Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

« Cellule de crise » : « Azo ravàna tsy misy rà latsaka ny tetezamita ! »

$
0
0

« Tsy voatery amin’ny alalan’ny fandatsahan-drà ihany no hafahana mandrava io fitondrana tetezamita amin’izao io fa azo tanterahana ny fandravana azy toy ny zava-nisy tamin’ny fitondrana Zafy Albert, izay nanesorana azy ka nametrahana an’i Norbert Lala Ratsirahonana», hoy  Ratolojanahary Maharavo avy ao amin’ny « Cellule de crise » omaly tolak’andro tao amin’ny Hôtel Carlton. Noho izany ary dia nisy omaly ny antso avo izay nataon’izy ireo tamin’ireo mpanao politika isan-tokony amin’ny tokony hametrahana sy hanomanana ny tetik’ady hanatanterahana ny fandravana ity tetezamita ity.

« Ny 80%n’ny mponina eto Antananarivo dia samy efa mahatsapa fa efa tsy izy intsony io fitondrana tetezamita izay mijoro io kanefa dia tsy afaka maneho hevitra, tahak’izany ihany koa ny ankamaroan’ny mpanao politika izay efa mitovy hevitra kanefa dia mbola tsy afaka manatanteraka dingana noho ny tsy fisian’ny firaisan-kina », hoy hatrany  Ratolojanahary Maharavo mikasika indrindra ny tokony handravana tanteraka ny fitondrana tetezamita izay mijoro. Noho izany ary dia nisy omaly tolak’andro ny antso avo izay nataon’izy ireo tamin’ny vahoaka, mpanao politika, mpiasam-panjakana sns. amin’ny tokony hamondronana ny hery rehetra hatongavana any amin’izay fandravàna tanteraka ny tetezamita izay, sy hafahana manova azy hatrany am-potony. Na izany aza anefa dia nanamafy ny avy ao amin’ny « Cellule de crise » fa tsy amin’ny alalan’ny fidinana an-dalam-be no hanatanterahan’izy ireo sy ny sendikan’ny mpiasam-panjakana izay fandravana ny tetezamita izay.

Mpiasam-panjakana : efa misy ireo tapaka karama !

Mandeha ny fandrahonana, fanapahana karama, sns. eo amin’ireo mpiasam-panjakana izay mivondrona ao anatin’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana raha ny nambaran’ny Ratolojanahary Maharavo hatrany avy amin’ny “Cellule de crise”. Noho izany ary dia lavin’izy ireo tanteraka izany fihetsiky ny fanjakana izany, izay nilazan’ity farany indrindra fa “tsy mpiasan-tranon’ny fanjakana izahay ka ataony amin’izay fomba itiavany azy fa misy ireo fepetra tsy maintsy arahina raha hiditra amin’izany fanapahana karama izany”.

Liva R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles