Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70318

Fanatsarana toe-piainan’ny mponina : ho ravana i « La Réunion Kely »

$
0
0
DSC_2433

Natomboka ny dinika fandaminana ny hanalana ny vahoaka monina ao amin’ny faritr’i “La Réunion Kely”, manamorona ny lakandranon’Andriantany eny Ampefiloha iny. Tafiditra amin’ny hetsika fanadiovana ataon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra amin’izao fotoana izao ity tetikasa ity, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, nihaona tamin’ireo voakasika mivantana navory tao amin’ny tranompokonolona Isotry, omaly.

Tsy hatoka-monina toy ny fanao tsy nahomby tany aloha ireto mpiray tanindrazana ireto, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny kaominina tamin’izy ireo, fa ho ampiana, hialany amin’ny fahasahiranana ara-piainana. Faniriany ny hiarahan’ny mponina eto Antananarivo mientana, hanangonana ny hoenti-manana hiatrehana izany.

Hiara-miasa amin’izao tetikasa izao ny kaominina Antananarivo-Renivohitra sy ny fikambanana Hafari Malagasy. Nahitana vahaolana ampahany sahady ny andro voalohany tamin’ny dinika omaly, hoy ny filohan’ny fikambanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina, satria efa nahazo fifanarahana tamin’ny orinasa madinika tandrify ny fahaizany avy ny sasany tamin’ireo vahoaka ireo. Fianakaviana 13 kosa no naneho ny faniriany hiverina any amin’ny tany nihaviany ka nalefan’ny fikambanana hody, omaly ihany. Nanaiky hiditra amin’ny tetikasa famindra-monina ho any ambanivohitra kosa ny ampahany tamin’izy ireo rehefa nanazavana ny fiaimpiainana sy ny fitsipika ara-piarahamonina ampiharina any.

Nampahafantarin’ny solontenan’ny mponin’i “La Réunion Kely” nandritra ny fihaonany tamin’ny manam-pahefana nanatrika ny dinika omaly fa misy mivarilavo any amin’ny asan-jiolahy mihitsy izy ireo noho ny famoizam-po ateraky ny tsy firaharahan’ny fiarahamonina sy ny fanjakana azy.

Lavitra ezaka sady ilana fitandremana anefa ny fanovana hampiainana an’ireo vahoaka nailiky ny fiarahamonina ireo, hoy ny solontenan’ny kaominina, ka tsy maintsy miara-mandray andraikitra ny rehetra, hampahombiazana azy.

Manou

Cet article Fanatsarana toe-piainan’ny mponina : ho ravana i « La Réunion Kely » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70318

Trending Articles