Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70636 articles
Browse latest View live

CFM: “Mba hahay hifidy ireo mpifidy”

$
0
0
“Amin’izao ankatoky ny fifidianana loholona eto Madagasikara izao, manao antso avo izahay ato amin’ny CFM hitandroana ny fihavanana. Zava-dehibe ho antsika io fifidianana io, satria olon-dehibe ary ho mpikamban’ny andrimpanjakana mpanao lalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana no hofidina.”      Io ny fanambaran’ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM), i Maka Alphonse, amin’izao […]

Toetr’andro: hitohy ny andian-javona eto afovoan-tany

$
0
0
Nanamarika ny mpamantatra ny toetry ny andro fa hisy ny andian-javona ao anatin’ny telo andro misesy ho an’ny eto afovoan-tany. Mety hanelingelina amin’ny fifamoivoizana izany ny maraina ka mila mitandrina ireo tsy maintsy mandeha vao mangirandratsy. Anio, handrahona tanteraka ny any Ankazobe ny maraina ary hanevokevoka ny andro. Rahampitso kosa, heverina ny hisian’ny rotsak’orana amin’ny […]

Ady amin’ny kere any Atsimo: hanambatra ny ezaka ny mpiara-miombon’antoka

$
0
0
Nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka vaventy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly. Nidinika ny vahaolana entina hiadiana amin’ny kere mampijaly ny mponina any atsimon’ny Nosy izy ireo tamin’izany. Ny vondrona eoropeanina, Pam, USAID ary ny Unicef, ireo no nidinika niaraka tamin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, omaly. Namaritra ny asa goavana iarahana ary nametrahana ireo tetibola manokana ho entina hiadiana […]

Indray mijery

$
0
0
Tsy manana finiavana hidinika amin’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana ny mpitantana ny minisitera mpiahy, hoy ny filohan’ny sendikàn’ny paramédicaux, Ralibera Jerisoa, omaly. Maro ny olana sedrain’ny mpiasa ilana fifanakalozana amin’ny mpitantana hitadiavana vahaolana ary anisany ny indemnité de réquisition, nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Coronavirus teo iny. Manoloana izany, miantso ny mpikambana rehetra any amin’ny faritra […]

MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana

$
0
0
Miezaka mitondra sy manome vitrika ho an’ireo manan-talenta amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto ny minisitera misahana izany. Iray amin’ireny ny fanolorana mari-pankasitrahana. Ho fankaherezana amin’ny tontolon’ny zavakanto…. Notoloran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina mari-pankasitrahana ireo tanora 163, izay mpianatra avy ao amin’ny ivontoeram-panofanana momba ny dihy sy ny mozika Cnemd, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. […]

RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana »

$
0
0
Mitondra zava-baovao hatrany ny mpikarakara ! Tao anatin’ny taona maro nisiany, tany anaty efitrano no nanatontosana ny ankamaroan’ny fandaharam-potoana tontosaina mandritra ny « Rencontres du film court » na ny RFC. Amin’izao andiany faha-15 izao, niova sy nohatevenina izany. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Rozifilms sy ny orinasa Orange Madagascar ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hisy ny « Cinemalagasy […]

TARATRY NY KANTO

$
0
0
 Nampoina  – No dose by Trano Bongo Tanjombato Hafampana ny faran’ny herinandro … Hitondra mozika mahafinaritra i Nampoina, anio zoma 20 novambra, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny No Doze by Trano Bongo Tanjombato. Ao anatin’izany ny hira “acoustique” iarahan’i Nampoina amin’i Harty Andriambelo, izay manana ny mampiavaka azy ihany koa. “Seho maimaim-poana izy […]

Kitra – Fifanintsanana Can 2022: tsy tokony hisy olona ivelan’ny Barea miditra an-tsehatra

$
0
0
Mbola ambentin-dresaky ny olona hatrany aloha ny lalao nikatrohan’ny Barea de Madagascar, tamin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny talata 17 novambra lasa teo. Betsaka ny fanakianana, izay tokony handraisana fepetra hanatsaran-javatra. Tsy nisy tsy nahazo fanakianana na mpilalao na mpanazatra na ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), taorian’ny lalao nifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i […]

Hatao any Toamasina ny “Judo Tour” andiany fahatelo

$
0
0
Hetsika iray hanamarihana ity taom-pikatrohana 2020 ity no sady tsy hahataona fotsy izany, ny andiany fahatelo amin’ny “Judo Tour”, karakarain’ny klioba Atrika, ligin’Atsinanana, taranja Judo. Ny 26 hatramin’ny 30 novambra izao ny hanatanterahana izany any Toamasina. Araka ny fanazavan’ny mpitantana ny klioba, Raoelison Annie, misokatra ho an’ny ligy rehetra manerana ny Nosy ity hetsika ity […]

Tetikasa Ambatovy: hiverina hisokatra afaka volana vitsy ny fitrandrahana

$
0
0
Herintaona mahery izao ny nanendrena ny SEM. Higuchi Yoshihiro ho masoivohon’i Japana  hiasa eto Madagasikara sy ny Nosy Kaomoro. Anisan’ny notsidihiny ny orinasa Ambatovy, satria manana petrabola be indrindra ao ny orinasa japoney, Sumitomo (55%). Fampiasam-bola lehibe indrindra aty Afrika ny tetikasa Ambatovy. Nilaza ny masoivohon’i Japana, miasa eto amintsika, SEM. Higuchi Yoshihiro, fa tsy […]

Fiaraha-miasa 3P: trano fonenana ho an’ny mpikambana Cnaps

$
0
0
Ao anatin’ny velirano faha-11 nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny fampiroboroboana ny trano fonenana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Napetraka ny Antokon-draharaha nasionaly hanohanana ny trano fonenana (Analogh), orinasam-panjakana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MTTP), sady miara-miasa amin’ny minisitera lefitra miadidy ny Tanàn-dehibe vaovao sy ny trano fonenana (VMVNH). Ny […]

Lalàna harena an-kibon’ny tany: dinihina ny famerana ny taha sy ny sarany

$
0
0
  Manan-danja lehibe amin’ny toekarena hampandrosoana an’i Madagasikara ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Mila paikady mazava sy mirindra anefa izany. Eo am-pamolavolana, ankehitriny, ny fanavaozana sady fanatsarana ny lalàna mifehy azy, ary mandray anjara avokoa ny sehatra voakasika rehetra isan-tsokajiny. Natsangana, ny janoary 2020 teo, ny vaomiera iombonana ahitana ny fiarahamonim-pirenena, ny sendikan’ny mpitrandraka, […]

PMU bet261: miverina ny Quinté +

$
0
0
Nampahafantarina, omaly, ny fiverenan’ny lalao Quinté 261, karakarain’ny PMU Bet. Mampiavaka azy ny lalao hazakazan-tsoavaly amin’ny fahitalavitra, natao ho an’ny Malagasy fa tsy miaraka amin’ny lalao iraisan’ny firenena 40, ahitana ny PMU Bet. Araka ny efa nahafantarana azy, ny fampilaharana ny soavaly dimy tonga voalohany no ahazoana loka amin’ny Quinté 261. Misy ny laharana dimy […]

“Tournoi Est”: hanomboka rahampitso ny fifaninanana

$
0
0
Araka ny efa nampanantenain’ny fikambanana “Espoirs Sportifs de Tuléar”, hisy ny hetsika ara-panatanjahantena karakaraina mialoha ny faran’ny taona. Araka ny tapaka, hanomboka rahampitso 21 novambra io fifaninanana mitondra ny anarana hoe “Tournoi Est”. Sokajy maromaro, hahitana ny Vétéran lahy sy vavy, sokajy latsaky ny 18 taona, 16 taona, 14 taona lahy sy vavy ary ny […]

Kaominina Fiaferana: nankasitrahana ireo mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana

$
0
0
Tsy nijery fotsiny ireo mpianatra mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana teo ny ben’ny Tanànan’i Fiaferana. Notolorana mari-pankasitrahana izy ireo, omaly. Nankasitraka ny mpianatra mendrika nitana ny laharana telo voalohany nandritra ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ary bakalorea ny ben’ny Tanànan’i Fiaferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano, Andrianaho Ratovelomanana, omaly, teny amin’ny biraon’ny kaominina. Ireo mpiadina telo nisongadina tamin’ny fanadinana CEPE […]

Kitra vehivavy- Teratany malagasy : miketrika ny hitsara ny “Mondial 2023” i Lidwine

$
0
0
Anisan’ireo mpitsara baolina kitra vehivavy malagasy, hiady toerana amin’ny “Mondial 2023”, Rakotozafinoro Pélagie Lidwine. Tafiditra ao anatin’ireo 19 “présélectionnées” eto Afrika, ny tenany. Tsiahivina fa ny volana jolay 2023 ny hanaovana io fihaonana an-tampony amin’ny baolina kitra vehivavy io ka firenena roa no hampiantrano izany dia i Aostralia sy i Nouvelle-Zelande. Ao anatin’ireo mpitsara mpanampy […]

Budget 2021: Le PLFI présentée à l’Assemblée nationale

$
0
0
Le ministre de l’Economie et des finances, Richard Randri­a­mandranto a présenté le Projet de loi de finances initiale (PLFI) 2021, durant la séance plénière à l’Assemblée nationale à Tsim­ba­zaza, hier. Disponible depuis mardi sur le site du ministère de l’Eco­nomie et des finances, le texte prévoit un taux de croissance économique de 4,5% en 2021. […]

Rapatriement de devises : les opérateurs économiques montrent peu d’enthousiasme

$
0
0
Près de 3.000 sociétés exportatrices et importatrices sont en situation irrégulière par rapport à leur obligation de rapatriement de devises, après la levée de l’état d’urgence sanitaire. Leurs comptes d’opération de change sont suspendus jusqu’au rapatriement de leurs devises à Madagascar, annonce le ministère de l’Economie et des finances (MEF). Améliorer le cours de l’ariary. […]

Airtel Madagascar : le challenge «Airtel Mandresy» lancé

$
0
0
Hier à son siège à Alarobia, Airtel Madagascar a annoncé officiellement le lancement la 7e édition d’un challenge dédié aux revendeurs de carte Sim sur tout le territoire national, du 20 novembre au 31 janvier 2021. L’objectif étant de stimuler les forces de vente des cartes Sim. «Chez Airtel, nous croyons en la force du […]

Eco brèves

$
0
0
La Direction générale de la sécurité routière (DGSR) informe les usagers que le Centre de visite technique, installé provisoirement à la Gare routière Maki Ando­ha­ta­penaka, sera fermé à partir de ce lundi. Les concernés sont invités à rejoindre les centres de visite technique à Betongolo, Alasora/By-pass et Ivato. Notons que ce Centre de visite technique […]
Viewing all 70636 articles
Browse latest View live