Tonga eto Madagasikara ny lehiben’ny tetikasa aty Afrika eo anivon’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI), tarihin’i Philippe Brown. Hamatsy vola 300 tapitrisa euros an’i Madagasikara ny BEI, hifantoka amin’ny lafiny fotodrafitrasa. Ao anatin’izany ny fanarenana lalana, ny angovo sy ny herinaratra, vonjitaitra vokatry ny loza voajanahary, sns.
Nambaran’i Philippe Brown, fa anisan’ny hampiasana io famatsiam-bola io ny fanamboaran-dalana, tetikasa « rocade », mampifandray ny lalam-pirenena fahatelo (Rn-3) sy ny faharoa (Rn-2).
Nambarany koa fa mifameno ny famatsiam-bolan’ny BEI sy ny an’ny Vondrona eoropeanina, amin’ilay fandaharanasa Fed, andiany faha-11. « Eo am-pandinihana miaraka amin’ny Fahefana momba ny lalana malagasy (ARM) izahay, amin’ny tetikasa mitentina 50 tapitrisa euros manodidina ny lafiny fanamboarana na fanarenana lalana. Harosonay any amin’ny filankevi-pitantanan’ny Antokon-draharaha frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) koa ny tetikasa, mba iaraha-miasa », hoy ihany izy.
Njaka A.