![]()
Novelomin’ny Fikambanan’ny Pôety sy ny Mpanoratra Malagasy tao amin’ny Tranombokim-pirenena, ny 28 oktobra lasa teo ny asasoratr’i André Rakotondranaivo na AeRa, mpikambana zokiolona indrindra ao amin’ny Havatsa-Upem, izay efa mandia ny faha-94 taonany. Havatsan’i AeRa no anarana nampitondraina ny hetsika. Tononkalo sy tsianjery manodidina ny 30 teo ho eo no noseharin’ireo mpanoratra tamin’izany. Anisan’izany ny […]