Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

BNGRC, fanjakana : niantso tolo-tanana ho an’ny traboina

$
0
0

 Manao antso avo ho an’ny sehatra tsy miankina sy ny orinasan-tserasera ny BNGRC, ny minisiteran’ny Fifandraisana sy ny serasera ary ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana, omaly teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC, manoloana ny voina mahazo antsika. Tsy mahasahana afa-tsy olona 25 000 ny tahiry hiatrehana ny loza voajanahary raha azo nikarakarana 100 000 izany teo aloha. Nidina ho 2,5 tapitrisa dolara ny vola kirakiraina, nahatratra 6 tapitrisa dolara ny sorabola hatramin’izay. Mitentina 101 miliara Ar ny vola hanarenana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Chedza farany teo.

Nisokatra nanomboka omaly eny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Fifandraisana sy ny serasera ny tolo-tanana ho an’ny traboina sy ny olona tratran’ny tsy fahampian-tsakafo any atsimon’ny Nosy. Entanina ny rehetra hanaparitaka ny vaovao ahafantaran’ny maro ny zava-misy eto amintsika ka hisarika ny mpanampy vahiny sy teratany.

Araka ny tatitra farany, 78 ireo namoy ny ainy, 37 naratra, 168 277 ny traboina ary 41 374 voatery nafindra toerana.

Mahakasika ny zava-mitranga any atsimo, ambaran’ny tomponandraikitra fa tsy mbola kere no miseho fa tsy fahampian-tsakafo vokatry ny tsy fisian’ny orana ho an’ny fambolena fotsiny. Eo am-panatanterahana fanadihadiana eny ifotony ny teknisianina handrefesana ny fahavoazana. Afaka roa herinandro, hivoaka ny valiny.

Vonjy

Cet article BNGRC, fanjakana : niantso tolo-tanana ho an’ny traboina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles