Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70676

Taratasin’ny eveka ho an’ny FFKM : « Politika no misongadina amin’ny fampihavanana »

$
0
0

« Misy hevitra mifangaro ary mahalasa eritreritra amin’ny fampihavanam-pirenena.«  Io ny taratasy fangataham-panazavana nalefan’ny Fivondronamben’ny eveka, tamin’ny fivorian’izy ireo teny Antanimena, afakomaly, ho an’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM momba ny fampihavanam-pirenena.

Misy ny hevitra sasany miteraka ahiahy momba ny fampihavanana: toa resaka politika no misongadina amin’izany. Fotoana ve izao hampidirana ny raharaha politika ary anjaran’ny FFKM ve ny mandinika izany? Tokony hatao fanta-bahoaka tsara ny tanjon’ny fampihavanana imason’ny FFKM. Marina fa efa mazava ny « F » efatra, nefa iza marina no ampihavanina?

 

Mampiahiahy ny isan’ireo solontena handray anjara

 

« Mitovy ve ny isan’ireo solontenan’ny fiangonana tsirairay manatrika izao fihaonambe izao? » hoy ny Fivondronamben’ny eveka. Misy fepetra ve ny momba izany? Raha misy izany, tsara lazaina mazava ho fantatry ny rehetra.

Tsara ny fandraisana an-tanana, nefa tampoka loatra ny hoe roa hetsy ariary. Sarotra ny ahitana izany eo no ho eo amin’izao maitsoahitra izao, indrindra ho an’ny tantsaha. Izy ireo anefa no vahoaka maro anisa ary tena tompon’ny fampihavanana.

Anisan’ny hodinihin’ny fivoriamben’ny Fivondronamben’ny eveka, ny 5-14 mey ho avy izao, ny amin’ny fampihavanam-pirenena.

Hanao ahoana ny fampihavanam-pirenena, raha ny Fivondronamben’ny eveka, eo anivon’ny Ekar, izay ao anatin’ny FFKM aza, manana ahiahy amin’ny raharaha?

R.Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70676

Trending Articles