“Afaka madiodio avokoa ireo mpanao politika sy olon-tsotra izay voapanga tamin’ny raharaha baomba ny taona 2009”, io ny valin’ny fitsarana heloka be vava tsotra izay natao tamin’ireo mpanao politika nahitana an’i Alain Andriamiseza, ny Révérend Satrobory, Jean Louis Rakotoamboa, sy ireo sivily miisa 2 omaly maraina. Nilaza ny avy ao amin’ny fampanovana fa noho ny fahalanian’ny lalàna laharana 2011/014 dia foana avokoa ny fanenjehana ara-politika nanomboka ny taona 2002. Efa manomboka mihatra arak’izany izao ny andininy faha 16 ao anaty sori-dalana. Na izany aza anefa dia mangataka kosa ireo voapanga tamin’ity raharaha baomba ity amin’ny tokony hitsarana ireo olona tompon’antoka ny raharaha mafana rehetra teto amin’ny firenena, ary ao anatin’izany ny raharaha 26 Janoary 2009.
“Efa mazava ny valim-pitsarana satria efa lasa lalàna izao ny sori-dalana ka tsy azo iadian-kevitra ireny valim-pitsarana ireny”, hoy ny CST Alain Andriamiseza izay anisan’ireo voaheloka ny raharaha baomba ny taona 2009, ary anisan’ny niatrika ny fotoam-pitsarana tetsy Anosy omaly maraina. Raha ny fantatra moa dia io resaka baomba, sy ny fanakorotanana ny filaminam-bahoaka io no hanenjehana ireo mpanao politika sy olon-tsotra voatonona anarana etsy ambony ireo. Efa in’efatra arak’izany ity raharaha ity no niakatra fitsarana ka tamin’ity farany ity dia ny 5 tamin’ireo 23 voapanga ihany no tonga niatrika ny fotoam-pitsarana. Anisan’ireo tsy tonga arak’izany Atoa Raharinaivo Andrianatoandro, Hery Raharisaina, Yves Aimé Rakotoarison, sns. Ny antony tsy nahatonga azy ireo moa dia mazava raha ny nambaran’ny mpisolo vava azy ireo fa noho ny fahafantarany fa araky ny andininy faha 16 ao anaty sori-dalana dia tokony hatsahatra ny fanenjehana ara-pitsarana. Ireo mpanao politika miisa 3 izay namaly ny taratasy fiantsoana azy kosa dia nilaza fa “madio izahay matoa mahasahy miatrika fitsarana”. Raha ny fantatra ary dia nisy tokoa ity fametrahana baomba ity tamin’ny taona 2009, kanefa kosa dia tamin’ny alalan’ny findain’olona iray mpitolona tao amin’ny kianjan’ny Magro no nahazoana ireo mpanao politika ireo, izay niampangana azy ireo ho nanohana ara-bola ireo mpanao baomba.
Jean Louis Rakotoamboa : Tsy tokony misy olona ambony lalàna eto !
“Izahay avy ao amin’ny antoko TEZA dia mangataka amin’ny tokony hitsarana ireo olona rehetra voakasiky ny raharaha mafana eto amin’ny firenena na avy amin’ny fitondrana izy na avy amin’iza”, hoy i Jean Louis Rakotoamboa avy ao amin’ny TEZA mikasika indrindra ny tokony hitsarana ny raharaha “Alatsinainy mainty 26 Janoary 2009”. Tsy misy olona ambony lalàna eto raha ny fanamafisan’ity farany ka tokony ho tsaraina avokoa izay rehetra meloka.
Liva R.