
Gaboraraka tanteraka ary tsy ahitana taratra ny fahaiza-mitantana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny Samva. Manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny mangarahara manoloana ireo vola samihafa tantanan’izy ireo.
Anisan’izany ny momba ireo fiarabe na kamiao ampiasain’ny Samva. Matetika manao lozam-pifamoivoizana tahaka izao izy ireo. Aiza ny vola tokony hikojakojana azy ireny ?
Tsy hita ny nampiasana ny vola
Ny fako, mbola misavovona tanteraka manerana ny tanàna, zary jerem-potsiny. Anisan’ny miteraka ny fahasimban’ny lalana sy mitondra aretina izany, ankoatra ny endrika ratsy ho an’ny tanàna.
Tsiahivina anefa fa efa nahazo vola 1 miliara sy 700 tap Ar izy ireo tamin’ny volana oktobra teo. Mbola nisy vola 140 tap Ar koa ny volana novambra, tamin’ny taon-dasa ihany azo tamin’ny minisiteran’ny Rano. Niampy 260 tap Ar sy 120 tap Ar izany taty aoriana avy amin’ny tahirim-bolam-panjakana.
Ny farany teo, nahazo vola 185 tap Ar avy amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny tanàna ny eo anivon’ny CUA sy ny Samva.
Vola natokana hanadiovana lakan-drano
Tokony ho natokana hanadiovana ny lakandrano sy ny tatatra izany.
Tsy afa-bela ary tompon’andrakitra amin’izany rehetra izany ny CUA sy ny Samva.
Hiandrasana inona vao tena handray andraikitra sy hamaha ny olan’ny mponina eto an-dRenivohitra izy ireo ?
Randria
Cet article Tanànan’Antananarivo : gaboraraka ny ao amin’ny CUA sy ny Samva est apparu en premier sur NewsMada.