Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Hafari : hitondra fanampiana ho an’ireo traboina

$
0
0

 Manoloana ny antso avo nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny Jly Ravelonarivo Jean amin’ny fifanomezan-tanana ho an’ireo traboina noho ny takaitra nahazo ireo mponina manerana an’i Madagasikara vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Chedza sy ireo tratry ny kere any amin’ny faritra atsimo, hitondra fanampiana ho voin-kava-mahatratra ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona Hafari Malagasy.

Nilaza ny fikambanana fa manana andraikitra goavana amin’ny maha mpiaro ny zon’olombelona azy ireo ary mahatsiaro ireo mpiray tanindrazana noho ny voina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Chedza.

Natokana ho andron’ny fiaraha-mientana rahateo ny rahampitso 7 febroary 2015, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana.

Nilaza ny fikambanana Hafari Malagasy fa fotoana tokony hiarahan’ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka miara-mientana amin’ny fanampiana ireo traboina izao. Ilaina ny fiahiana manokana ny lafiny sosialim-bahoaka satria zava-dehibe ny firaisankina ao anatin’ny fifankatiavana.

J.C

Cet article Hafari : hitondra fanampiana ho an’ireo traboina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles