Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70477

Faritra Atsimon’ny Nosy : nijery ny asa ifotony ny masoivoho japoney

$
0
0

 Afaka nanao asa maro niompana amin’ny fahasalaman’ny mponina any atsimo ny Unicef sy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) vokatry ny fanampiana ara-bola nomen’ny fanjakana japoney. Nijery ny vokatra tany an-toerana ny masoivoho japoney.   

Nijery ifotony ny asa nampiasana ny vola nomeny ary nokirakirain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) sy ny Unicef ny masiovoho japoney, Ryuhei Hosoya, tany amin’ny faritra Anosy sy Androy, ny fiandohan’ny herinandro teo.Ny taona 2014, nahatratra 2,20 tapitrisa dolara (5,17 miliara Ar) ny sorabola ka ny 3 miliara Ar natokan’ny Unicef ho an’ny tetikasan’ny fanjarian-tsakafo, fahasalamana, fidiovana sy fanadiovana ho an’ny faritra efatra. Nampiasain’ny Pam hamonjena olona 62 000 niharan’ny loza voajanahary farany teo ny 2 miliara Ar amin’ny asa fanarenana ny fotodrafirasa iombonana any Atsimo sy Atsimo Atsinanana. Nitsidika ny EPP Ambondrona ao Ambovombe, nahazo ny tetikasa sakafo any an-dakilasy, ity masoivoho ity. Nitafa tamin’ireo tantsaha mpamboly katsaka mamatsy ny tetikasa any an-toerana ny tenany. Afaka nahita mivantana ny mpahazo tombontsoa amin’ny fizaran’ny Pam singa mpamelona isorohana ny tsy fanjarian-tsakafo ny tomponandraikitra voalohan’ny masoivoho japoney. Natokana ho an’ny vehivavy mitondra vohoka sy ny zaza enim-bolana ka hatramin’ny 23 volana ny asa farany voalaza.

Nitondra fivoarana goavana ho an’ny fahasalaman’ny zaza sy ny vehivavy ny asan’ny Unicef. 700 000 ny zaza voatily, 2 200 ny tranga tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika hita ka noraisina an-tanana. Afaka nanentana vondron’olona 900 isorohana ny tsy fanjarian-tsakafo ny mpiasa eny ifotony noho ny tohana ara-bola avy amin’ny fanjakana japoney. Ho an’ny fanatsarana ny fahasalamana, nomena fitaovana fampangatsiahana 38 ny toeram-pitsaboana 38 hitahirizana ny vaksiny ho an’ny ankizy 83 740.

Vonjy A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70477

Trending Articles