Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Palais des sports : nahemotra ny fanamboarana

$
0
0

 Araka ny fanapahan-kevitra tamin’iny taona 2014 iny, tokony hahazo fanamboarana goavana ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Tokony ho nanomboka ny volana janoary teo izany fanamboarana izany, izay fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Sinoa, saingy noho ny antony maro samy hafa amin’ny fampiasana io fotodrafitrasa io, nasiam-panemorana ho amin’ny taona 2016 indray ny fanatsarana.

Raha ny fanazavan’ny taje jeneralin’ny Tafita, mpitantana ny lapan’ny Fanatanjahantena, noho ireo hetsika iraisam-pirenena hatao eto sy handraisantsika anjara, toy ny “Afrobasket Women U16” sy ny Lalaon’ny Nosy (JIOI), sns, no anton’ny fanemorana ny fanamboarana. Izany hoe, maro ireo taranja mila io fotodrafitrasa io amin’ny fanomanana ny JIOI 2015 sy ireo hetsika iraisam-pirenena maro. Tsy mbola fantatra mazava kosa aloha, hatreto, ny fandaminana amin’ny fampiasana azy.

Tompondaka

Cet article Palais des sports : nahemotra ny fanamboarana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles