![VENTREtaratra]()
Hevitra hifanarahana no hivoaka aorian’ny asabotsy izao, izany hoe, aorian’ny Fihaonambe nasionaly momba ny fampihavanam-pirenena, tarihin’ny FFKM, nanomboka omaly, eny amin’ny CCI Ivato.
« Hivoaka amin’ny fihaonana ny hevitra hifanarahana. Hitarika ho amin’ny fitoniana ny fampiharana ireo hevitra samihafa hivoaka amin’izao fihaonana nasionaly izao. Tomponandraikitra voalohany amin’ny fampiharana izany ny fitondram-panjakana ankehitriny. »
Nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny pasitera Rasendrahasina Lala Haja, io tamin’ny fanombohana ny fihaonambe nasionaly momba ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM, eny amin’ny CCI Ivato, nanomboka omaly.
« Fitarihana ihany ny an’ny FFKM. Tokony hifameno ny ezaka rehetra amin’ny fampihavanana eo amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena. Ao an-tsaina manokana ny ezaka ataon’ny FFM. Zava-dehibe ny fifamenoana fa tsy fifamonoana », hoy izy.
Tanjona ny fihavanan’ny Malagasy
Ny tanjona, mihavana ny mponina eto amin’ny Nosy, manomboka amin’ny mpanao politika. Nanombohana ny dingana tamin’ireo filoham-pirenena sy ny solontenany izay. Hamoaka ny sori-dalana hirosoana amin’ny tena fihavanana ny mpizaika. Manamora ny fifampidinihana ny FFKM.
Fototry ny olona eto Madagasikara ny politika. Fototry ny asa rehetra tanterahina amin’ny fampihavanana ny fampiharana ny « F » efatra. Mba hahatonga ny fomba fanaovana politika hiarina izany.
« Mba hisy eto ny politika mampihavana, iainana ny sosialy hanjakan’ny fihavanana mirindra, toekarena mandrosoa satria miaina ao anatin’ny fihavanana ny mponina », hoy ihany izy. Miresaka ny amin’ny sosialy sy toekarena ny vokatry ny « F » efatra, miady hevitra ny amin’ny politika.
Maniry fahamarinana sy fiadanana ny Malagasy
Maniry hiaina amin’ny fahamarinana sy ny fiadanana hisian’ny fampandrosoana marina ny Malagasy. Tsy ho tanteraka izany raha tsy eo ny fampihavanana. Voarazaran’ny politika ny Malagasy, manjary tsy mifampitoky mitondra ho amin’ny korontana sy endrika ady eo amin’ny fiarahamonina, indrindra eo amin’ny fiainam-pirenena.
Tsy misy afa-tsy ny fiainana ny fiaiken-keloka, ny fibebahana, ny fahamarinana, ny fihavanana, na ny « F » efatra, ny lalana mitondra ho amin’ny fampihavanana. Mba hihavanan’ny samy Malagasy sy izay rehetra monina eto Madagasikara izany.
Misy fifanoherana ny nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina
Tokony homen-danja amin’ny fampihavanam-pirenena ny famotsoran-keloka sy ny fanoherana ny tsimatimanota, araka ny nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina. Tsy mifanohitra ve izany? Raha homen-danja ny famotsoran-keloka, nefa toherina koa ny tsimatimanota. Raha toherina ny fisian’ny tsimatimanota, tsy tokony hisy famotsoran-keloka. Tena resy lahatra sy vonona amin’ny fampihavanam-pirenena ve ny mpitondra?
R.Nd.