Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70793 articles
Browse latest View live

Antsiranana: Frantsay maty nofaohin’ny fiara 4×4

$
0
0
Lehilahy teratany frantsay iray 73 taona, nandeha bisikileta no nofaohin’ny fiara tsy mataho-dàlana, tany Antsiranana, ny voalohan’ny taona teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy 15 minitra.  Noezahina nentina tany amin’ny hopitaly ilay vazaha mba ho fanavotana ny ainy, saingy tsy tana izany noho ny hamafin’ny dona izay nahazo azy. Notazonina avy hatrany ny mpamily […]

Nanizingizina ny « prefet de police »: « Mbola voarara ny miditra ny kianjan’ny 13 mey »

$
0
0
Tsy misy fiovana  ny fepetra  efa noraisina.  “Mbola  voatazona  ny tsy fahazoana manao  hetsika tsy nahazoana alalana etsy amin’ny kianjan’ny  13 mey hatramin’izao.  Tsy misy fiovana izany mandra-pivoakan’ny  didin’ny HCC”,  hoy ny prefet de police,  ny  Jly Ravelonarivo Angelo,  omaly tetsy Tsimbazaza. Nohitsiny fa tsy azo  anaovana fihetsiketsehana eo  amin’io “Parvis” io satria tsy ara-dalàna  […]

Fanomezana alalana ny K25: nahazo baiko roa ny Emmo/Reg tetsy amin’ny “13 mey”

$
0
0
Nifamahofaho nandritra ny ora maromaro. Baiko roa samihafa avy amin’ny tompon’andraikitra ambony  ny  nilatsaka teny amin’ireo eo anivon’ny Emmo/Reg, tetsy amin’ny kianjan’ny  13 mey, omaly. Naneho hevitra tamin’ny gazety an-tsoratra mpiseho isanandro  iray ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rasolofonirina Beni  Xavier, omaly  taorian’ny fivoriana niarahany amin’ireo lehiben’ny fitandrona ny filaminana,  teny Ampahibe.  Nahitana  ny […]

Fanoherana voka-pifidianana: miantso fitoniana sy fihavanana ny CFM  

$
0
0
« Amin’ny maha raiamandreny anay ato amin’ny CFM, miantso ny Malagasy handala hatrany ny fihavanana sy ny fitoniana izahay. Vanim-potoana sarotra izao misy antsika izao. Tokony hotandremana toy ny anakandriamaso izany fitoniana sy fihavanana izany. » Io ny nambaran’ny filohan’ny Komitin’ny fampihavanana malagasy (CFM), i Maka Alphonse, teny Ampefiloha, omaly, manoloana ny zava-nitranga teny amin’ny kianjan’ny 13 […]

Jery todika 2018: niray lalana  ny Tim sy ny Mapar

$
0
0
Anisan’ny nahagaga ny maro ny fiarahan’ny vondrona politika Mapar sy antoko politika Tim tamin’ny fitakiana momba ny fandrafetana ny volavolan-dalàm-pifidianana. Vao mainka nitakian’ny sasany fanazavana izany tamin’ny fitarihana ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely, nanomboka ny 21 avrily 2018, nanoherana ny lalàm-pifidianana lany tamin’ny amboletra sy ny kolikoly. Any amin’ny fifidianana mifampitady  Hentitra […]

Dihy tantsinanana: hanokatra sekoly i Carolina R.

$
0
0
Manana talenta amin’ny dihy sy ny hira ny Malagasy. Na izany aza, mila hatevenina amin’ny alalan’ny fianarana izany. Hanana ny mampiavaka azy ny sekoly iray vao hisokatra eto an-dRenivohitra. Hiompana amin’ny fampianarana dihy tantsinanana. Ho vita amin’ny faran’ity volana ity ny asa fanamboarana ilay sekoly fampianarana dihy, eny Amboditsiry. Tsirin-kevitr’i Carolina Ranaivoarisoa, mpandihy sady mpampianatra […]

Taona 2019: mitaky faka matanjaka…

$
0
0
Marefo ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Toa tsy afa-mijoro irery fa mitady tohana avy etsy sy avy eroa hatrany. Miseho amina endrika maro izany, saingy ny sasany amin’ireny toa efa zary « fomba » hany ka tsy mampiraika intsony ny fahitana na fahenoana azy. Fiankinan-doha goavana, ohatra, ny tsy fitazonana na tsy fahaiza-mitazona na ny fahatahorana […]

Cite Ambohimiandra: mbola tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa

$
0
0
Tsy mbola vita ny raharaha mahakasika ireo mpiasan’ny Cite*, manana rafitra ONG ankehitriny. Hatramin’ny naha ONG io Cite io, betsaka ny fitantanana tsy mazava, lasa tsy nahafahan’ireo mpiasa nandray karama afa-tsy iray volana monja tamin’iny taon-dasa iny (karama janoary 2018, volana marsa vao azo). Hatramin’ny nisian’izay olana eo anivon’ny ONG Cite izay, navoakan’ny mpitantana ho […]

« Chenille légionnaire »: maika ny ahazoan’ny tantsaha ny fanafodiny

$
0
0
Mitaraina ny tantsaha mpamboly katsaka, toy ny any Bongolava,  fa lafo ho azy ireo ny ahazoana ny fanafody mamono ny voliny, “chenille legionnaire”. Andrasana ny fepetra sy ny fanohanana avy amin’ny fanjakana, hanamorana izany, sady hisorohana ny fihenan’ny vokatra. Tsy mivaha ny olana! Efa notaterina teto fa nahita ny fanafody tsy misy simika (biolojika), izany […]

Indray mijery

$
0
0
Taorian’ny fety, maromaro ireo olona tratran’ny aretim-bavony tonga manatona dokotera. Vokatry ny fihinanana sakafo be loatra, matsiro sy ny fisotroana toaka no antony mahatonga izany, raha ny fanazavan’ny dokotera. Vizana ny vavony rehefa tsy avela hiala sasatra mandritra ny andro maromaro ka maray no hiafarany. Manaikitra ny vavony, mandoa, mivalana… anisan’ny fisehoan’ny aretim-bavony avokoa izany. […]

Trano filanonana: efa feno ny toerana hatramin’ny volana marsa

$
0
0
Fotoan’ny fifampiarahaban’ny mpianakavy, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mivavaka, ny mpiray fikambanana… ny telo volana voalohany, toy izao. Efa voafandrika avokoa ny ankamaroan’ireo trano filanonana eto Antananarivo sy ny manodidina. Anisan’ny be mpisafidy indrindra koa ireo toerana ahitana toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy sy ny tanora na misy dobo filomanosana. Hatrany amin’ny volana marsa any ny famandrihana efa […]

Basikety: haharitra efa-bolana ny «Afroleague 2019»

$
0
0
Hanomboka ny faran’ity volana janoary ity ny fifaninanana « Afroleague », taranja basikety izay handraisan’ny klioba afrikana miisa 16 anjara. Anisan’ny ao anatin’ny mpandray anjara ny ekipan’ny CosPN, solontena malagasy. Efa tapitra, ny 16 desambra lasa teo, ny fifanintsanana ho an’ireo firenena handray anjara amin’ny « Afroleague 2019 ». Fifanintsanana izay nahafahana nitsonga izay ekipa mendrika hisolo tena ny […]

Rugby: hanomana ny J.O sahady ny FMR

$
0
0
Mba hahafahana mahazo vokatra tsara amin’ny lalao iraisam-pirenena, handraisan’i Madagasikara anjara, manomboka mandray ny antontan-taratasin’ireo izay maniry ny ho mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, amin’izao, ny eo anivon’ny federasiona malagasy taranja rugby. Marihina fa ny fanomanana ny lalao olympika 2020 sy ny fiadiana ny amboara manerantany 2023 no anton’izao tolotr’asa ho fandraisana mpanazatra ataon’ny FMR izao. […]

ACHEL-HIPPISME: des nouveaux défis pour 2019

$
0
0
La traditionnelle cérémonie de présentation de vœux du staff de l’Achel/Ascel s’est déroulée en son siège, à Andoharanofotsy, le 2 janvier dernier. C’était une occasion pour le président, Michel Rakotoson, de faire une rétrospective de la saison passée à succès, grâce surtout aux efforts fournis par le comité directeur, le personnel, les membres, les partenaires, […]

Rugby- Féminin: des matchs palpitants ce week-end

$
0
0
La troisième journée du top fédéral féminin, comptant pour le Championnat national 2018, se déroulera ce week-end au stade Makis Andohatapenaka. Ce jour, SC Besarety affrontera RF Ankazomanga à 9h00’’. Les équipes de FTF Antohomadinika et de Sabnam se retrouveront sur le terrain une heure et demie après. Et, à midi,  3FB et FTV Lalamaty […]

MJS: la réactualisation de la Fisp prend corps

$
0
0
Le ministère de la Jeunesse et des sports (MJS) joint l’acte à la parole. Après l’annonce relative à  la réactualisation de la Fiche d’identification et de suivi des programmes (Fisp), le processus a été engagé. Retour de la bonne pratique au sein du mouvement sportif ! Dorénavant, à partir de cette nouvelle année, la transparence est […]

Attractivité économique: Madagascar, 22e en Afrique

$
0
0
Le magazine américain Forbes vient de publier le classement des meilleurs pays pour faire des affaires en 2019.  Madagascar est classé au 22e rang en Afrique et au 125e rang sur 161 pays dans le monde. Et la palme revient à l’île Maurice qui occupe le 39e rang à l’échelle mondiale. A noter que ce […]

Marche des devises: timide appréciation de l’ariary en ce début d’année

$
0
0
L’ariary connaît une appréciation timide depuis le début du mois de décembre. L’amélioration des recettes en devises provenant des exportations justifierait cette reprise. Cependant, les prévisions tablent sur une dépréciation continue mais modérée de l’ariary cette année. A l’occasion de la dernière séance sur le marché interbancaire des devises (MID) d’hier, l’euro s’échangeait à 3.978,05 […]

Electricité: retour des délestages dans l’île

$
0
0
La Jirama annonce une nouvelle fois le retour des délestages et ce depuis hier, pour une durée indéterminée  dans tout Madagascar. «La Jirama informe son aimable clientèle que, pour faire face au déficit de puissance enregistré, compte tenu du niveau des eaux de plus en plus bas des barrages pendant cette période d’étiage, s’y ajoute […]

Tselatra

$
0
0
Manome fe-potoana 10 andro, nanomboka ny 2 janoary 2019 lasa teo ireo mpitrandraka volamena tsy ara-dalàna ao amin’ny faritra arovana ao Ranomafana ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony amin’ny tokony hialan’izy ireo ao amin’ity toerana arovana ity. Tapitra kosa izay fe-potoana izay ka raha mbola tsy miala ireo mpitrandraka dia hiditra an-tsehatra avy hatrany ny […]
Viewing all 70793 articles
Browse latest View live