Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70636 articles
Browse latest View live

Minisitra Felicité Rejo-Fienena: « Hanakaiky eny ifotony ny oniversite… »

$
0
0
Fivoahana voalohan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa,  Felicité Rejo-Fienena. “Hampanakaikezina eny ifotony  ny fampianarana ambony ary  ampifandrindrana amin’ny filana ho an’ny fampandrosoana izany ho fampandrosoana ny firenena, miaraka amin’ny kalitao”, hoy izy. Nitsidika ny Ivontoeram-pampianarana ambony (IESSI) any Soavinandriana  Itasy ny tenany, omaly amin’ny maha ivon’i Madagasikara ny  any an-toerana, […]

Hiragasy: nodimandry Ramiliarison Zeze

$
0
0
Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-46 taony Ramiliarison Zeze Alain. Nisongadina teo amin’ny hiragasy ny talentany… Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry ny alarobia 13 febroary teo, tamin’ny 9 ora alina Ramiliarison Zeze Alain, fantatry ny mpitia hiragasy amin’ny anarana Zeze. Nanana andraikitra lehibe teo amin’ny hiragasy i Zeze, raha ny fanazavan’i Dadafara Lt Production azy […]

“Pejy faharoa”: hampiaina an-tsehatra ny mozikany i Nate Tex

$
0
0
“Zara kanto”. Io hatrany ny hamaritan’i Nate Tex ny lohahevitra voiziny amin’ny mozika. Ao anatin’izay ilay seho homaniny, hotontosaina rahampitso alahady 17 febroary, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. “Hifangaro ao ny seho sehatra sy ny mozika. Hifankahalala kokoa amin’ny mpankafy fa tsy hitondra hira fotsiny. Seho miaina no tanjona”, hoy ny filazan’i Nate Tex, mahakasika ny […]

Kaompania Rary: hatevina ny fandaharam-potoan’ny “Riambita”

$
0
0
Tsy raharahan’ny samy mpanakanto na resaka manidina fotsiny ny famoronana sy ny zavakanto fa iainana sy tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny olombelona. Izay fahamarinana izay no entin’ny kaompania Rary ao anatin’ny “Riambita”, hetsika fanaony isam-bolana. Sehatra na habaka iray ankalamanjana, ifanakalozana sy ikarohana zavakanto ny “Riambita”. Hotanterahina anio, eny Ankazobe Alasora, eo akaikin’ny Atelier Donné Vy […]

Africa Basket ball League: tsy afa-bela nanoloana ny Petro Altelico ny CosPN

$
0
0
Tontosa omaly, ny andro voalohany amin’ny lalao basikety « Afroleague 2019”, tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nanatombo teo am-panombohana ny CosPN nandritra ny fihaonana tamin-dry zareo Angoley. Isa telo avy hatrany no nanokafan’ny malagasy ny isa, 2 minitra nilalaovana. Nahomby ny paikadin-dry Alan, Alpha ary i Livio nandritra ny  10 minitra voalohany, nisy lesoka ihany anefa […]

Kitra: voaantson’ny “Comité de normalisation” ny Ligin’i Bongolava  

$
0
0
Nampanantsoin’ny « comité de normalisation », tetsy amin’ny toeram-piasany Isoraka, omaly,  ny mpitantana ny ligin’i Bongolava, eo amin’ny taranja baolina kitra. Araka ny efa fantatra, nisy ny olana sy fitoriana tonga teny amin’ilay « comité de normalisation » mahakasika azy. Raha ny hita teny an-toerana, nanatrika ity fampiantsoana ity ihany koa mpifanandrina tamin’izy ireo. Tsiahivina fa nanamarika ity herinandro […]

Basikety: nahazo kianja filalaovana basikety ny EPP Antsararay

$
0
0
Notokanana, omaly, ny kianja filalaovana basikety, ny EPP Antsararay Ambohimanarina. Kianja izay nohavaozina tanteraka ka izao vita soa aman-tsara izao. Araka ny fanazavana, ny fiaraha-miasa teo amin’ny federasiona malagasy ny basikety (FMBB) sy ny EPP no nahavitana izao kianja izao. Teo ihany koa ny fanampiana avy amin’ny mpiara-miombona antoka marobe,  sy ny famatsiam-bola avy amin’ny […]

Tatitry ny FMI: olana goavana ny vidin-tsolika sy ny Jirama

$
0
0
Vita ny iraka nataon’ny FMI eto Madagasikara, ny 11 hatramin’ny 15 febroary teo, notarihin’i Marshall Mills. Omaly, niaraka tamin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Randriamandrato Richard, nitondra fanazavana izy ireo ny amin’ny fandaharanasan’i Madagasikara momba ny fanarenana ny toekarena. Olana goavana hatramin’izao ny fidangan’ny vidin-tsolika miantraika any amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fihariana. 242 miliara […]

Antananarivo: tratry ny delestazy jiro sy rano

$
0
0
Indray tratry ny delestazy avokoa ny jiro sy rano eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsy fantatra ny faharetan’izany fa sady mampikaiky ny mpanjifa.Maharitra adiny dimy isan’andro ny fahatapahan’ny jiro. Miverina indray ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Nambaran’ny tompon’andraikitry ny Jirama, fa voatery tapahina misesy ny herinaratra ato anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo  (RIA), ahitana an’Antananarivo-Analavory-Antsirabe-Moramanga, […]

FNCLM sy ny voly hazo: ezahina homen-danja ny natiora

$
0
0
Hanao ny adidiny amin’ny fambolen-kazo ny Fédération nationale des clubs Lion’s et Léo de Madagascar (FNCLM) ny 23 febroary ho avy izao any Behenjy, RN7 –PK 48. Andiany faha-11 amin’ny fambolen-kazo ny hataon’ny FNCLM tarihin’ny filohany, Rtoa Trivico Ranaivo Paquerette, amin’io fotoana io, ka hanentanany ny rehetra, indrindra  ny tanora hanao izany adidy masina izany. […]

Kaominina Fiaferana: misy tetikasa tambatra iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

$
0
0
Hanaovana tetikasa tambatra iadana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny kaominina Fiaferana, distrika Antananarivo Avaradrano. Tanjona voalohany ny hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza latsaky ny 5 taona. Ambony ny tsy fahampian-danja eo amin’ny zaza madinika manodidina ny 50% izay tondro iray amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona. Haharitra telo taona […]

Mila vola 14 miliara Ar ny Pam: tsy afa-misakafo ny mpianatra 120 000

$
0
0
40% amin’ny ankizy 300 000 mianatra any amin’ny EPP ao amin’ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana no tsy afa-nisitraka sakafo an-dakilasy intsony, nanomboka ny volana novambra lasa teo noho ny tsy fahampian’ny vola ao amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) entina mamatsy izany. Tsapa sahady fa mihena ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ary manahy […]

Niaina vanim-potoana maro: 120 taona ny farmasia Métropole

$
0
0
Feno 120 taona, ny volana febroary 2018, ny farmasia Métropole Antaninarenina ary mamarana ny fanamarihana izany amin’ity volana febroary ity ny mpitantana. Ny jeneraly Galliéni no nitokana azy voalohany ny 19 febroary 1898 izay naorina tao anatin’ny Maison de la Métropole. Mifandrohy amin’ny tantaran’i Madagasikara ny niorenan’ity toeram-pivarotana fanafody ity.Nandalo vanim-potoana maro niainan’ny firenena izy : […]

Miaraka amin’ny Pam: hotovozintsoa ny vary

$
0
0
Sakafo tsy afa-misaraka amin’ny Malagasy ny vary izay foto-tsakafo hanina intelo isan’andro ho an’ny ankamaroany. Mba hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny Malagasy amin’ny tsy fahampiana ny singa mpamelona amin’ny vatana, tapaka fa hotovozintsoa ny vary. Sady atao sakafon’ny mpianatra any amin’ny toeram-pisakafoana rahateo ny vary ary manomboka amin’ny faha enim-bolany no mihinana kobam-bary ny […]

Secteur pétrolier aval: les investissements à renforcer

$
0
0
40 districts parmi les 119 répartis dans toute l’île sont encore privés de station-service actuellement. Ce qui laisse place au développement de tout type de trafic, au détriment des consommateurs. D’après les derniers chiffres de l’Office malgache des hydrocarbures (OMH), les investissements des compagnies pétrolières dans le secteur s’élèvent à 387 millions de dollars en […]

Bongolava – chenilles légionnaires: 5.000 ha de champs de maïs, infestés

$
0
0
Les actions de lutte intégrée contre les chenilles légionnaires d’automne (CLA) ont été lancées le 12 février dernier, dans la région Bongolava qui fait d’ailleurs partie des zones particulièrement touchées par les CLA. Près de 15.000 ha de champs de maïs sont actuellement infestés par les chenilles légionnaires, dans cette partie de l’île, dont 5.000 […]

Fonjan’i Tsiroanomandidy: gadra 10 lahy tafatsoaka, roa voasambotra

$
0
0
Vaky fonja indray, ary efa tetika voaomana! Nanararaotra nitsoaka ireo voafonja tany Tsiroanomandidy ny asabotsy lasa teo. 10 lahy tafavoaka, saingy tsy lasa lavitra ny roa. “Nanao amboletra teo am-baravarana nanaraka ireo mpivavaka nanao fotoam-pivavahana tao an-toerana, toy ny mahazatra isaky ny asabotsy, izy ireo”, araka ny fanazavan’ny tale iraisam-paritry ny fandraharahana ny fonja Itasy, […]

Ambohimangakely: voasambotry ny zandary ireo mpaka an-keriny telo mianadahy

$
0
0
Mpaka an-keriny telo, ka vehivahy ny iray no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambohimangakely, ny 12 febroary lasa teo. Hita soa aman-tsara ilay vehivavy 51 taona nalaina an-keriny. “Ny faha 9 febroary, nikasa haka an-keriny io vehivavy io izay niantsena teny Ambohimangakely ny mpivady iray izay mpiara-monina aminy eny Ambatotokana, fokontany Tsarahasina, Ambohimangakely […]

Toamasina: rava ny tambajotrana mpangalatra moto

$
0
0
  Ravan’ny polisy avy amin’ny boriborintany faharoa Mangarano Toamasina indray, ny alin’ny alakamisy teo, ireo andian-jiolahy miisa fito, samy mpangalatra moto. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Rakotondrazaka Michel, misahana ny boriborintany faharoa, niainga tamin’ny loharanom-baovaon’ny tsara sitrapo ny fanaraha-dia nataon’ny polisy ka nahitana trano ao amin’ny cité Haras. Rehefa natao ny fisavana, saika hita tao avokoa […]

Farmasia Métropole: notolorana ny mari-pamantarana fenitra ISO 9001-2015

$
0
0
Natao, ny asabotsy 16 febroary teo, ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny nahazoan’ny farmasia Métropole, eo Antaninarenina, ny mari-pamantarana fenitra ISO 9001-2015. Dingana mankany amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra sy ny vokatra omena ny mpanjifa ny fahazoana ity fenitra iraisam-pirenena ity, sady tafiditra ao anatin’ny faha-120 taona niorenany. Ankoatra ny maha toeram-pivarotam-panafody azy, mifantoka amin’ny […]
Viewing all 70636 articles
Browse latest View live