Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Vadintany hampihatra didim-pitsarana : notoherin’ny solombavambahoaka « Mapar II »

$
0
0

 Asa na misy idiran’ny  politika fa notoherin’ i Famindra Justin, solombavambahoakan’i Toamasina voalohany mpanara-dia ny « Mapar II », izay nisolo toeran’ny minisitra Ndahimananjara Johanita ny fampiharana didim-pitsarana saika notanterahin’ ny maitre Rasamimaka Mahefalahy, mpitarika ny antoko Tim sy ny ankolafy Ravalomanana eto Toamasina, vadintany miasa sy monina eto Toamasina. Nifamalian’ny roa tonta ny resaka tetsy Tanambao fahadimy ny talata teo raha hanatanteraka ny didim-pitsarana laharana faha 1016 ny 26 oktobra 2011 fitsarana ambaratonga voalohany ary nohamafisin’ny laharana Cato 330/CIV/14, resy tsy maintsy miala amin’ny tany mitondra ny titre 12.026-BA nidirany ireo fianakaviana valo. « Ity didim-pitsarana ity no mahatonga ahy hanaisotra olona anatin’ny velaran-tany mirefy 200 m2 eto amin’ny fokontany Tanambao fahadimy parisela 13/81 sy 13/82 », hoy ny vadintany.
« Tsy  te hahalala izany didim-pitsarana sy izany fitsarana izany aho tonga eto, fa tonga hiaro ny vahoaka madinika. Tsy te hahalala izany minisiteran’ny Fitsarana izany sy izany fampanoavanao izany koa, fa olom-boafidy solombavambahoaka ny tenako”, hoy ity depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Mapar tao Toamasina ity, raha nitondra olona nanakorontana ny fanatanterahana didim-pitsarana ity ny solombavambahoaka. Nohamafisin’ ny vadintany fa « tsy tokony ho toy ireny ny firesaky ny solombavambahoaka manolona ny fanatanterahana ny didim-pitsarana fa mpanao lalàna izy », hoy kosa ny maitre Rasamimaka Mahefaly.

Sajo

Cet article Vadintany hampihatra didim-pitsarana : notoherin’ny solombavambahoaka « Mapar II » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles