Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70497

« Musiques métisses » : hisongadina ny angano malagasy

$
0
0

 Hetsika goavana hanamarika ity herinandron’ny Pentekôsta ity ny « Festival Musiques métisses », tontosaina any Angoulême-Frantsa. Na lavitra antsika aza izany, anisan’ny hisongadina any amin’ity “festival” ity ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy.

Hotantarain’i Jean-Luc Raharimanana, mpanoratra tsy zovina amin’ny maro intsony, ireo angano malagasy. Handravaka izany amin’ny feon-javamaneno samihafa, toy ny valiha sy ny kabosy, kosa i Tao Ravao, mpanakanto malagasy tsy mitsaha-mivoatra any ivelany any.

Tsiahivina fa hanomboka ny zoma izao ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 24 mey ny “Festival Musiques métisses”. Hisy hatrany ny fitantarana angano malagasy mandritra ireo hateloana ireo.

Lohalaharana amin’ireo hetsika iraisam-pirenena ny « Musiques métisses » amin’ny fanomezan-danja sy fampahafantarana ny mozika afrikanina, ny avy any Karaiba, Amerika Atsimo ary ny avy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. 40 taona amin’ity taona ity no efa nisiany ka, tato anatin’ny taona vitsivitsy izay, homen’ny mpikarakara, ny fikambanana “Musiques métisses”, vahana ihany koa ny literatiora avy amin’ireo firenena ireo. Izay no mahatonga izao fandraisan’anjaran’i Jean-Luc Raharimanana sy Tao Ravao izao.

Raha hiverenana kosa ny mozika, manodidina ny 25 ny fampisehoana tontosaina mandritra ireo telo andro ireo ka sehatra telo no mandray izany. Miisa 15 eo ho eo kosa ny firenena manana mpanakanto mandray anjara amin’izany. Manodidina ny 40.000 ny isan’ny olona tonga manatrika ny hetsika.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70497