Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70662 articles
Browse latest View live

Antso vonjy amin’ny filoham-pirenena: mila vola 74 875 euros ny fitsaboana an’i Eric Fou Hehy

$
0
0
Mbola tsy natao ny fandidiana. Ny fanaovana « dialyse », mitohy hatrany. Tsy maintsy ampiarahina ny fandidiana ny voa sy ny aty… Mila fanampiana i Eric Fou Hehy… «Fito volana aho no aty, mafy ny zavatra nosedraina ary mbola mafy ihany koa ny miandry… Tena sahirana aho ary tena mila vonjy tanteraka », hoy i Eric Fou Hehy. […]

Fandalana ny fomba malagasy: homanina mialoha ny fankalazana ny taom-baovao

$
0
0
Hiavaka ny fankalazana ny taom-baovao malagasy ho an’ny Trano koltoraly, ny fikambanana Fitohasina ary ny fivondronan’ireo mpitazona ny hasin’ny tany sy ny fomban-drazana manerana ny Nosy amin’ity taona 2019 ity. Mandritra ny tsinam-bolana voalohany, hisy ny lanonana,  ny 6, ny 7, ary ny8 marsa izao, hatao any amin’ny ivon’i Madagasikara, amin’ny Rovan’Andriambahoaka Afovoanitany, Amboniazy, Soavinandriana […]

Airtel Madagascar: manohana ny fanabeazana manomboka amin’ny EPP

$
0
0
Miray feo ny Airtel Madagascar sy Yali Chapter Madagascar ny amin’ny fanohanana ny sekoly fanabeazana fototra (EPP) miisa 20 eto Antananarivo. Betsaka ny hetsika atao ho fanampiana ireo ankizy mpianatra amin’ireo EPP ireo ho fampandraisana anjara azy ireo hahita ny mahasoa sy ny mahafinaritra. Tanjona ny fifampizarana sy ny firaisankina. Misy, ohatra, ny fifaninanana fanaovana […]

Mandrosoa Ivato: nanohana ny mpianatra ny Tsarajoro

$
0
0
Tsy afaka hitazam-potsiny. Nitondra fanohanana ho an’ireo ankizy ao amin’ny EPP Mandrosoa Ivato ny fikambanana Tsarajoro, ny asabotsy teo. Nizara akanjo, boky ary fanampin-tsakafo izy ireo tamin’izany. Teo koa ny fampahafantarana ny trano famakiam-boky eny an-toerana. “Tanjonay ny hanomezana fizakan-tena sy haha tompon’andraikitra ny olom-pirenena. Homena tohana koa ireo sahirana sy ny vehivavy”, hoy ny […]

Fiofanana: hanamafy ny fahaiza-manaony ny mpandraharaha

$
0
0
Fiaraha-miasa amin’ny Procom. Hahazo tohana eo amin’ny fanofanana momba ny fahaiza-manao ireo mpandraharaha na ireo te hanangana orinasa. Natao, omaly tetsy Antaninarenina, izany ka miompana amin’ny sehatry ny hetra, ny fahaiza-mitantana, ny fitahirizana ny vokatra, ny fitantanam-bola, ny teknikan’ny varotra, ny fampidirana mpiasa… Maherin’ny 300 mahery ireo hisitraka izany amin’ny faritra enina, ahitana ny rantsan’ny […]

Fifidianana depiote: manofana ireo mpiantsehatra ny Ceni

$
0
0
Miroso ny fanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka. Manofana ireo mpiantsehatra amin’izany ny Ceni… Ny rafitra mpanamarina sy mpandrakitra an-tsoratra ny firotsahan-kofidina (Ovec), ny antoko politika, ny firaisamonina sivily, ny mpampahalala vaovao… Ireo no miatrika ny fiofanan’ny Ceni, eny anivon’ny renivohi-paritra, nanomboka omaly, amin’izao fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka izao. « Miparitaka mitety ny faritra 22 manerana an’i Madagasikara […]

Miandrandra ny IEM  ny ao Amoron’i Mania

$
0
0
Anisan’ireo distrika efa notsidihin’ny filoha Rajoelina ny ao Ambositra, nandritra ny fampielezan-kevitra. Anisan’ny manana tanora maro ny any an-toerana. Filoha tanora rahateo ny filoham-pirenena ary naneho fahavononana ny hitsinjo azy ireo. «Miandry sy miandrandra ny IEM izahay tanoran’ny faritra Amoron’i Mania amin’ny fampanantenana nataon’ny filoha Rajoelina. Tsy ho tanora hirenireny intsony sanatria fa tanora hiatrika […]

 Afrobaromètre: nifantohana ny demokrasia…

$
0
0
Ny kolikoly, ny demokrasia… Ireo ny lohahevitra niompanan’ny fanadihadian’ny Afrobaromètre, miainga amin’ny fijerin’ny olom-pirenena. Hampahafantarina eny Antaninarenina, anio ny  vokatry ny fanadihadiana. Harahina adihevitra sy fiheverana handraisan’ny firaisamonina sivily anjara izany. Eo koa ny avy amin’ny andrimpanjakana, ny olom-pirenena araka ny sehatra nohadihadina. Anisan’ny nanaovana fanadihadiana koa ny amin’ny fahazoana fahasalamana, ny karazana amin’ny maha […]

Nanafatra ny Fida ny papa François: « Tsy ampy rano ny fambolena, tsy misy ny fotodrafitrasa »

$
0
0
Nandray anjara tamin’ny fanokafana ny fivoriamben’ny filankevi-pitantan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena momba ny fambolena (Fida)* ny papa François, ny herinandro lasa teo. Niangavy ireo tompon’andraikitra izy hizaha akaiky ny fahantran’ny maro amin’izao fotoana izao. Fivoriambe faha-42 nataon’ny Fida tao Roma ka nandraisan’ny Papa François anjara fitenenana ny fanokafana izany hiadiana amin’ny fahantrana, indrindra mahakasika ny tantsaha maro […]

Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany: miady amin’ny fiakaran’ny hafanana sy miaro ny natiora

$
0
0
Ny amin’ny fambolen-kazo, tsy diso anjara nanetsika ireo mpiasa ao aminy sy ireo sampana eo ambany fiahiany ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Ny faran’ny herinandro lasa teo, niarahan’izy ireo novolena amina velaran-tany 2 ha ao amin’ny fokontany Bevomanga, kaominina Mahitsy zana-kazo samihafa miisa 2 000. Nanterin’ny minisitera ho fantatry ny rehetra […]

Faritra Amoron’i Mania: tsara fidiran-ketra ny kaominina Fandriana

$
0
0
Tsara fidiran-ketra ny kaominina ambonivohitra Fandriana, faritra Amoron’i Mania, ny taona 2018, raha ny tatitra nataon’ny ben’ny Tanàna, Rakotondrasoa Landinirina. Maherin’ny 300 tapitrisa Ar ny vola niditra; nivoaka kosa, manodidina ny 200 tapitrisa Ar. Mbola manana ambim-bola 99 tapitrisa Ar izany ny kaominina. Nambaran’ny ben’ny Tanàna fa azo afindra amina tetikasa hafa ny ambim-bola toy […]

Fizarana fisotroan-dronono: “Mila miroso amin’ny « dématérialisation » isika”, hoy ny minisitra

$
0
0
Tonga nanao fitsidihana tampoka ny Paierie générale d’Antananarivo (PGA), ny Recette générale d’Antananarivo (RGA), ary ny Perception principale Atsimondrano ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Randriamandrato Richard, omaly 18 febroary, fotoana fizarana fisotroan-dronono na “pension”. Ireo ny toerana isan’ny be mpandray “pension” indrindra eto Antananarivo. Nosafidiny manokana io andro io satria fotoana voalohany fizarana […]

An-kitsim-po: fifaninanana masina

$
0
0
Saika ahenoam-baovao mafana avokoa ny seha-pihariana isan-tsokajiny tato ho ato. Eo ny trafika andramena sy ny biby arovana, ny hosoka any amin’ny ladoany, ny fanotofana tsy ara-dalàna tany, ny lalana potiky ny orana, ny delestazy, ny bibikely manapotika ny voly katsaka, sns. Ny tena nanaitra, midina ifotony mivantana avokoa ny minisitra voakasika, toy ny ao […]

Andramena: mety hamidy amin’ny mpanao asa tanana

$
0
0
Aorian’ny fandaminana samihafa, nandroso soso-kevitra ny minisiteran’ny Tontolo iainana, fa hatao laharam-pahamehana ny hivarotana ny andramena amin’ny mpanao asa tanana. Mankasitraka izany ny Alliance voahary gasy ary manantena fa tena hatao ao anatin’ny mangarahara ka tsy hisy ny kiantranoantrano. Nihazakazaka ny “Raharaha Andramena”, tamin’iny herinandro iny, nisamborana teto Antananarivo ireo olona ambony voarohirohy, toa an’i […]

Seranan’I Toamasina: efa mandeha ny asa fanitarana

$
0
0
Natao, ny zoma 15 febroary teo, ny fotoana fifampiarahabana nahatrarana ny taona vaovao ny ao amin’ny Orinasa mahaleo tena mitantana ny seranan’i Toamasina (Spat). Nambaran’ny tale jeneraly, i Evelin Christian Eddy, fa efa mandeha ny ampahan’asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ataon’ny Fiaraha-miasa japoney (Jica) sy ny Spat. Amin’izao fotoana izao, manodidina ny 1 ha (10%)-n’ny […]

Antananarivo sy ny manodidina: niato tampoka ny delestazy

$
0
0
Araka ny efa notaterina teto, niverina nahery vaika ny delestazy, nanomboka ny herinandro lasa teo, indrindra ny alakamisy sy ny zoma. Nanazava ny Jirama fa voatery natao ny delestazy satria tsy ampy ny rano mamatsy ireo tohodrano mamokatra herinaratra mamatsy an’Antananarivo sy ny manodidina (RIA) any Andekaleka, any Mandraka, any Antelomita, any Isahanivotry, any Tsiazompaniry […]

Fiarovana ny tontolo iainana: nomem-boninahitra ny ben’ny Tanànan’i Manandriana

$
0
0
Hetsika efa fanao isan-taona, saingy niavaka ny tamin’ity. Nisafidy manokana ny kaominina Manandriana Avaradrano nanatanterahana ny fambolen-kazo, tamin’ity taona ity, ny antoko Malagasy miara-miainga. « Ho fahatsiarovana sy ho fanomezam-boninahitra ny ben’ny tanàna lany teto Manandriana, avy amin’ny antoko Malagasy miara-miainga, nodimandry taona vitsy lasa izay, ny anton’izao. Adidy ho an’ny tanindrazana ihany koa ny fambolen-kazo. […]

Faritra Atsinanana: 68 ireo matin’ny kitrotro

$
0
0
“6 000 ireo trangana aretina kitrotro tao anatin’ny faritra Atsinanana ary 68 amin’ireo ny namoy ny ainy manerana ny distrika mandrafitra ny faritra Atsinanana”, hoy ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka, ny Dr Rakotoarimanana Raymond, ny herinandro teo. Nanteriny anefa fa fomba hiarovana izany ny fanaovana vaksiny raha mbola tsy voany. “Rehefa voany kosa ka sitrana, ilaina […]

Rajery – Slam Jah: hiverina ny fiarahana

$
0
0
Maro ireo nahatadidy ny “Rajery vs Slam Jah”. Fampiarahana talenta tsy nampoizina izy ity, teraka tany amin’ny taona 2006 tany. Rajery fanta-daza eo amin’ny mozika miaina, mifototra amin’ny karazana mozika malagasy. I Slam Jah kosa, anisan’ireo nanorina ny vondrona Diosezy, ary mpikambana ao amin’ny tarika mpanao rap gasy anisan’ny malaza indrindra: ny 18,3. Fahombiazana avy […]

Tsipy kanetibe – Famaranana: mahafeno ny fepetra ny kianja Pétanque Ampitatafika Club

$
0
0
Nahafa-po ny mpilalao ny kianjan’ny PAC, nandritra ny dingana faharoa ny fifanintsanana amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja tsipy kanetibe, sokajy “mixte”, ny faran’ny herinandro teo. Nanamafy izany ihany koa ny filohan’ny PAC, no sady nampanantena fa tsy maintsy vitaina mialohan’ny lalao famaranana ny fanitarana ny kianja. Araka ny efa notaterina teto, hotontosaina ny 9 sy ny 10 […]
Viewing all 70662 articles
Browse latest View live