Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70745 articles
Browse latest View live

Fanolanana tambabe teny Alarobia: saron’ny polisy ny roa tamin’ireo jiolahy nahavanon-doza

$
0
0
Voasambotry ny polisin’ny BC1 teny Anosibe sy Alarobia Amboniloha, ny 2 janoary 2019 teo ny roa tamin’ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanolanana narahina fahafatesana vehivavy iray 19 taona. Araka ny fanazavan’ny polisy, ny 31 desambra 2018 lasa teo, teny Alarobia Amboniloha, nisy alim-pandihizana tao amina tokantrano iray izay nitsenana ny taona vaovao. Isan’ny tao amin’izany lanonana […]

Rakotomanga Eric: « Tsy hikorontana ny Malagasy »

$
0
0
« Tsy hikorontana ny Malagasy, raha ny toetrany. Fa milentika am-po io… Tsy amin’izao io no mipoaka, fa aoriandriana ao. Tsy fantatra rahoviana izay, raha toy izao ny fandehan’ny toe-draharaha. » Izay ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric, momba ny fanahiana korontana hatrany amin’ny fiandrasana voka-pifidianana. Ny tena olana: mahatsapa ny Malagasy fa tena nifidy […]

Fandefasana «écran géant» tetsy amin’ny «13 mey»: helohin’ny RFI ny fihetsiky ny K25  amin’ny mpanao gazetiny

$
0
0
Tsy levon’ny vavonin’ny onjam-peo RFI sy ireo mpanao gazety iraisam-pirenena miasa eto amintsika ny namoahana ny sarin’ny mpanao gazety, i Laetitia Bezain tamin’ny «ecran géant» tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny alakamisy teo. Nambaran’ireo nandaha-teny teny an-kianja natrehin’ireo vahoaka marobe fa mandainga sy namoaka vaovao tsy marina ity mpanao gazety, masoivohon’ny RFI eto amintsika ity. […]

Justice et paix – KMF/Cnoe – Liberty 32: « Antoky ny fitoniana ny fampiharan-dalàna tsy mitanila »

$
0
0
Hatramin’izao, mitoetra ihany ny fanahiana korontana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy. « Antoky ny fitoniana ny fampiharan-dalàna tsy mitanila », hoy ny  Justice et paix sy ny KMF/Cnoe ary ny Liberty 32. « Antoky ny filaminana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena ny tsy fitanilana eo amin’ny  fampiharana ny lalàna. Koa matoky ny HCC izahay, ary ho fototry […]

Tsy tafiditra tao amin’ny kianjan’ny 13 mey: nanao diabe nankeny amin’ny prefektiora ny K25

$
0
0
Nihidy ho an’ny mpomba an-dRavalomanana ny varavaran’ny biraon’ny prefektiora Tsimbazaza. Tsy tafiditra tao amin’ny kianjan’ny 13 mey mihitsy, omaly ny avy amin’ny K25 na teo aza ny fifampiraharahana tamin’ny Emmo/Reg. Tsy mbola nisy fiovana rahateo ny baiko azon’ireo mpitandro filaminana ny amin’ny tsy fahazoana mampiasa ny « Parvis » eo anoloan’ny lapan’ny Tanàna. Nigadona teny an-toerana ireo […]

Fitarihana hetsika tsy ara-dalàna: notorian’ny fanjakana ireo mpitarika fito ao amin’ny K25

$
0
0
Ahina tsy ho afa-bela ? Notorian’ny eo anivon’ny governemanta ireo mpitarika miisa fito eo anivon’ny K25. Anisan’izany ny mpanao gazety telo, i Fidel Razarapiera sy i Rolly Mercia ary i Fernand Cello. Eo koa ilay mpanakanto, Ninie Donia sy ilay mpandraharaha, i Mbola Rajaonah. Manampy azy ireo ny kandidà Fanirisoa Ernaivo ary ny mpanao politika, Ratsima […]

“Mifampitantana 2019”: hiaka-dapa ny mozika rock!

$
0
0
Vina goavana ho an’ny taona 2019. Raha tsy misy ny sampona, hifampitantana etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny tarika Kiaka sy ny tarika Tselatra. Nanomboka azy i Bodo sy i Poopy. Nitohy tamin’i Njakatiana sy i Bodo. Fantatra kosa fa anjaran’ny mpivoy ny gadona rock indray amin’ity ny manambatra talenta, hampisongadina ny “Mifampitantana 2019”. Tsy […]

Jery todika 2018: nasongadina, tany Frantsa, ny zavakanto malagasy

$
0
0
Azo lazaina ho taom-pahombiazana iny 2018 iny ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy, amin’ny ankapobeny. Fahombiazana, satria ireo rakitry ny lasa, mbola voatahiry sy azo nampahatsiahivina ; ny talenta ankehitriny, misongadina sy manana ny hoaviny. Tsikaritra izany tamin’ireo hetsika goavana, teto an-toerana sy tany ivelany. Lehibe indrindra tamin’ireny ny fampirantiana, « Madagascar, arts de la grande […]

Rugby – Tompondakan’i Afrika ho an’ny klioba: hisolotena an’i Madagasikara, ny Cosfa  

$
0
0
  Hisy fifaninanana  vaovao, eo anivon’ny rugby afrique, ho an’ity taona 2019 ity. Homena sehatra ireo ekipa  tompondaka isaky ny firenena, ka hiady ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Ankoatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), ho an’ny ekipam-pirenena, hisy ihany koa manomboka izao, ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny ekipa tompondaka isaky […]

Karate: mpikatroka 150, andrasana amin’ny fifaninanam-pirenena

$
0
0
Vonona amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondaka nasionaly amin’ny taranja karate ankehitriny, rehefa nitarazoka vokatry ny raharaham-pirenena. Ny ligin’Analamanga amin’ity no handray ny fifaninanana. Mpikatroka tsy latsaky ny 150 no andrasana ary antenaina ny fahatongavan’ireo tompondakan’ny ligy tsirairay izay nahazo alalana avy amin’ny federasiona malagasy ny karate-Do (FMK). Afaka mandray anjara avy hatrany ihany koa […]

Eny an-tsena: niakatra ny vidin’ny legioma sy ny voankazo

$
0
0
Fotoana mampiakatra ny legioma sy ny anana samihafa ary ny voankazo ny fotoam-pahavaratra. Vao niandoha anefa ny taona, niakatra avokoa ny vidin’ireo sakafo ireo eny an-tsena. « Mbola miala sasatra ny tantsaha taorian’ny fety ka vitsy ny vokatra tonga eny amin’ny tsenan’ny mpamongady », hoy ny mpivarotra voankazo iray. Nisy fisondrotana hatramin’ny 5 000 Ar ny kesika voankazo […]

Fimpima – Taona 2019: anio ny « Asaramanitra 2019 »

$
0
0
Tontosaina, anio tolakandro, ao amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny « Asaramanitra 2019 ». Hetsika tanterahin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany (Fimpima maneran-tany) hifampiarahabana amin’izao taona vaovao izao. Asain’ny birao foiben’ny Fimpima maneran-tany amin’izany ny mpikambana, ny sakaiza, ny mpanohana, ireo nianatra tao amin’ny Fimpima na ireo efa mpikambana. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taon’ity fikambanana […]

Jirama amin’ny tanàna maro: tapaka maharitra ny famatsiana herinaratra

$
0
0
Tanàna maro no miaina ao anatin’ny fahatapahan’ny herinaratra maharitra, andro sy volana maro izao. Ny any Ambositra, ohatra, tapaka  ny jiro amin’ny 12 ora antoandro, tsy miverina raha tsy amin’ny 6 ora hariva ; miverina tapaka indray izany amin’ny 9 ora alina mandra-maraina amin’ny 8 ora any ho any. Voalaza fa noho ny tsy fahampian’ny […]

Faritra Analanjirofo: mihena hatrany ny vokatra jirofo, manavotra ny Fofifa

$
0
0
Mihena hatrany ny vokatra jirofo taona maromaro nifandimby any amin’ny faritra Analanjirofo, araka ny fitarainan’ireo mpamboly. Manamarina izany ny fanadihadiana nataon’ny Fofifa*. Noho ny toe-tany sy ny toetr’andro, indrindra ny fifikirana amin’ny fomba fambolena nentin-drazana ny mampihena ny vokatra jirofo Tsy vitsy ireo tantsaha mbola mifikitra amin’ny fambolena taloha, raha ny fanamarihana nataon’ny teknisianina ao […]

Greengywatt sy Otiv Tana: manampy amin’ny famatsiana herinaratra azo avaozina

$
0
0
  Sakana iray lehibe ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny asa sosialy amin’ny ankapobeny amin’izao taonjato diavina izao ny tsy fisian’ny herinaratra any ambanivohitra maro eto amin’ny Nosy.  Ho fandraisana anjara ny famahana olana amin’izany ny fiaraha-miasan’ny Greengywatt, mpamatsy fitaovana ho an’ny angovo azo avaozina, sy ny Otiv Tana, mpampindram-bola. Mbola sarotra sy lafo […]

Jery todika 2018: nosembanin’ny fitakiana sendikàly ny fanabeazana

$
0
0
Nisavoritaka ny fanabeazana nandritra ny taona 2018. Teo ny fanitarana ny fialan-tsasatra tamin’ny fiandohan’ny taona noho ny fiavian’ny rivodoza ka tsy nahafahan’ny mpianatra maro niditra an-dakilasy. Rava na dibo-drano ny ankamaroan’ny efitrano fianarana ho an’ny ilany atsinanan’ny Nosy. Nanomboka ny volana avrily, nanamafy ny tolona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny ampahany amin’ireo mpampianatra ka […]

Toamasina: maloto ny tanàna, mirongatra ny valan’aretina

$
0
0
Tsy tongatonga ho azy ny valan’ aretina izay mampitaraina ny mponin’ i Toamasina, amin’’izao fotona izao, raha ny zava-misy hita maso amin’ny fiainana andavan’ andro aloha. Mivangongo ny fako etsy sy eroa ary tsy menatra intsony koa ny ray aman-dreny sasany mampanao maloto ny ankizy eny ampovoan-dalana sy amin’ny toerana hita fa misy fako kely […]

Volana janoary: betsaka ny tokantrano midi-trosa sy mivaro-pananana

$
0
0
Fotoana mahasahirana ny ankamaroan’ny tokantrano, ny volana janoary toy izao. Lany vola fety ny olona ka sahirana miatrika ny fiainana. Matetika, midi-trosa ny ankohonana. Manaporofo izany ny ankamaroan’ireo manao trosa eny amin’ireo mpampindram-bola madinika sy ny banky. Hatrany amin’ny volana marsa any vao midina ny tahan’ny olona mindram-bola raha ny fanazavan’ireo mpampindram-bola madinika. Eo koa […]

Fenoarivo Atsinanana: mpanendaka nahafaty olona, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

$
0
0
Vao manomboka ny taona, mahazo vahana sahady ny fitsaram-bahoaka. Nafampana indray ny ao Fenoarivo Atsinanana, ny asabotsy teo, taorian’ny namoizana aina tovolahy 23 taona antsoina hoe Marcellin, nisy namono tamin’ny tsatoka antsy, ny alin’ny 4 janoary tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo Rond-point Sahavola. Nialoha ny nahafatesany, mbola afaka nitantara tamin’ny mpitsabo azy ny zava-nanjo […]

Andranomanelatra: fiara nivadika; roa maty, iray naratra mafy

$
0
0
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona roa tao Andranomanelatra Antsirabe, ny zoma teo tamin’ny 5 ora hariva . Tovolahy kely roa lahy no maty, vehivavy iray kosa naratra mafy. Tra-doza tamin’izany ny fiarakely iray Peugeot 307 avy aty Antananarivo ho any Antsirabe. Nivadika ambony ambany ary potika tanteraka ilay fiara tsara tarehy. Raha ny filazan’ny olona teny […]
Viewing all 70745 articles
Browse latest View live