Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70642 articles
Browse latest View live

Fanafihana teny Itaosy: jiolahy iray maty voatifitry ny polisy

$
0
0
Nanafika tokantrano miisa telo, eny Ambohidrapeto Itaosy, ny andian-jiolahy tsy misaron-tava miisa 10 nirongo basy, ny asabotsy alina teo tokony ho tamin’ny 11 ora. Lasan’izy ireo tamin’izany firavaka volamena, ny vata fahitalavitra ary ny finday sy ny vola mitentina 300 000 Ar. Ny antso vonjin’ny manodidina no nampandre ny polisy ka nisian’ny fifanenjehana. Nisy ny […]

Tontolon’ny fitsarana: voafidy ho filohan’ny SMM i Clément Jaona

$
0
0
Ny mpitsara mpamoaka didy, ny kaomisera momba ny lalàna eo anivon’ny Filankevi-panjakana, i Clemenet Jaona, no voafidy ho filoha vaovao hitantana ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), mandritra ny telo taona, araka ny voka-pifidianana natao ny 15 febroary lasa teo. Efa filoha lefitry ny SMM teo aloha izy, tamin’ny fe-potoam-piasana nitantanan’ny mpitsara Ernaivo Fanirisoa. Mpifaninana […]

Andotiana: ho tonga ny zoma izao ny razana

$
0
0
Ho tonga eto an-tanindrazana ny zoma 22 febroary ho avy izao ny nofo mangatsiak’i Andotiana, ilay tovovavy malagasy maty tany Rennes, Paris. Ny faran’ny herinandro teo ny nahitana ny razana, tao anaty rano. Tsy mbola nisy ny fanazavana nomen’ny polisy frantsay ny amin’ny antony mety ho nahafaty azy ity. Toy izany koa, tsy mbola nitondra […]

Kanto ankehitriny: mampiasa ny fientanam-po i Joël Andrianomearisoa

$
0
0
Mpanakanto tanora manana ny laza iraisam-pirenena. Tsy mitsaha-mikaroka sy mamorona eo amin’ny kanto ankehitriny. Sehatra maro ny efa nahita ny sanganasan’i Joël Andrianomearisoa… Tsy hadino i Madagasikara ! Nihaona tamin’ny mpankafy ny kanto ankehitriny, tetsy amin’ny IFM Analakely, i Joël Andrianomearisoa, ny asabotsy teo. Anisan’ny nisongadina nandritra io fihaonana io ny nanazavany ny antony nitiavany ny […]

Cemdlac – Kaompania Rary: mahatratra efatra ny soradihy haseho

$
0
0
Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ivonkolo Cemdlac etsy Analakely sy ny kaompania Rary, hanana toerana sy homena lanja lehibe ny fampivelarana ny soradihy, manomboka amin’ity taona ity. Hisantarana izany, ny zoma 22 febroary manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ny fanehoana soradihy efatra iangalian’ireo efa manana traikefa matanjaka amin’izany. Ny soradihy « Teny 4 », ny « Ecorché », […]

« Pejy faharoa »: tsara fiainga i Nate Tex sy ny « Zara kanto »

$
0
0
Efa nisy ihany ny seho maromaro teo aloha… Fa ny « Pejy faharoa », fampisehoana notanterahina tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly,  no tena nandrefesana sy nitsapan’i Nate Tex ny fitiavan’ny olona azy. Tsara fiainga ny tovolahy sy ny « Zara kanto » (lohahevitra voiziny amin’ny mozika) satria tonga maro ny olona. Somary nanantombo kokoa ny tanora. Na izany aza, […]

Rakotomanga Eric: « Manalasala ny fanavaozana ny lisi-pifidianana »

$
0
0
« Manalasala be ihany ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao. Ny fitarihan’ny Ceni amin’ny fanentanana ve no mety sa ny lehibem-pokontany sy ireo mpiara-miasa aminy no omena vola hoenti-manentana ny olom-pirenena hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana? » Io ny fanontanian’ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric, momba ny tahan’ny olom-pirenena misoratra anarana amin’ny fanavaozana isan-taona lisi-pifidianana, tsy […]

Clément Jaona: « Izao vao mandeha ny fampiharan-dalàna »

$
0
0
« Raha izao fandehan-javatra izao, izao vao mandeha amin’ny tokony ho izy ny fampiharana ny lalàna. Milaza isika ny hoe fanjakana tan-dalàna. Natao ho an’ny sarambabem-bahoaka ny lalàna taloha fa tsy natao ho an’ny mpitondra. Io ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna, vao vaofidy ho filohan’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) farany teo, i Clément Jaona, momba […]

Ambositra: nisaorana ny vahoakan’Ambositra

$
0
0
Noho ny fandresena miezinezina azon’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo, nisaotra ny vahoakan’Ambositra ireo mpitantana, tarihin’i David Exedy, itambaran’ireo fikambanana IRD IRK ao an-toerana. Notanterahina tao an-drenivohitr’Ambositra, Antampon’i Vinany, izany, afakomaly. Ankoatra ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao sy ny fisaorana ireo vahoakan’Amoron’i Mania, distrikan’Ambositra, natao ho famaliana fitia ny hetsika, […]

Fifidianana depiote: hamory ny antoko ny Ceni

$
0
0
  « Efa misy ny fepetra raisin’ny Ceni amin’izao fotoana izao, ary handeha hiteny ny faritra 22 amin’ny famoriana ireo antoko politika rehetra izy. Hamory ihany koa ny firaisamonina sivily rehetra ny Ceni, ny tsy miankina izay te hirotsa-kofidina sy izay te hahafantatra rehetra… » Izay ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny […]

« Afroleague 2019 »: laharana faha-4 amin’ny vondrona D ny ekipan’ny CosPN

$
0
0
Nifarana, omaly alahady, ny lalao fifanintsanana, ny vondrona D teo amin’ilay lalao “Africa Basket ball League”, notontosaina tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ekipa roa voalohany ny Smouha sy ny Petro Altelico. Laharana faha-4 farany kosa ny ekipa malagasy, ny CosPN. Nifarana hatreo ny lalan’ny solontena malagasy, niatrika ny lalao “Afroleague 2019”, taranja basikety. Tsy anisan’ireo […]

Rugby – Tompondaka “Elite regional”: hifandona amin’ny famaranana ny Afa sy Hiza 17

$
0
0
Niady ny lalao manasa-dalana ho an’ny fiadiana ny “Elite regional” Analamanga, taranja rugby, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tafakatra amin’ny famaranana tamin’izany ny Hiza 17 sy ny Afa rehefa nandavo ny Mang’art sy ny FTBA. Moka fohy 18 no ho 17 ny nanilihan-dry zareo Hiza 17 ny Mang’art, teo amin’ny manasa-dalana […]

Kung fu wushu: filoham-boninahitry ny Temple de Shaolin Ramaherison José

$
0
0
Mitombo indray ankehitriny ny lazan’ny taranja kung-fu wushu malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ireo voasoratra eo amin’ny tsangambato lehibe miditra ao amin’ny Temple de Shaolin ny anaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny kung-fu wushu, Ramaherison José. Fantatra izany nandritra ilay lanonana lehibe notanterahina tany Sina, ny 20 janoary lasa teo, ary nanendrena azy ho filoham-boninahitry ny […]

Tsipy kanetibe –“Mixte”: nivoaka ny anaran’ireo ekipa16 hiatrika famaranana

$
0
0
Araka ny tapaka, hatao, amin’ny 9 sy 10 marsa izao, ny famaranana lehibe, hiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy  » mixte », taranja tsipy kanetibe. Kianja telo hatreto no mbola hisafidianana handraisana izany: ny boulodrome CBT Mahamasina, kianja etsy Ambohimangakely sy ny boulodrome PAC etsy Ampitatafika. Ity farany izay azo lazaina fa tsara toerana amin’ny fandraisana izany, […]

Rugby à VII – La Réunion: mitohy ny fandresena ho an’ny Makis de Madagascar

$
0
0
Mitohy ny fahombiazana ! Fanazarantena fotsiny ny nataon’ny ekipa voafantin’i Madagasikara, ny asabotsy lasa teo tatsy amin’ny kianja Casabona, Saint Pierre, La Réunion, nandritra ilay lalao fanomanantena mialoha ny “Lalaon’ny Nosy 2019”, taranja rugby. Taorian’ny fandresena nisesy niisa telo, ny alarobia 13 febroary lasa teo, mbola tamin’ny isa mavesatra, 40 no ho 0, indray koa, ny […]

Amin’ny mey 2019: hovaina ny fomba fikajiana ny vidin-tsolika

$
0
0
Hametraka fomba vaovao fikajiana ny vidin-tsolika ny fanjakana, iarahana amin’ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpaninjara eto Madagasikara. Tokony hivoaka mialoha ny faran’ny volana mey izany. Nifarana, ny zoma 15 febroary teo, ny hetsika Herinandron’ny solika sy ny akoranafo, nokarakarain’ny minisiteran’ny Angovo sy ny rano ary ny akoranafo (MEEH). Ho an’ny minisitra, Andriamanga Vonjy, anisan’ny azo tsoahina […]

Cnaps: ezahina ny hiahiana ny tantsaha

$
0
0
Natao tany Ambositra ny hetsika manokana hanombohana ny taom-piasana 2019 ho an’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahina sosialy (Cnaps), ny 12 febroary hatramin’ny 14 febroary teo. Nambaran’ny tale jeneraly, Arizaka Rabekoto Raoul, fa “zava-bita hatramin’izao ny fiahiana ny mpiasa tsy miankina. Fa raha ny hevitry ny Cnaps, maro ny sehatra mila izany fiahiana izany ary mila […]

Fampianarana ambony: miavaka sy miezaka ny Iessi Itasy

$
0
0
“Misy ny ezaka ataon’ny mpitantana. Fa eo koa ny fiarahana miombona antoka amin’ny fampianarana ambony. Horaisina avokoa ireo afaka fanadinana bakalorea ary tsy hivangongo amin’ny toerana iray intsony… Tsy tokony hanana ahiahy ny mpianatra sy ny ray aman-dreny fa mitovy amin’ny eny Ankatso ihany ny oniversitem-paritra tahaka ny Iessi”, hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony, […]

Minisitry ny Asa, Ramampy Gisèle: « Nanahirana ny firafitry ny minisitera »

$
0
0
Tsy maintsy irosoana na sarotra aza. “Nodinihina teo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny rafitry ny minisitera isan-tokony. Nanahirana ny fandinihana izany. Efa vita anefa ny 99% amin’izany noho ny fandaminana natao. Tsy maintsy ampifanarahina amin’ny Fandaharanasam-panjakana (PGE) koa anefa izany ary misy ny asa maika”, hoy ny minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana, Ramampy Gisèle, […]

Nihaona amin’ny Reprmad-Unesco  ny minisitra Andriantsitohaina

$
0
0
Anisan’ny notsidihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Andriantsitohaina Naina, ao Paris, Renivohitr’i Frantsa, omaly, ny foiben-toeran’ny Unesco ahitana ireo solontena maharitra teratany malagasy. Nisy dinika sy fifanakalozana teo amin’ny roa tonta amin’izao fandalovan’ny minisitra any an-toerana izany. Tsiahivina fa mbola any an-toerana ny minisitra ary anisan’ny nitondra ny anjara biriky tamin’ny fikarohana an’i Andotiana sy ny famerenana […]
Viewing all 70642 articles
Browse latest View live