Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Anjozorobe : misy olana ny fampianarana

$
0
0

 Misy olana ny fanabeazana ao amin’ny distrikan’Anjozorobe, araka ny fanambaran’ny mpikambana Tanora andrin’ny fampandrosoana an’Anjozorobe miray (Tafami). « Misy ny famindran-toerana ataon’ny tomponandraikitra sasany amin’ny mpampianatra Fram nefa tsy manana vahaolana akory hanoloana ireo olona nafindra », hoy ny fanazavana azo avy amin’ny filohany, Raharisolo Andriamparany. Manaporofo izany ny famindrana mpampianatra mpiasam-panjakana telo ao amin’ny CEG Ambohibazoina. Voalaza fa nandray anjara tamin’ny fikotonana nataon’ny mpampianatra ny taona 2012 ireo mpanabe telo ireo. Manamafy ny filohan’ny Tafami sy ny filoham-boninahitra, Razafimanjato Abel fa manakorontana ny fampianarana izao toe-javatra izao. Efa nandefa taratasy fanairana eny anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izy ireo, ny taona 2014, fa mbola tsy nahazo valiny. Mangataka izy ireo noho izany ny fidinan’ny tomponandraikitry ny minisitera mpiahy hijery ifotony ny zavamisy any Anjozorobe. Manana mpikambana 259 ny Tafami, ivondronan’ny mpianatra sy tanora nivoaka avy ao an-toerana ary niorina ny taona 2001.

Randria

Cet article Anjozorobe : misy olana ny fampianarana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles