
Mahazo mandry ivohon’ ny vato? Namaly ny ahiahin’ny maro mikasika ny fadanian’ny antenimiera ny volavolan-dalàna mifehy ny Vaomieram-pifidianana mahaleo tena (CEI) ny minisitera tompon’ andraikitra.
“Tsy hisy fiantraikany amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna hatao amin’ny 31 jolay izao ny fandanian’ny depiote ny lalàna mifehy ny Vaomieram-pifidianana mahaleo tena (CEI), andrimpanjakana vaovao hanoloana ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ho an’ny Tetezamita (Cenit)”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, Andriamanantsoa Philibert, omaly, nanoloana ireo depiote teny Tsimbazaza.
Nanterin’ity tompon’andraiki-panjakana ity fa mbola manohy ny asany soa aman-tsara ny andrimpanjakana eny Alarobia na ny Cenit. “Na ho lany eo anivon’ny Antenimiera aza io volavolan-dalàna io, ny amin’ny hanganana ny CEI, tsy mandray ny asany avy hatrany fa miandry ny fahavitan’ny fifidianana. Mbola ny Cenit ihany no mikarakara ny fifidianana ben’ny Tanàna”, hoy ihany izy.
Tolo-dalàna avy amin’ny depioten’ny Vondrona Ambodivona
Tsiahivina fa natolotry ny depiote avy amin’ny Vondrona Ambodivona (Armada), ahitana ny Mapar I, Hiaraka isika, VPM/MMM, Avana ary ny Maitso hasin’i Madagasikara izany volavolan-dalàna izany. Efa ny volana desambra teo no nalefan’izy ireo tany amin’ny governemanta izany ary izao naroso eo amin’ny depiote izao.
Synèse R.