
Tsy ho ela intsony rehefa nandalo dingana samihafa. Hisokatra sy hiverina handeha indray ny radio Fahazavana, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ity onjampeo ity, omaly. “Nahazo taratasy sy alalana avy amin’ny minisiteran’ny Fifandraisana izao fiverenany hohenoin’ny rehetra izao. Voalazan’ny taratasy koa fa nofoanan’ny tompon’andraikitra ny fanakatonana ity onjampeo ity ny volana mey 2010”, hoy ihany ny loharanom-baovao.
Tsiahivina fa an’ny FJKM ity onjampeo ity ary nakaton’ny fitondrana Tetezamita noho ny “Raharaha FIGN” ny 10 mey 2010. “Tsy mbola fantatra ny fotoana handehanany satria nogiazan’ny fanjakana tamin’izany ny fitaovana rehetra tao amin’ny radio Fahazavana”, hoy ihany izy ireo.
Fihaonan’ny filoha sy ny birao foibe
Nialohavan’ny dinika tamin’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina, sy ny eo anivon’ny birao foiben’ny FJKM koa anefa izao fisokafany izao. Mety ho tamin’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta tamin’ity herinandro ity.
Synèse R.