Ho 100% ny voka-pifidianana? Kandidà tokana avy amin’ny HVM avokoa no mandrakotra ireo kaominina vaovao miisa valo. Anisan’ izany ny any Mahajeby Fenoarivobe, Morarano Soafiraisana Andramasina, Andranomisa Anjozorobe, Andriambilany Ambatolampy, Ambodinerana Anosibe an’Ala, Andekaleka Brickaville, Mikaikarivo Bekily ary Sakoamadinika Tsaratanàna.
Midika izany fa hanjaka tokana ny antokon’ny fitondrana? Nikasa ny handrotsaka kandidà amin’ireny kaominina vaovao ireny ihany, ohatra, ny antoko politika sasany, saingy niharan’ny antsojay sy ny fampihorohoroana ka nihemotra tamin’ny fotoana farany. Ohatra, ny tranga niseho any amin’ny kaominina sasany any amin’ny distrikan’ Andramasina.
Maro kandidà ben’ny Tanàna ny any Mandritsara
Fa etsy andaniny, maro kandidà mpirotsaka indrindra ny any amin’ny distrikan’i Mandritsara. Mahatratra 167 ireo antontan-taratasy voarain’ny Ovec any an-toerana.
Amin’ny ankapobeny kosa, efatra eo ho eo ny kandidà ben’ny Tanàna isaky ny kaominina, raha natao ny salanisa.
Synèse R.