![]()
Omena toerana amin’ny maha izy azy ny asa tanana vita amin’ny hoditra. Notolorana fitaovana, omaly, tao amin’ny foibe misahana ny asa tanana, ny vovonana Gasyskin, ivondronan’ireo mpanao hoditra, hanatsarana izany sy hifaninanana eo amin’ny tsenan’ny Comesa. Dingana maromaro ny nahatongavana amin’izao tolotra vaovao izao, hatramin’ny taona 2018. Efa nisy manampahaizana avy any Adis-Abeba tonga teto […]