’ity taona ity. Ny 6 jona amin’ny 10 maraina, fomba famoronana poezia (gadona, ba, andalana, andininy…). Hitarika ny fiofanana, I.P Andriamangatiana. 13 jona fampiharana ny fahalalana azo tamin’ny fomba famoronana. Ny 20 jona, hampitana ny fomba fiantsana an-tsehatra ny poezia. 27 jona, fampiharana ny lesona azo tamin’ny fiantsana an-tsehatra. Hitarika ireo fiofanana roa ireo i Arikaomisa Randria.

Anisan’ny hanatanterahan’ny Havatsa-Upem ny fiofanana tahaka izao ny fahatsapana fa marobe ireo talenta mifoha eo amin’ny fanoratana sy fiantsana poezia. Tsy vitsy rahateo ny tanora voasarika amin’ity kanto iray ity.

Tsara ny fanomezana fiofanana toy izao. Na izany aza, anisan’ny maika ihany koa ny fanatevenana ny fahaizan’ny mpanoratra mifehy ny fitsipiky ny teny malagasy.

HaRy Razafindrakoto

 

FJKM Ambohidroa : feno 10 taona ny Ghadona Artistika

$
0
0
GHADONA

Tarika iray ivondronan’ireo kristianina mpanakanto avy ao amin’ny FJKM Ambohidroa Antehiroka ny Ghadona Artistika. Feno 10 taona izao ity tarika mitory ny Filazantsara amin’ny alalan’ny hira ity. Nisy ny fanompoam-pivavahana nanamarihana ny fanokafana, izay notontosaina ny alakamisy 14 mey lasa teo. Hitohy amin’ny hetsika maro ny fankalazana, ka anisan’ny tanjona ny famoahana ny raki-tsary ahitana « comédie musicale » mitantara ny « Lalan’ny hazofijaliana », izay hatao tsangambato.
Ankoatra izay, mbola hisy ny seho hatao ho ivon’ny fankalazana. Hisy koa ny hetsika ara-tsosialy homanin’ny Ghadona Artistika. Hanankinana ny taom-pankalazana sady teny faneva ny hoe « Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva… satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny Filazantsara » (Salamo 71/15-Asa16 :10b).

Zo ny Aina

Laza avy any ampita

$
0
0

Nodimandry i BB King, ilay mpanjakan’ny blues
Efa niditra hopitaly nanomboka ny 6 avrily teo izy. Tsy nahatosika ny aretiny intsony i BB King omaly, ka nodimandry teo amin’ny faha 89 taonany. « Mpanjakan’ny blues » no niantsoan’ny maro an’ity mpitendry gitara nikoizan’izao tontolo izao ity. Riley B. King no tena anarany. « Blues Boy » kosa ny fanalavana ilay hoe B.B. Nandalo ny dingana rehetra teo amin’ny mozika izy, nialoha ny nampisongadina azy maneran-tany. Efa nahazo fankasitrahana sy mari-boninahitra maro, toy ny « Grammy Awards » izy. Maromaro koa ny boky mitantara ny momba azy. Anisan’ireo hiran’i BB King nalaza indrindra ny « The thrill is gone », « Lucille », When Love Comes Town », «  Everyday I have the Blues », sns.

Nangonin’i Zo ny Aina

« Libertalia Music Festival » : hanokatra ny lalana ho an’ireo mpanakanto

$
0
0
LIBERTALIA

Hetsika hanehoana ny karazana mozika, heverina fa afaka misedra ny tsena iraisam-pirenena ny « Libertalia Music Festival ».

Hiditra amin’ny andiany fahatelo ny « Libertalia Music Festival ». Hetsika natao hanasana ireo matihanina iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny tsenan’ny mozika izy ity. Natao ihany koa hanokafana ny lalana ho an’ireo mpanakanto malagasy mankany amin’izay tsena izay. Homena sehatra ireo tarika na mpanakanto mivoy ny mozika ankehitriny, kanefa manana fironana amin’ny mozika nentim-paharazana hatrany koa ny fisafidianana ireo mpanakanto.
Tarika sy mpanakanto sivy no nalahatra hiaka-tsehatra amin’ity : Jimmy B Zaöto, Miminy, Tence Mena, Mija, Dedake, Dizzy Brains, Tsiliva, Tambours Gasy ary i Silo. Hifandimby hiaka-tsehatra manoloana ireo vahiny nasaina izy ireo ny 28 hatramin’ny 30 mey izao, etsy amin’ny tokotany malalaky ny Carlton Anosy. Vahiny manokana hanome hafanana ny hetsika kosa i Stéphanie, Onja ary ny Sax Machine.

Zo ny Aina

Viewing all 70299 articles
Browse latest View live