Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70313 articles
Browse latest View live

Groupe Akkeson-Ady amin’ny kere : entanina hamboly tsaramaso any Amboasary Atsimo

$
0
0
Amboasary 29 avr

 Ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo na ny kere any atsimo, niditra amin’ny fandraisana anjara ny orinasa Rizerex ao anatin’ny Groupe Akkeson (GA) nanome masomboly tsaramaso 1 t. « Miasa amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny fambolena ny GA aty amin’iny faritra atsimo, ka mijery izay fomba rehetra hanampiana ny mponina », hoy ny tale jeneralin’ny Rizerex, Randriamamonjisoa Georges, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Amboasary Atsimo.

Heverina hanampy betsaka ny mpamboly manana tany ny voly tsaramaso, ary entanina manokana ireo olona ireo hamokatra amin’ny taniny. Mahavokatra karazam-boly maro any atsimo fa tsy araka ny fiheveran’ny sasany azy. Faritra tsy tokony ho tratran’ny kere, saingy tsy ampy ny politika fanentanana, indrindra ny fanampiana amin’ny lafiny maro, toy ny fitaovana, masomboly sy fanofanana ara-teknika. Tanjona, ny hampitomboana ny vokatra hiadiana amin’ny kere. Nandritra io fotoana io koa no nanoloran’ny GA vary 3,5 t ho an’ireo mpamboly.

R.Mathieu


Ambohitsoa : rongony 26 gony saron’ny polisy

$
0
0
rongony

Saron’ny polisy tany Ankadiavo Ambohitsoa ny rongony 26 gony milanja 600 kilao, ny herinandro teo. Nahazo vaovao ny polisy fa misy mpivarotra rongony eny amin’io faritra io. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka tratra teo am-pivarotana rongony ny telo mianadahy tompon’antoka amin’izany. Nosavaina ny tranony, nahitana rongony tamin’ny gony marobe. Voalazan’izy telo miandahy fa avy any Betroka ireo rongony ireo ary amidy 30.000 Ar ny iray harona solefanina. Aparitaka eto Antananarivo ireo ary izy telo mianadahy ireo no mpamongady izany eto an-dRenivohitra. Nambaran’ny polisy fa efa ela izy ireo ny nanao ity asa ratsy ity, fa izao vao tratra.

Nanelingelina ny mponina eny an-toerana ny fisian’ireto mpivarotra rongony ireto. Ankoatra ny mpividy mantsy, misy ihany koa ny mpifoka. Voakatr’izay, nampandre ny polisy amin’ny fisian’izy ireo ny olona, ary izao voasambotry ny polisy izao. Anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy ny fiparitahan’ny rongony. Anisan’ny ady ataon’ny polisy ny ady amin’ny fiparitahan’ity zava-mahadomelina ity.

Yves S.

 

Fampandrosoana ny faritra : hanome 65 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena

$
0
0

 Mitentina 65 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena, ho an’ny faritra telo eto Madagasikara (Atsimo Andrefana, Atsinanana, Diana). Hampiasaina mandritra ny efa-taona io famatsiam-bola io. Fantatra io nandritra ny fitsidihana nataon’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena, notarihin’i Michel Engam ny filohan’ny faritra Atsimo Andrefana, ny Dr. Zafitasondry Marcellin.

Ho an’Atsimo Andrefana, hampiasana ny vola ny fanatanterahana ny Fandaharanasa hampitomboana ny harinkarena haingana na “Pôle integré de croissance” (Pic). Nambaran’ireo mpamatsy vola, fa anisan’ny sehatra voakasik’ity famatsiambola ity ny fizahantany, ny fandriampahalemana, ny fanamboaran-dalana, sns. Hojerena manokana koa ny seha-pihariana hasy aty Atsimo Andrefana.

Lalam-pirenena faha-10 sy faha-15

Hetahetan’ny lehiben’ny faritra ny hijerena manokana ny lalam-pirenena faha-15, mampitohy an’i Sakaraha sy Beroroha, anisan’ny distrika mamatsy an’i Toliara sy ny manodidina. Eo koa ny lalam-pirenena faha-10, mampitohy an’i Toliara sy ny faritra Anosy sy Androy.

Nisy ny dinikasa nataon’ny roa tonta taorian’ny fihaonana, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny voakasik’ireo sehatra voalaza ireo. Natao izany nentina namaritana ny laharam-pahemahena ahafahana mamoaka ny vola. Haharitra roa andro ny atrikasa.

CMS

Manan-danja indrindra aty amin’ny OI : lasa rafitra ara-toekarena ny Fim

$
0
0

Hetsika ara-toekarena goavana indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny  « Foara iraisam-pirenena eto Madagasikara » (Fim). Hita ao avokoa ny seha-pihariana rehetra, ary fotoana hihaonan’ny mpamatsy ny mpamokatra ary ny mpanjifa mivantana.

Nanomboka ny taona 2014, lasa hetsika goavana indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny « Foara iraisam-pirenena eto Madagasikara » (Fim). Tanteraka izany satria tsy natao ambanin-javatra ny fikarakarana ary nomena sehatra ahafahana mivalampatra avokoa ny mpandray anjara sy ny mpitsidika. Nahatratra 11.782 ny mpitsidika, ny taona 2014, avo roa heny miohatra ny hetsika 2013 ary 49.169 ny fanasana naparitaka. Ho an’ny mpandray anjara, niisa 336 ny orinasa avy eto an-toerana tao anatin’ny tranoheva maherin’ny 800, avy any amin’ny faritra manodidina an’i Madagasikara sy avy lavitra. Nanana toerana manokana ny isam-pirenena toy ny Pavillon Frantsa, Maorisy, Azia (Indonezia, Sina, Singapour) ary i Afrika Atsimo.

Misandrahaka amin’ny lalam-pihariana samihafa ny Fim, toy ny fanodinana ara-tsakafo, ny Teknolojian’ny informatika sy ny fifandraisana (Tics), ny tolo-draharaha (servisy), ny angovo azo havaozina, ny fambolena biolojika, ny varotra mifandanja, ny fanorenana sy ny asa vaventy (BTP), ny fizahantany, sns.

Tsy ho latsa-danja ny andiany 2015

Raha izay ny zava-bita, tsy ho latsa-danja koa ny amin’ity taona 2015 ity, satria tafiditra ao anatin’ny faha-10 taona ny Fim. Hatao ny 7 hatramin’ny 10 mey eny amin’ny toerana mahazatra Zone Forello Tanjombato. Azo antoka fa tsy hitsahatra hihatsara ny hetsika satria ao anatin’ny fanarenana ny toekarena rahateo i Madagasikara, ka fotoana hampivelarana sy hampiroboroboana ny isam-pihariana avy ny « Fim 2015 ».

Ankoatra ny fampahalalam-baovao sy ny serasera eto an-toerana, nampahafantarina amin’ireo haino aman-jery sy gazety boky iraisam-pirenena koa ity hetsika ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Fantina

$
0
0

« Tokony homen-danja ny famotsoran-keloka amin’ny fampihavanam-pirenena », hoy ny filoha Rajaonarimampianina, teny amin’ny CCI Ivato, omaly. Eo koa ny fanoherana ny tsimatimanota, ny fanonerana ireo niharam-boina, ny fanamafisana orina ny fototry ny fanjakana repoblikanina. Hojerena ny amin’ireo olona mbola voageja, migadra sy tsy tanteraka ny fahalalahany noho ny antony politika.

Nanainga avy hatrany, omaly hiatrika ny fihaonana an-tampon’ny Sadc hatao any Zimbaboe ny filoha, Rajaonarimampianina raha tsy nisy ny fiovana. Nanomboka, omaly ary hifarana ny 30 avrily izany dinika izany ary handraisan’ireo firenena 14 mpikambana eo anivon’ity vondrona ara-toekarena misy antsika ity anjara.

Boeny : hifantoka amin’ny fampandrosoana ny lehiben’ny faritra

$
0
0

 Nanazava ny anjara andraikiny ny lehiben’ny faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaff, manoloana ny « Préfet », solontenam-panjakana mifanandrify aminy. “Miankina amin’ny tetikasa faritan’ny filankevi-paritra ny asa sahanin’ny lehiben’ny faritra, rafitra mpanatanteraka. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny fananan’ny faritra rehetra, manao sonia ny famoaham-bola, misolo tena eny amin’ny fitsarana, mitarika ireo tetikasa fampandrosoana rehetra ao anatin’ny faritra”, hoy ny lehiben’ny faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaff, omaly tao amin’ny birao fiasany.

   Nohazavainy fa mitovy laharana ny tenany sy ny Préfet raha ny arofenitra. “Lehiben’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana eo amin’ny faritra ny voalohany raha misolo tena ny governemanta sy ny Praiminisitra kosa, ny faharoa”, hoy ihany izy.

Momba ny fampandrosoana kosa, nisy fanaovan-tsonia teo aminy sy ny solontenan’ny PAGE-GIZ aty Afrika momba ny fifanarahana lasitra amin’ny fomba hanampian-dry zareo Alemaina ny faritra Boeny, handrafetana ny Drafi-paritra fanajariana ny lafitany (SRAT), ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fitantanana mangarahara.

Synèse R.

Rakotondrazaka Fano : « Tsy manana fahefana hanasazy ny mihoa-pefy ny Cenit »

$
0
0

« Tsy manana fahefana hanasazy amin’izay mety ho fihoaram-pefy ny Cenit, fa misy ny fitsarana mahefa eo amin’ny fikirakirana antontan-taratasy samihafa. Tafiditra ao anatin’izay ny mety ho fitoriana ataon’ny kandidà mpifaninana amina fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. »

Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Cenit, Rakotondrazaka Fano, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny hoe fisian’ny kandidà manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Anjaran’ny Cenit ny fanazavana ny rijan-tenin-dalàna: ny tokony hatao sy ny tsy azo atao. Mety ho tonga koa amin’ny fiantsoana ny rehetra hiverina amin’ny valan’ny ara-dalàna izany, araka ny nambarany.

Raha avadibadika ireo rijan-teny samihafa, ireo didy aman-dalàna manankery momba ny raharaham-pifidianana amin’izao fotoana izao: tsy voafaritra mazava amin’izany ny atao hoe fampielezan-kevitra. Hahafahana mandray fepetra amin’ireo fihetsika tafiditra amin’ny fampielezan-kevitra tsy tokony hatao mialoha ny fotoana izany.

Mianina amin’ny famaritana ny fanombohana sy ny famaranana ny fampielezan-kevitra ny rijan-tenin-dalàna eo an-tanana.

R.Nd.

 

Fihaonambem-pirenena ho an’ny fampihavanana : tsy nipoitra na nialana nenina aza i Zafy sy Rajoelina

$
0
0

 Efa nampoizina ihany. Tsy tonga niatrika ny fotoam-panokafana ny fihaonambem-pirenena ho an’ny fampihavanana ireo filoha roa teo aloha raha nanotrona izany kosa ny sasany avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

 

Efa nifandinika hatry ny afakomaly alina ny eo anivon’ny etamazaro politikan-dRajoelina tetsy Ambodivona, saingy tsy niova hevitra hatramin’ny farany ny tsy hanatrehany ny dinika fampihavanana, omaly teny amin’ny CCI Ivato. Mbola mifikitra amin’ny lalàmpanorenana tsy nohajain’ny mpitondra izy ireo.

     Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny hevitry ny Pr Zafy, mivoy ny tokony hananganana ny Komity nasionaly ho an’ny fampihavanana (CNR) hatrany izy ireo. Nialana nenina ihany ireo filoha roa saingy mbola milaza ny handinika ny iray raha tsy nanoka-baravarana kosa ny iray”, hoy ny filohan’ny FFKM.

Tokony ho nentina hifampidinihina eto amin’ny fihaonambem-pirenena avokoa izany rehetra izany”, hoy ny amiraly Ratsiraka raha nanontaniana amin’izao fahabangana izao.

Nohamasinin’ny avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Navoitran’ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala, rahateo fa fanombohana ihany izao diniky ny fampihavanana izao.

     Samy niatrika izany kosa Ratsiraka sy Ravalomanana raha efa nialohavan’ny fihaonana naharitra ora maromaro tetsy Faravohitra niaraka amin’ireo filoham-piangonana sy ny filoha am-perinasa izany, afakomaly hariva.

      Na izany aza anefa, efa karazan’ny nohamasinin’ny fahatongavan’ireo masoivoho vahiny sasany izao dingan’ny fampihavanana izao. Tazana teny an-toerana ny Amerikanina, amin’ny alalan’ny masoivohony, Robert Yamate. Anisan’ny efa nanamafy hatrany fa hitondra any amin’ny fitoniana sy ny fampandrosoana ny fampihavanana ary tsy tokony ho sakana ny tsy fitovian-kevitra. Teo koa ny avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), Hawa Ahmed Youssouf, anisan’ny nanampy ara-bola, notronin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Gert Johannes Grobler, vao avy nihaona tamin-dRavalomanana ny harivan’ny alatsinainy teo, nialoha izao diniky ny fampihavanana izao. Teo koa ny Praiminisitra Ravelonarivo isy ireo minisitra sasany.

Fandravonana ireo fanontaniana 22

Samy tonga avokoa ireo hery velona eto amin’ny firenena, toy ny mpanao politika , ny avy amin’ny finoana silamo, ny delegasion’ny fiangonana katolika, ny fiarahamonina sivily… Tombanana ho maherin’ny 1 500 any ho any ireo mpizaika. “Mbola any an-dalana ho avy ireo solontena sasany”, hoy ny filohan’ny FFKM.

     Nialohavan’ny fotoam-pivavahana notarihin’ny FFKM ny fanokafana. Narahin’ny lahatenin’ny filoha Rajaonarimampianina ary nofaranan’ny filohan’ny FFKM izany.

     Tsiahivina fa fanontaniana 22 niainga teny anivon’ny atrikasam-paritra no haravona amin’izao dinika izao ary mbola mifototra hatrany amin’ny Fieken-keloka, fibebahana, fahamarinana ary fihavanana (4F) izany.

Synèse R.


Hazakaza-piarakodia : ireo maha samy hafa ny run sy ny rallye

$
0
0
Tanora

 Firenena azo lazaina ho maro mpankafy hazakaza-piarakodia i Madagasikara. Hoentina aminao am-bangovangony eto amin’ity pejy manokana “Tanora tsy Tara” ity ny maha samy hafa ny run sy ny rallye.

Anisan’ny fanatanjahantena miroborobo eto Madagasikara ny hazakaza-piarakodia. Anisan’ny be mpankafy ihany koa, indrindra ireo tanora. Misy karazany maromaro izany, toy ny run, rallye sy slalom, sns, saingy, ny run sy ny rallye no hoentina aminao eto ny mahakasika izany eto Madagasikara.

Ho an’ny rallye manokana, fifaninanana fanao amina toerana voafaritra maromaro, izay saika amina lalana ambanivohitra avokoa ny 90%-n’ny fifaninanana. Kilometatra anjatony maro ihany koa no hifaninanana aminy. Tsy maintsy olon-droa no miaraka, mpanamory sy mpanamory mpanampy, ary tsy maintsy manana fanamiana mifanaraka amin’ny rallye avokoa ireo mpifaninana rehetra. Efa misy fitaovana maromaro ampiasaina amin’izany, toy ny radio hifampiseraserana, sns. Andaniam-bola be ny fanomanana ny fiara amin’ny ankapobeny. Miankina tanteraka amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny klioba, mpanamory sy ireo mpanohana ihany koa.

Eo amin’ny run indray, avy hatrany dia amina toerana voatokana sy voafetra no hanaterahana ny hetsika. Tsy maintsy amina lalana mahitsy vita amin’ny tara ary mirefy 400 m ihany no hizoran’ny fifaninanana. Tsy maintsy fiara roa milahatra isaky ny dingana no mifaninana amin’izany. Eo amin’ny lafiny mekanika, anaty môtera kosa ihany no tena mila fanomanana goavana eo amin’ny run.

Lafiny hitovizana eo amin’izy ireo indray, samy mandeha amin’ny adim-pamantaranandro ny fifaninanana ka ireo izay manana fe-potoana tsara indrindra no maharesy, sns.

« Festival » momba ny dihy : hiitatra any Toamasina ny « Arondihy »

$
0
0

 Mivoatra hatrany ary efa manana ny toerany amin’ireo hetsika ara-kolontsaina fanao isan-taona eto amintsika ny “Arondihy”, “festival” manome lanja ny karazan-dihy rehetra. Porofon’izany, hiitatra any Toamasina izany amin’ny andiany fahefatra, hatao ny 1 hatramin’ny 9 mey izao.

Ho an’ny eto Antananarivo, toerana enina no ahitana fampisehoana dihy mandritra ny “Arondihy”: zaridainan’Andohalo, Cercle germano-malagasy, Cemdlac, AFT, IKM Antsahavola ary ny etsy amin’ny Paprika. Horaisin’ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy kosa ny vela-kevitra. Any amin’ny Alliance française, Sociale Canada ary eo anoloan’ny lapan’ny Tanàna kosa ny any Toamasina, ny 4 hatramin’ny 7 mey.

Raha tsiahivina, fanaon’ny Lamako Events, mpikarakara ny “Arondihy”, ny manao antso ho an’ireo rehetra te handray anjara amin’ny seho samihafa, mandritra ity hetsika ity. Natao ny oktobra teo izany, ho an’ny “Arondihy” andiany fahefatra. “Mihamaro hatrany ny namaly ny antso, indrindra ny tany Toamasina, nisy tarika valo. Izay indrindra no nahatonga anay nisafidy ity toerana ity hanitarana ny hetsika”, hoy i Santatriniaina Fanouh, mpikarakara.

 

Haneho ny talentany ireo mpiofana

Mahazatra ihany koa, ny fizarana traikefa sy fanofanana momba ny dihy, volana vitsy mialoha ny “Arondihy”, isan-taona. Tamin’ity, nisy atrikasa roa ka ny voalohany, natao ny janoary teo, mikasika ny dihy nentim-paharazana betsimisaraka sy ny “modern jazz”. Niompana tamin’ny “dance hall” sy ny dihy nentim-paharazana antandroy kosa, ny natao tamin’ny marsa teo.

Nahatratra 30 mahery ny nandray anjara tamin’ireo atrikasa fiofanana ireo, izany hoe, betsaka kokoa noho ny tamin’ny teo aloha, raha ny fanazavan’ny Lamako Events hatrany. Handray anjara amin’ny fampisehoana koa ireto mpiofana ireto.

Landy R.

Sarimihetsika malagasy : lalaovin’ny « ekipa solida » ny « Izy mianaka »

$
0
0
IZYMIANAKA

Ankoatra ireo mpilalao vaovao noraisina tamin’ny « casting » tao Antsirabe, «… « ekipa solida » no mamelona ny sarimihetsika « Izy mianaka » », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Horizon. Nanaporofoan’izy ireo ny fisian-dry Razoary sy Pasitera, Raly sy               Dr. Nasolo, Anja (Nina “Tsindry aloka”), Rova (Ninie “I Neniko”). Fantatra fa hivoaka anio manerana ny Nosy ity sarimihetsika vaovao nosoratan-dRazafindrakoto Sahoby ity. Natao tany Antsirabe ny fandraisana ny sary.

Mpivady tsy vita soratra i Olivier sy Zenaba. Miara-mipetraka aminy ao i Boonie, zanak’i Zenaba sy Eli, zanak’i Olivier. Mba hahafahan’i Boonie sy Zenaba migalabona amin’ny haren-dRaôly, natao daholo ny hevitra rehetra hanaovana ny soratr’izy mivady lehibe. Tsy araky ny tetika nomanina anefa ny niseho fa i Eli no hanambady an’i Rojo, zanak’i Cathy, mpivarotena miafina… Nivadika tanteraka ny rasa.

HaRy Razafindrakoto

 

Kitra : nanamafy famonoam-baolina ny Cnaps Sport

$
0
0
Cnaps 29 avril

 Hotanterahina ny alahady 3 mEy izao, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny «Super coupe de Mada», taranja baolina kitra. Fihaonana hifanandrinan’ny Cnaps Sport, tompondakan’i Madagasikara, sy ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara.

Efa ao anatin’ny fanomanana izany ireo ekipa roa tonta, ankehitriny. Raha ho an’ny Cnaps Sport manokana, ny fanamafisana ny famonoam-baolina nataon’i Typeh, mpanazatra. “Tsy ampy ary mbola tena lesoka ny tsy fahaizan’ny lohalaharana mamono baolina ka izay no tena nifantohan’ny fanazarantena”, hoy izy. Efa ao tsara kosa ny fiarovantena, araka ny fanamarihany satria baolina tokana monja, no tafiditra tao amin’ny Cnaps Sport, tao anatin’ireo lalao telo notanterahiny, taorian’ny lalao afrikanina, natrehiny farany teo. Mahakasika ireo mpilalao indray, roa no ao anatin’ny tsy fahasalamana ankehitriny dia i Leda, mpiandry tsatoby sy Olivier, vodilaharana. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko, ny roa tonta, nandritra ny lalao mandroso, tany Miarinarivo notanterahina tamin’ny taon-dasa.

Marihina fa ao anatin’ny fanomanana ny famaranana, hiadiana ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina (CCOI), ihany koa ny Cnaps Sport, amin’izao fotoana izao.

 Tompondaka

Beach soccer – «Mondial 2015» : tafara-bondrona ny Barea sy Rosia tompondaka eran-tany

$
0
0
beach2904

 Tafiditra ao anatin’ny sokajy maozatra ny Barea de Madagascar, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny beach soccer, hotanterahina any Portugal. Ny tompondaka eran-tany no hifanehatra aminy.

 

Tontosa omaly, tao Espinho, Portugal, ny fisarihana ireo firenena 16 tafita hiatrika ny «Mondial 2015», taranja beach soccer. Fifaninanana hotanterahina any Portugal, ny 9 ka hatramin’ny 19 jolay ho avy izao. Ao amin’ny sokajy «D» no misy ny Barea de Madagascar, miaraka amin’i Rosia, tompondaka eran-tany farany, sy Tahiti, laharana fahefatra eran-tany ary Paraguay.

Tafiditra ao anatin’ny vondrona maozatra ny ekipam-pirenena malagasy. Niaiky izany rahateo i Claude Barrabé, mpanazatra. «Tsy mora ny miandry ny Barea satria hifampitady amin’ny ekipa tompondaka eran-tany. Eo koa i Tahiti, izay niatrika ny lalao manasa-dalana, tamin’ny Mondial 2013. Tsy maintsy miomana mafy ny mpilalao rehetra», hoy izy.

Ireo rehetra nandray fitenenana nandritra ny lanonana omaly, samy nanamarika fa ny dingana vitan’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika farany teo ka nahafahany mandray anjara voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Anisan’ireny, i Joan Cuscó, mpikambana ao amin’ny komision’ny beach soccer, eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Teo koa i Christian Karembeu, mpilalao tao anatin’ny ekipam-pirenena frantsay, tamin’ny taona 1998, izay nilaza fa hanaraka akaiky ny Barea de Madagascar, amin’ity fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ity.

Ankoatra izay, tafara-dia amin’i Portugal, mpampiantrano ny Liona avy any Téranga an’i Sénégal, ekipa faharoa, ho an’ny kaontinanta afrikanina.

Raha ny fandaharan-dalao, mihaona avokoa ireo ekipa efatra isam-bondrona ka miatrika ny lalao ampahefa-dalana, ny roa voalohany isan-tsokajy. Lalao izay hotanterahina ny 16 sy 17 jolay. Ny 18 jolay ny manasa-dalana ary ny ampitson’io ny famaranana.

 Tompondaka

 Ireo fitsinjaram-bondrona :

Sokajy «A» : Portugal ; Japana ; Arzantina ; Sénégal

Sokajy «B» : Soisa ; Oman ; Italia ; Costa Rica

Sokajy «C» : Brezila ; Meksika ; Espaina ; Iran

Sokajy «D» : Rosia ; Paragoay ; Tahiti ; Madagasikara

« Fitia Kilalaky » : ho etsy amin’ny Le Jardin i Tsiliva

$
0
0
TSILIVA

Fampisehoana ankalamanjana foana hatramin’izay no tena mahazatra ny mpankafy an’i Tsiliva. Tato ho ato kosa, niezaka nizara ny forona vaovao ity mpanakanto mpanjakan’ny kilalaky ity, ka nisy tamin’ireny ny mety tsara amin’ny lanonana an-trano. Ho an’izay liana, hizara ny « Fitia Kilalaky » etsy amin’ny Le Jardin, Chez Claudia By Pass i Tsiliva ny alin’ny zoma 1 mey ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora alina.
Tsy hohadinon’i Tsiliva ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay, anatin’ny fotoana fandihizana. Hisy ampahany amin’ny seho koa, natao hihainoana kokoa ireo hira fotsiny. Aorian’ny sehon’i Tsiliva, hitohy amin’ny alim-pandihizana iarahana amin’ireo mpampandihin’ny toerana ny lanonana.

Zo ny Aina

Vatovavy Fitovinany : “Festival Aikarô” sy ny fampandrosoana

$
0
0

 Hatao any Mananjary ny 1 sy 2 mey ho avy izao ny « Festival Aikarô” nampanantenain’ny minisitry ny Fiompiana, Ramparany Anthleme, ny mponina any an-toerana. Amin’io fotoana io, tsiahivina na ampahalalana, indrindra ny tanora ny hasin’ny fomba amam-panao any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, nefa tsy misakana ho amin’ny fampandrosoana. Hitondra ny anjarany amin’ny fikarakarana io fety io ny fikambanana Finaritra, hanome fialam-boly ny mponina manontolo, hotarihin’ny tarika Dah’Mama.

Mandritra io fotoana io no hitondran’ny minisitra ny fanohanany ireo tetikasan’ny tanora any an-toerana. Tsongaina amin’izany ary tohanan’ny fikambanana Finaritra ireo tetikasa novolavolain’ireo tanora, heverina hitondra fampandrosoana marina sy hikajy ny lafiny fiaraha-monina sy ny fihavanana. Hisy, araka izany, famelabelaran-kevitra sy fihaonana amin’ny mpanao gazety hanazavana amin’ireo tanora ny tanjona tokony hotratrarina.

R.Mathieu


Mila fiahiana ny fahasalamana : mpiasa 6 300 isan’andro maty eo am-perinasa

$
0
0

 Mila apetraka isaky ny orinasa manara-dalàna na ireo tsy manaraka fenitra eto amintsika ny

kolontsaina miahy ny fahasalaman’ny mpiasa. Tsara kokoa ny misoroka ny aretina mety hitranga sy ny loza vokatry ny asa, araka ny fanambaran’ny solontenan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) eto amintsika, Ntsay Christian, omaly teny Anosy.

Maneran -tany, 6 300 isan’andro ny olona mamoy ny ainy am-perinasa na tratran’ny aretina vokatry ny asany. Fahavoazana miteraka voka-dratsy amin’ny toekaren’ny firenena isehoany.

Mahatsapa ny mpiandraikitra ny BIT eto an-toerana fa tokony hanaraka ny tolo-kevitra mivoaka amin’ny atrikasa mandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fiahiana sy ny fahasalamana eny amin’ny toeram-piasana ny fanjakana malagasy. Notsindriany manokana ny faneken’ny fitondrana misy ny fifanarahana iraisam-pirenena C.187 momba ny fampiroboroboana ny fiahiana sy fahasalamana eny amin’ny toeram-piasana. Manampy izay ny fametrahana rafitra manokana mitantana ny fiahiana ny mpiasa eo am-panatanterahana ny andraikiny.

Eto amintsika, tsy vitsy ny orinasa tsy miahy ny fahasalaman’ny mpiasa mivantana ary ireo manapaka noho ny aretina na loza avy hatrany soloina ny toerany. Zava-mitranga amin’ny orinasa, indrindra amin’ny orinasa afakaba izany.

Vonjy

EPP Ambalavato Ampanataovana : nizarana fitaovana ny mpianatra

$
0
0
EPP bira

 Nitambatra ny fikambanana mpanao asa soa telo samy hafa ka nanolotra fitaovana an-tsekoly ho an’ireo mpianatra mihoatry ny 100 ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra ao Ambalavato Ampanataovana. Tsy iza ireo fikambanana ireo fa ny Amicale de Montgeard any Toulouse, Frantsa, ny fikambanana Miary sy ny avy ao amin’ny “groupe Gaston”, izay samy avy ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra.

Nambaran’ny talen-tsekoly, Rakotoarisoa Noël fa 500 ny mpianatra ao amin’ity EPP Ambalavato Ampanataovana ity. Mpianatra zanaky ny fianakaviana sahirana ao an-toerana ny ankamaroany. 13 kosa ny mpampianatra izay ahitana mpampianatra FRAM telo mianadahy.

Raha eo amin’ny taham-pahafahana amin’ireo fanadinana ara-panjakana, ny taom-pianarana 2013-2014, nahatratra 89,75 % teo amin’ny CEPE ary 78% kosa, ireo mpianatra tafiditra ao amin’ny kilasy  faha-6.

Ny fikambanana Amicale de Montgeard avy any Toulouse Frantsa no nanamboatra tanteraka ilay trano sekoly iray tao amin’ity EPP Ambalavato Ampanataovana ity, izay simba tanteraky ny tafio-drivotra ny faran’ny taona 2010.

Nambaran’ny vadin-dRakotonindrina Gaston avy ao amin’ny “groupe Gaston” fa tsy hisy olona hilatsa-kofidina mandritra ny fifidianana kaominaly fa fanampiana madiodio ny hetsika.

 Jeannot Ratsimbazafy

Fifamoivoizana : posikileta 30 isan’andro giazana ao Toliara

$
0
0
posy

 Mbola maro ireo posikileta tsy ara-dalàna tsy manana taratasy fahazoan-dalana hivezivezy aty Toliara. Isan’andro, ampolony maro ireo posikileta giazan’ny polisy kaominaly eto an-drenivohitry ny kaominina Toliara. Maro amin’izy ireo mantsy no tsy ara-dalàna ny taratasy mahakasika ilay posy. Ny ankamaroan’ireo posy ireo, azo amin’ny halatra na namidin’ireo mpitarika azy ihany amin’ny olon-kafa ka mahatonga ny tsy fisian’ny taratasy ara-dalàna. Tsapa ihany koa fa tsy manana taratasy fahazoan-dalana mitondra posy ny mpitarika posy sasany. Vokatry ny fisavana ataon’ny polisy kaominaly aty an-toerana, posy telopolo mahery isan’andro no giazana amin’izany. Anisan’ny miteraka lozam-pifamoivoizana matetika ny fahamaroan’ireo posy tsy manara-dalàna eto Toliara, ka mahatratra 80% ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny posiposy.

CMS

«Foot en salle» : mbola mandray fisoratana anio

$
0
0
Ultima 2904

 Hatao anio alarobia, amin’ny 12 ora antoandro, eny amin’ny Urban Futsal, ny fivoriana ara-teknika, sy hitsinjarana ny vondrona misy ireo ekipa mpandray anjara, amin’ilay «jeu corporatif», amin’ny baolina kitra lalaovina anaty efitrano «foot en salle». Fihaonana hotontosaina eny amin’ny kianja Urban Futsal Andraharo ihany, ny asabotsy 2 mey, tontolo andro. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ad’Hoc partner, mikarakara ny hetsika, mbola afaka misoratra anarana mialoha io ora io, izay mbola te hifaninana amin’ity fihaonana ity.

Nomarihiny kosa fa natokana ho an’ireo mpiasa amina orinasa, tsy manana kara-pilalaovana eo anivon’ny seksiona na ligy ity «jeu corporatif» ity. Ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ireo ekipa handray anjaran araka izany, ny Ad’Hoc partner. Hatreto, efa maro ireo nisoratra anarana. Ankoatra ireo valo izay nanamafy ny fandraisana anjara, niditra an-tsehatra koa ny ekipan’ny Adema sy ny Omnis ary Newpack.

 Tompondaka

Raboanary Hanta : « Nampikatso ny fampianarana ny krizy lavareny »

$
0
0
hanta

 Nitondra ny heviny mikasika ny tsy nahatraran’i Madagasikara ny tanjon’ny fampanjakana ny fanabeazana ho an ’ny rehetra ny sekretera jeneralin’ny vaomiera nasionaly malagasy ho an’ny Unesco, Raboanary Hanta. « Nahery vaika ny krizy ka nampikatso ny ezaka », hoy izy. Resadresaka.

 

Gazety Taratra (*) : 15 taona lasa izay ny naneken’i Madagasikara ny hampiroborobo ny fampianarana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka. Aiza ho aiza ny ezaka vita amin’izao ?

Raboanary Hanta (-) : Manamarika ny faha-15 taonan’ny herinandron’ny hetsika iraisam-pirenena hanairana ny tompon’andraikitra mikasika ny fampianarana ho an’ny rehetra tokoa isika izao. Raha ny tombana, nisy ny ezaka vita tany amin’ny taona 2000 hatramin’ny 2008 talohan’ny krizy. Niara-nahita ny dingana nataon’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga tamin’izany fotoana izany. Rava tampoka anefa ny ezaka natao vokatry ny krizy lalina teto amin’ny firenena. Nandritra ny dimy taona, latsaka an-katerena ny firenena ka toy ny nihemotra mihitsy aza ny lentan’ny fampianarana teto amintsika.

Enina ny fanamby napetraka ka anisan’izany ny fiahiana sy ny fanabeazana ny ankizy madinika. Eo koa ny fanatsarana ny tahan’ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra ho 50% eo amin’ireo olon-dehibe, indrindra ny vehivavy. Iaraha-mahalala anefa fa tsy mbola tanteraka izany.

*Inona ny fanarenana hanatrarana ny tanjona ?

-Nanomboka tamin’ny taon-dasa ny dingana vaovao noraisin’ny fanjakana ankehitriny. Aisan’izany ny tohana hatao amin’ireo ankohonana vitsivitsy hahafahany mampiana-janaka. Eo koa ny fampihenana ny tahan’ny famerenan-taona sy ny fialana an-daharana an-tsekoly. Ankoatra ireo ny fananganana sy fanampiana ara-pitaovana ny sekoly, izay hitadiavana fiaraha-miasa hatrany.

Ankoatra ireo, miara-miasa akaiky amin’ny Unesco ny Conamept, izay ivondronan’ny fiarahamonina sivily miantsehatra eo amin’ny fampianarana. Miara-mikendry ny hanatrarana ny tanjon’ny fanabeazana ho an’ny rehetra. Manaitra ny tompon’andraikitra rehetra hanatratra ny fanamby efa nanaovana sonia tany Dakar 15 taona lasa izay.

Tatiana A

Viewing all 70313 articles
Browse latest View live